Ambaran'ny Indoneziana Fa Tsy Ampy Ny 15 Taona An-tranomaizina Ho An'ny Mpametaveta Ankizy

Hafatra manao hoe tsy ampy ny 15 taona misoratra eny an'arabe

Nampisafoaka ireo ray aman-dreny Indoneziana marobe ilay vaovao tranga fanolanana nitranga taminà sekoly garabola iray tamin'ny volana Febroary lasa teo. Saingy fotoana fohy taty aoriana nanambarana izany tranga izany, tafiditra anaty vaovao mafana indray ny Sekoly Iraisam-pirenena Jakarta (JIS) taorian'ny vaovao momba ny famonoan-tena nataon'i James Vahey, profesora teo aloha tao amin'ny JIS sady mpanolana zaza tsy ampy taona nokarohin'ny FBI sy ny Interpol.

Araka ny filazan'ny FBI, zatovolahy 90 farafahakeliny no efa naolan’i Vahey nandritra ny fotoana naha-mpampianatra azy.

Tamin'ny volana Martsa farany teo, tratra nanangona sy nizara fitaovana mamoha fady ahitana ankizy tamin'ny aterineto i Tjandra Adi Gunawan, mpitsabo nify sady manampahaizana fanontany eo amin'ny sehatra fandraharahana avy ao Atsinanan'i Java. Sarin'ankizy (no)vetaveta(ina) maherin'ny 10 000 tany amin'i Gunawan no noraofin’ [id] ny polisim-pirenena. Nametraka sary ho toy ny vehivavy OB/GYN i Gunawan ary mamitaka ireo lasibatrany mba hifandray amin'ny kaonty Facebook-ny hosoka.

Tamin'ny fanehoany hevitra manoloana ny fihanaky ny tranga fametavetana zaza tsy ampy taona, nilaza [id] ny Lehiben'ny polisy Indoneziana fa tokony hahazo ny sazy henjana indrindra na sazy farany ambony indrindra ny fametavetana zaza tsy ampy taona.

Nilaza [id] ny polisy Indoneziana, raha nitanisa ireo tahiry nangonin'ny Interpol sy ny FBI, fa nahitana tranga fametavetana ankizy tsy ampy taona tsy voaisa tao Indonezia. Voalaza fa mihoatra noho ny antontanisan'ny tao Thailandy mihitsy izany ary iray amin'ireo isa ambony indrindra ao amin'ny faritra Aziatika Atsimo-Atsinanana.

Mampihatra ny lalàna momba ny sazy mandrapaha-faty/sazy farany ambony indrindra amin'ireo mpametaveta zaza i  Thaïlandy sy i Kambodza. Hitan'izy ireo ny fahalemen'ny lalàna mitovy amin'izany eto Indoneiza, ka eto izy ireo no mandeha.

 
Ny sazy ambony indrindra hoan'ny mpanolana ankizy ao Indonezia dia 15 taona an-tranomaizina [id]. Na dia izany aza, mbola tsy nisy olona nahazo izany sazy ambony indrindra izany tamin'ny tranga fametavetazana zaza.
 
Nanatontosa fanangonan-tsonia antserasera tao amin'ny Change.org ny @pasukanjarik (Tafika Jarik), vondron'ny ray aman-dreny voakasik'ity tranga ity, izay miantso ny governemanta mba handinika ny lalàna momba ny fametavetana zaza ary hametraka sazy farany izay henjana hoan'ireo mpametaveta ankizy. Amin'ny kolontsaina Javaney, dia fitafiana Batik ampiasain'ireo ray aman-dreny hitondrana ny zanany vao teraka sy ny ankizy kely ny Jarik.
 

Nanao fanentanana tamin'ny fampiasana diezy #15yearsNOTenough (Tsy ampy ny 15 taona) ny vondrona tao amin'ny Twitter.

Faly fa afa-niaraka tamin'ny i @pasukanjarik sy nandray anjara! Eny, tsarovy fa tsy ampy ny 15 taona!

14 taona aho ary fifaliana ho ahy ny mandray anjara amin'ny #pasukanjarik. tsy ampy ny 15 taona!

Tamin'ny alalan'ny diezy Twitter #hukumanpedofil (sazy hoan'ny mpametaveta zaza), niady hevitra momba ny sazy sahaza hoan'ireo mpametaveta ankizy ny mpiserasera:

(Satria) nofy ratsy hoan'ireo lasibatra ny herisetra ara-nofo, avelao tsindronina maha-momba ny meloka ho nofy ratsy ho azy ireo.

Ao Etazonia, ampiharina araka ny isan'ny lasibatra ny lalàna, raha ankizy 100 no lasibatra, 15 taona X 100 ny sazy faratampony, izay mitovy amin'ny 1500 taona an-tranomaizina.

Niantso ny governemanta sy ny vahoaka ireo mpikanto amin'ny stencil avy ao amin'ny @komunalstensil:

Hoy ny fivakin'ny afisin'izy ireo: Fanairana Manoloana ny Fanararaotana Ara-nofo! Anontanio ny Fanjakana raha tokony hanomboka hanome fitaovam-piadiana hoan'ny zanatsika isika.

Bilaogera Swastika Nohara namintina tao amin'ny bilaoginy mikasika ny maha-zava-dehibe ny fifampiresahana eo amin'ny ray aman-dreny sy ny zanaka eo amin'ny fitaizana:

Pada akhirnya, komunikasi antara anak dengan orang tua memang jadi penting banget. Biasakan ngobrol santai dengan anak soal apa saja, bahkan hal-hal yang kelihatannya remeh bagi kita, bisa jadi penting bagi anak.

Ho famaranana, tena iankinan'ny ain-dehibe ny fifampiresahana eo amin'ny zanaka sy ny ray aman-dreny. Mizatra miresaka am-pahalalahan-tsaina amin'ny zanatsika mikasika izay lohahevitra rehetra tiana resahana, ny zavatra izay heverintsika ho tsotra amintsika dia mety ho zava-dehibe tokoa amin'ny zanatsika.

*Sary avy amin'i @NanAndriana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.