Shina : Fetiben'ny Henan'Alika- Heloka Sa Kolontsaina ?

Sakafo matsiro aroso ambony latabatra fihinanana any amin'ny faritra sasany ao Shina ny henan'alika, ary efa hatramin'ny nanodidina ny taona 500 talohan'i Jesoa na mety efa taloha be aza ny fihinanana izany. Kanefa, satria efa maro no manomboka mitaiza alika tsikelikely ho biby fiompy ao an-trano ny Shinoa amin'izao fotoana izao, heverin'izy ireo fa hadalàna na fitondran-tena barabara ny fihinanana henan'alika. 

Taona vitsivitsy lasa izay, nanao fanentanana marobe momba ny fanoherana ny fihinanana henan'alika tao amin'ny aterineto sy tamin'ny fomba hafa ireo mpikatroka mpiaro ny zon'ny biby. Isan-taona dia mitaky ny fanafoanana ny fetiben'ny hena alika fanao isan-taona izay hihinanana lasopy amin'ny henan'alika miaraka amin'ny laodsia sy fisotroana rano mahery ry zareo. Atao amin'ny 21 Jona amin'ity taona ity any Yulin, faritanin'i Guangxi amin'ny solistisin'ny fahavaratra amin'ny tetiandro manaraka ny volana ny lanonana. Amin'ny lafiny iray dia hizingizinin'ny tompontany fa isan'ny kolontsaina anànan'ny tanàna sy fomba amam-panao ilay lanonam-be.

Tamin'ny taona lasa, novinavinain'ny mpiaro ny zon'ny byby ho maherin'ny 10.000 ny isan'ny alika maty nandritra ilay fetibe. Ity ambany ity ny fanomanana ny henan'alika tamin'ny fetibe tamin'ny 2013 araka ny tatitra nataon'ny Apple Daily:

Nanomboka tamin'ny fiandohan'ny volana May ny fanoherana ny fihinanana ny henan'alika amin'ity taona ity. Olo-malaza maromaro toa an'i Chen Kun sy  Yang M no nitabataba  ho fanafoanana ilay fetibe nanomboka teo. Arakaraky ny hanatonan'ilay fetibe no anombohan'ny fandefasan'ny Shinoa bitsika ao amin'ny Sina Weibo. Inty misy santionanà fanentanana  nosoratanà mpisera amin'ny Weibo “Singing Feifei” (@踏歌的菲菲) miaraka aminà sary apetaka anankiroa  :

Two campaign stickers against the dog meat festival circulated in Weibo. Via "Singer Feifei" Weibo.

Sary apetaka anankiroa manohitra ny fetiben'ny fihinanana henan'alika miparitaka amin'ny Weibo. Avy amin'i  “Singer Feifei” Weibo.

为什么要有狗肉节?!把人装在笼子里,看着自己的同伴一个一个被杀,自己等待被宰杀,那种绝望的眼神再让人类自己看看!

Nahoana isika no manao ny fetiben'ny fihinanana henan'alika ? Alaivo sary an-tsaina hoe io misy olona atao anaty vy makarakara sady mijery ny sasany ho vonoina mandra-piandry izay anjarany. Hita anaty masony ny fananam-panantenana.

Nandeha tany Yulin ireo mpiaro ny zon'ny biby, miaraka amin'ny fanohanana mafonja, mba hanentana ny governemanta ao an-toerana handràra ilay fetibe. Fa ankoatry ny fanehoana ny drafitra momba ny fiarovana ny zon'ny biby dia nampahafantarin'izy ireo ny haraton'aina sy ny antony araka ny lalàna araka ny didy tamin'ny taona lasa navoakan'ny  Ministeran'ny Fambolena momba ny fanokanana efapolo andro ny saka sy ny alika any aminà laboratoara mialohan'ny hitaterana azy. Koa satria 200 yuan ka hatramin'ny 300 yuan ( manodidina ny 30-48 dolara amerikana) isaky ny alika ny vidin'ny fanokanana efapolo andro, tsy misy mponina ao an-toerana vonona handoa izany. 

Mba hialàna amin'ny fiampangana hoe ireo mpitondra no mandrisika ny fihinanana tsy ara-dalàna ny henan'alika dia nandefa fanambarana tamin'ny gazety ny governemantan'i Yulin tamin'ny 6 Jona  izay milaza fa ” tsy misy zavatra tahaka ny “fetiben'ny henan'alika sy laodisia amin'ny solistisin'ny fahavaratra” ary io antsoina hoe fetibe io dia” tsy ny governemanta na ny fiarahamonim-pirenena mihitsy no mikarakara azy…. endrika fivoriana sosialy mandritry ny solistisin'ny fahavaratra izy io”. 

Raha toa ka manasa tànana amin'ilay fetibe ny governemantan'i Yulin, ireo mpankafy ny henan'alika sy ny mponina any Yulin kosa dia mamaly bontana ary milaza fa  tsy manan-jo handrara ny olona  tsy hihinana henan'alika ireo mpikatroka mpiaro ny zon'ny biby. 

Ahitana akony betsaka ao amin'ny haino aman-jery sosialy ny kolontsaina momba ny sakafo shinoa sy ny fiarovana ny zon'ny tsirairay. Ohatra, izao no nolazain'i ” Xiya protector” (@希瓦的守护):

我个人很喜欢狗,也从不吃狗肉,但是我不会也没有理由反对玉林人吃狗肉,一个人不能因为自己的个人喜好而去否定其他人的喜好。

Tia alika aho ary tsy nihinana henan'alika velively, fa tsy hitako izay antony hanakanana ny vahoakan'i Yulin tsy hihinana henan'alika.Tsy afaka mandà ny safidin'ny hafa ny tsirairay satria izay no tiany.

Inoan'i Lu Daheng (@卢-达恒) fa taratry ny tsy fitovian'ny kolontsaina io tsy fifanarahana io :

狗是我们的朋友不能吃,这其实是西方传入来中国的思想 而玉林吃狗节系当地传统节日狗肉能不能吃表面上看系人同狗的问题 其实这是东方和西方思想碰撞问题 广西玉林"狗肉节"

Lu Daheng: Naman'ny olona ny alika ka azo hohanina. Hevitra avy any amin'ny tandrefana ny toy izany. Fomban-drazana ao an-tànanan'i Yulin ny fetibe fihinanana henan'alika. Araka izany tsy avy amin'ny fifandraisan'ny olona sy ny alika ny hevitra hoe tokony tsy ho fihinana ny henan'alika, fa tsy fitovian-kevitra amin'ny tandrefana sy ny tatsinanana.

Ny haraton'aina hatramin'izao no tohan-kevitra mandresy lahatra indrindra. Ny marimaritra iraisana no rafitra mety ho tsara apetraka mba hianthana ny maha azo antoka ny henan'alika fa tsy ny fandraràna tsotra izao. Nanolo-kevitra  tao amin'ny Weibo i Lui Lang, mpitsabo : 

如果我们要保证狗肉的食品安全,那么就必须从源头抓起,要有规范的养殖场,同时还要有严格的养殖档案和每只犬的外在标示,以方便可追溯。合理的防疫和驱虫 […] 这样下来的狗肉价格应该超过进口牛肉。

Raha tiantsina ny hantona ny maha-azo antoka ny  henan'alika dia tokony ho arahana maso ny toerana fiompiana izany. Tokony ho fantatra ny alika tsirairay, ka raha toa ka misy tsy mety dia azo atao ny manao dia mianoatra hatrany amin'ny toeram-piompiana. Tokony hatao vaksiny sy omena odi-katsentsitra ny alika […] Raha toa tanteraka ny fepetra rehetra, ho lafo noho ny henan'omby ny henan'alika.

Fa tsy faly tamin'ny fifanarahana ireo  mpikatroka mpiaro ny zon'ny biby. Nitabataba i Disaur :

我们抵制狗肉节,抵制吃狗肉,当然,我们也永远不吃狗肉。吃狗肉与否,诚然,是每个人的自由,我们无权干涉。但我们呼吁大家共同抵制所谓狗肉节,谴责屠宰、制售狗肉的商家。贩售、屠宰猫狗永远不可能合法化 […]

Hobodoinay ny fetiben'ny henan'alika sy ny fihinanana izany. Tsy hihinana alika mandrakizay  izahay. Marina fa fahalalahan'ny tsirairay ny fihinanana henan'alika ary tsy manan-jo hiditra amin'izany izahay. Fa tsy maintsy bodoinay ny fetiben'ny henan'alika, melohinay ny mpamono sy ny mpivarotra alika. Tsy azo ekena ny hanaovana ho ara-dalàna ny fivarotana sy ny famonoana saka sy alika […]  

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.