Espaniola an'Arivony No Mitaky Repoblika Taorian'ny Fametraham-Pialàn'ny Mpanjaka

Vista de la Puerta del Sol (Madrid) durante la manifestación del día 2 de junio. Foto subida a Twitter por Danips.

Fahitana an'i Puerta del Sol (Madrid) nandritry ny hetsika tamin'ny 2 Jona. Sary nakarin'i Danips tao amin'ny Twitter.

Hijanona ho tantara ho an'i Espaina ny Alatsinainy 2 Jona 2014, andro izay nametrahan'ny Mpanjaka Juan Carlos Voalohany fialàna tsy ho eo amin'ny seza fiandrianana. Araka ny teny nolazainy, ” Misy taranaka vaovao mitaky ny hitàna ny andraikitra voalohany (…). Mendrika hijoro eo amin'ny laharana voalohany ny tanora amin'izao fotoana izao.” Ora vitsivitsy monja dia olona an'hetsiny no teny an-dàlambe nanerana ny firenena nitaky ny fitsapankevi-bahoaka na ho tazomina ihany ho fitondrà-mpanjaka na havadika ho repoblika amin'izay ka hhahafahan-dry zareo mifidy izay ho filoham-panjakana.  

Betsaka ny mpandinika no mahita fa natao mba hihazonana ny rafitra maha-mpanjaka io fametraham-pialàn'ny mpanjaka io, ary mihevitra ny zava-misy hoe mitranga izy ity raha mbola eo amin'ny fitantanana an'i Espaina ny antoko mpitahiry ny nentim-paharazana  dia manamora foana io fifandimbiasam-pitantanana io am-pilaminana. 

Nefa tsy araka izany ny zava-misy eny an-dàlambe. Tototry ny fanehoankevitra tsy nisy tahaka izany ny haino aman-jery sosialy taorian'ilay fametraham-pialàna. Amin'ny tenifototra toy ny hoe : #ElReyAbdica (Nametra-pialàna Ny Mpanjaka ) sy ny #VivaElRey (Ho ela velona ny mpanjaka ), ny hafa indray hoe : #IIIRepublica (Repoblika faha-3), #EligeTuRey (Fidio ny mpanjakanareo),  #ProcesoConstituyente (fikarakaràna lalàm-panorenana), #AporLaTercera (ho an'ny fahatelo) sy #ReferendumYA (#fitsapankevi-baoaka IZAO) no nanomboka be mpijery ary nanjary resaka be mpanadihady indrindra tontolon'ny andro. Tamin'ireo, ny #ElReyAbdica#IIIRepublica#AporLaTerceraRepublica ary “Felipe VI” no nanenika ny tontolon'ny TT (tontolon'ny bitsika an-tserasera).

Fotoana fanaovana ny tantara izao, mila demokrasia misimisy kokoa izahay

Raha marina fa “mitoetra amin'ny vahoaka Espaniola ny fiandrianam-pirenena” nahoana no mametra-pialàna manome tombony ho an'olon-kafa ny mpanjaka ?

Kabarin'ny mpanjaka. Nolazainy tamin'ny vahoaka fa ” izy ireo ihany no mifidy ny ho aviny.” Notendreny ny zanany nefa izahay tsy nifidy azy.

Hataka anankiroa ao amin'ny Change.org no mitaky amin'ny fitondra-mpanjaka hanaovana ny fitsapankevi-bahoaka, nahangona sonia maherin'ny  23.000 [es] sy15.000 avy izy roa ireo , araka ny filaharany, iray andro monja taorian'ny nanokafana azy. Misy hataka iray hafa ao amin'ny  Avaaz.org nahangona sonia mihoatra ny 265.000 tamin'ny fotoana nanoratana ity lahatsoratra ity.

Nisongadina ny fihenan'ny fitiavan'ny olona ny mpanjaka taona vitsivitsy lasa izay araka ny asehon'ny sary izay ampiarahana amin'ity bitsika avy amin'ny Europa press ity : 

Tahaka Izao no fahitan'ny vahoaka ny fivoatry ny fanjakana nanomboka tamin'ny 1990.

Tsy isalasalana, fa ilay tantara ratsy niseho tamin'ny fianakavian'ny mpanjaka tamin'ny taona lasa no nahatonga io tsy fitokisan'ny olona io intsony : ny fitsarana ny vinantolahin'ny mpanjaka, Iñaki Urdangarín, ny vesatra nianjady tamin'ny Printsesa Cristina tamin'io raharaha io ihany,  ny lazan'ny fandaniana tamin'ny fandehanana nihaza tanaty fotoanan'ny krizy, ny fisehoan'ilay heverina fa sipan'ny mpanjaka, Corinna zu Sayn-Wittgenstein, izay mipetraka ao amin'ny trano voaravaka fatratra voalaza fa  Harem-bakoky ny Firenena [es]…  Na dia voalaza aza fa ny fanjakana Espaniola no iray tsy mandany vola indrindra eran-tany dia nisy tsaho, tato anatin'ny telo volana, momba ny harena manokan'ny mpanjaka, izay mahatratra 2 lavitrisa euros araka ny kajikajy nataon'ny  NBC :  

Sivy amby telopolo taona taorian'ny nandraisany ny fanjakana, dia toy ny olona tsy nisy fifandraisana tamin'ny tontolo sosialin'ny taorian'ny krizy ara-toekaren'i Espaina ny mpanjaka nametra-pialàna.

Vinavinain'ny sasany fa mihoatra ny 2 lavitrisa euros ny haren'ny mpanjaka, volabe ho an'ny firenena Eoropeana izay tena nianjadian'ny krizy ara-bola.

Ny sasany mihevitra fa mety hihoatra ny 2 tapitrisa euros ny  fananan'ny mpanjaka, isa goavana manafintohina ho an'ny firenena iray nandalovan'ny krizy ara-bola faran'izay mafy indrindra tao Eoropa. 

Coste real de la monarquía española. Imagen subida a Twitter por Silvia Prieto.

Ny tombam-bidy marin'ny fanjakana Espaniola. Sary nampakarin'i Silivia Prieto ao amon'ny Twitter.

Voatsikera ihany koa ny finamànan'ny mpanjaka amin'ireo mpandraharaha goavana sy ny tomponà banky- efa voagadra noho ny kolikoly ny sasany- izay tena manam-bintana amin'ny fandehanana ofisialy ataon'ny mpanjaka manerana izao tontolo izao amin'ny fitadiavana fiaraha-miasa ara-pandraharahàna ho an'ireo sangany. Volana vitsivitsy lasa izay, naverina nodinihina ny andraikitry ny fanjakana amin'ny tetezamita taorian'ny nivoahan'ilay boky “Ilay Fanadinoana lehibe ” nosoratan'i  Pilar Urbano, izay hanamafisan'ilay mpanao gazety fa ilay andrana fanonganam-panjakana nataon'ny tafika tamin'ny 23 Febroary 1981 dia nokarakarain'ny mpanjaka ihany mba hahazoany ny fon'ny vahoaka Espaniola.  

Tsy eken'ny vahoaka Espaniola ny manjavozavo manodidina ny andrim-panjakana, tsy ilàna ny antsipirihan'ny kaonty ny lalàna vaovao momba ny fangaraharàna. Voalazan'ny lalàm-panorenana fa ” Tsy azo itsakitsahana sy tsy tompon'andraikitra ny Mpanjaka,”  midika izany fa tsy tompon'andraikitra amin'ny zavatra ataony izy,  izay sarotra ekena amin'ny demokrasia , tahaka izany ihany koa ny lalàna vaovao izay miaro ny mpanjakavavy ho tsimatimanota ka hatramin'ireo printsin'i Asturias amin'izao fotoana izao. 

Ho an'ny ankamaroan'ny Espaniola, ny tsy fanavaozana ny lalàm-panorenana, hatramin'ny nampiharana azy tamin'ny 1978, no vavolombelon'ny tsy fiovan'ny kilasy politika espaniola- ao anatin'izany ny fitondràm-panjaka- sy ny fanalavirany ny vahoaka. Araka ny anambaran'i Andrés Gil  azy ao amin'ny eldiario.es :

La Constitución de 1978 responde a 1978. Pero 2014 ya no es 1978. (…) Una ciudadanía que se organiza, debate y hace política, principalmente sin partidos, y que este lunes ha salido a la calle en toda España para pedir un referéndum sobre el modelo de Estado mientras los políticos dominantes se aferran a los jirones del régimen de 1978.

Mifanaraka tamin'ny 1978 ny lalàm-panorenana tamin'ny 1978. Tsy 1978 intsony ny 2014 (…)  Nandrindra adihevitra sy namorona politika, tsy misy antoko amin'ny ankapobeny, ny mponina ary nidina an-dàlambe nanerana an'i Espaina tamin'ity Alatsinainy ity mba hitaky fitsapankevi-bahoaka momba izay endriky ny fanjakana raha toa ka mbola mifikitra amin'ny sisan'ny fitondrana 1978 ireo mpanao politika matanjaka. 

 jhr kosa dia nanoratra izao tao amin'ny  MACanime forum [es]:

(…) El fin de la monarquía debe darse por la idea en sí misma, porque es una desfachatez tener un rey por supuesto derecho divino (o el dedo del dictador Franco en el caso español), y es una tontería que se vaya heredando el asunto, como si fueran sangre azules que siempre nacen adecuados para ser dirigentes o reyes.

Yo no sé si sea ahora cuando se empiece a abolir la monarquía española, pero de que se abolirá ténganlo por seguro. La república volverá y terminarán con ese legado de oscurantismo que debió caer cuando el siglo de las luces. (…)

(…) Ny heviny ihany no hamarana ny fanjakana, satria fanambaniana ny fananana mpanjaka heverina ho manana zon'andriamanitra ( na izay sitraky ny mpanao jadona Franco amin'ny tranga Espaniola), ary hadalana raha ho lovaina izany, tahaka ny hoe raha toa ka manga daholo ny ràn-dry zareo dia nateraka ho afaka hanohy hitondra na ho mpanjaka hatrany ry zareo.

Tsy fantatro raha toa ka izao no fotoana haharava ny fanjakana Espaniola, fa ny fandravana izany no làlana azo antoka izorana. Hiverina ny Repoblika ary hifarana io lova navelan'ny haizina efa tokony ho rava nandritra ny Taonan'ny Hazavana io(…) 

Mbola mitohy ilay hetsika mitaky fitsapankevi-bahoaka momba ny endrika vaovaon'ny fanjakana : misy hetsika vaovao atao amin'ity faran'ny herinandro ity. 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.