Trinite & Tobago: I Kolkata Ve No Nosafidian'i Narine Fa Tsy i Antilles Andrefana?

Kolkata Knight Riders logo. Image via Global Panorama, courtesy: AkashSiinha, www.kkr.in, Licensed under the Creative Commons Attribution 3.0 Unported | Wikimedia Commons

Sary famantarana ny ekipan'i Kolkata Knight Riders. Sary nampindramina, nalaina tao amin'ny Global Panorama: AkashSiinha, www.kkr.in, nampiasàna ny Creative Commons Attribution 3.0 Unported | Wikimedia Commons

Nisy adihevitra lehibe teo amin'ny lalao cricket tao Antilles Andrefana: nanapa-kevitra ny Kaomity Mpitantana ny mpilalao Cricket any Antilles Andrefana (WICB) fa tsy ho voafantina hilalao amin'ny lalao andrana atsy ho atsy izay hifanandrinany amin'i Nouvelle Zélande i Sunil Narine, ilay mpanipy baolina amin'ny tànana ankavanana, noho izy noeritreretina ho nisafidy ny hijanona tany India hilalao ao anatin'ny ekipan'i Kolkata Knight Riders nandritra ny lalao famaranan'i  Ligy Voalohany Antillais raha tokony hisoratra anarana ao anatin'ny ekipan'i Antilles Andrefana ny 1 jona farafahataranny.  (Nibata ny amboara i Kolkata ny Alahady, raha nandavo ny ekipan'ny King's XI Punjab.)

Raha araka ny tatitra voaray, nanolotra fiaramanidina iray manokana ho an'i Narine ny mpitantana ny Kolkata Knight Riders mba hahafahany mody vao vantany vao tapitra ny lalao famaranana, kanefa tsy mbola nanaiky handray azy ao anatin'ny ekipa ihany ny WICB. Toy ireo olana maro mahavoarohirohy ny  cricket, dia lasa lohahevitra lehibe niteraka adihevitra izy io manerana an'i Karaiba.

Tao amin'ny vohikala Facebook, nilaza i Ravi Denish Rampersad fa hanakana an'i Narine tsy hanome izay tsara indrindra avy aminy io adihevitra io:

Nandresy ny ekipa KKR na dia nanao hadisoana maromaro aza i Narine nefa manome tsiny ny kaomity mpitantana ny ekipa mpilalao Cricket any Antilles Andrefana aho noho izany, izay niteraka [ireny] olana [rehetra] talohan'ny lalao famaranana lehibe [ireny]..

Niangavy ny  WICB i Sean Scott mba hamindra fo amin'i Narine: 

Eny ary ry Narine, alaivo ny lokanao ary tratraro ny fiaramanidina manokana natao ho anao…Sidina mankany amin'ny lalao andrana avy hatrany…mila ireo mpitifitra baolina 4 mahay indrindra izahay amin'ny lalao andrana rehetra…Nandefitra ny WICB tamin'ity indray mandeha ity!

Nahatsikaritra i Tamara Manhomansingh fa tsy dia navitrika toy ireo mpiray ekipa namany i Narine:

I Sunil irery no lehilahy hita ho tsy nangitakitaka na nankalaza io andro io. Mampalaelo. Nitambesaran'ny entam-be tsy ahafahana  nankalaza io fandresena io sa faly fa tafody soa aman-tsara. Atrakao ny loha fa lehilahy lehibe, naneho ny tsara indrindra vitanao ianao, ary nanolotra zavatra hahafahan'ireo Antillais Tandrefana  mieboebo & mideradera an'io IPL 7 io ianao.

Tsapany ihany koa ny fisian'ny mizàna tsindrian'ila teo amin'ny lalao:

[Ny zavatra] mahaliana dia izao, ny fepetra napetraka dia ny hoe ‘Modia ianao amin'ny Asabotsy, raha tsy izany dia tsy hahita an'i Jamaika ianao’. Ankehitriny, efa nanao ny safidiny izy ka toy izao ‘Efa tsy tafiditra ao anatin'ireo voafantina hanao fitsapana ianao ary mety “hoeritreretinay” ho ao anatin'ny ekipa T20 ianao.’ …Nasehon'i WICB mazava tsara hoe iza no tsy raharahian'izy ireo. Ny mizàna tsindrian'ila, ny fanomezana tombony manoakna, ny lainga, ny tsy fifanajana, ny hafetsifetsena, ny famitahana; izay indrindra no antony ahatsapako hoe tena sarotra ny hanohana sy hanaja io kaomity mpitantana io.

Tsy faly i Foxx Blaize tamin'ny namelàna an'i Narine kanefa manaiky ny lojikan-javatra izy:

Tsy heveriko ho fanapahan-kevitra hafahafa izany…koa satria nisafidy làlan-kafa ny kaomity mpitantana, dia [najanona] ny zava-drehetra taloha…Politika tsara ny hoe ‘Antilles Andrefana no laharam-pahamehana'…Efa fantatr'i Narine efa ela izany, tokony nomena fotoana hisainana ihany izy, eny,  nefa hafatra toy inona  no tiana ho ampitaina amin'ny zavatra mety hiseho any aoriana e? Iray amin'ireo fanapahan-kevitra tsy mahazatra kanefa tsy maintsy raisina izy io mba hampivoatra.

 Niombon-kevitra tamin'izany i Julia Whitehall:

Manaiky aho fa tokony novahana tamin'ny fomba hafa io olana io, kanefa raha fantatra mialoha ny fe-potoana farany dia miankina amin'ny safidy sisa izany. Tsy noterena hijanona i Narine…fa safidiny manokana izy io. Efa nanao …fifanarahana tamin'i Antilles Andrefana i Narine, izay  nametraka azy teo amin'ny toerana somary nanahirana azy, kanefa nanao ny safidiny izy ary mampalaelo fa misy fiantraikany izany.

Ity mpankafy ny lalao cricket ity dia nahatsapa fa nety ny nataon'ny WICB raha nitazona ny heviny izy ireo:

nila nitazona ny heviny ny wicb ary nanery an'i narine hiverina ara-potoana

Hoy izy nanampy izany:

Na firenena iza na firenena iza dia tsy maintsy niverina izy..aostralia,angletera,sri lanka…tsy maintsy hilalao izy ka hijanona any ve?

Nahatsapa indray ny mpankafy sasany fa nanao zavatra tsy am-piheverana ny WICB:

re Narine: Tena hafahafa ny nanome soso-kevitra hoe tokony handao ny ekipany izy kanefa tafakatra amin'ny dingana famaranana ry zareo. Tokony nampiseho filefahana kely ny WICB

 

Tsy tokony hapetraka eo amin'ny toeran'i Narine MIHITSY ny mpilalao iray. Miteraka fifankahalàna ny mpitantana mafy loha, mahonena izany & sain-jaza raha avy amin'i WICB.

 

Nilalao ODIS 3 i Sunil Narine raha naharay tolotra tamin'i IPL. Tokony manolotra fisaorana lehibe ho an'i KKR izy nohon'ny fahombiazany toy ny nataony tamin'i WICB.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.