Azia Afovoany : Tsy Avy Mihitsy Ny Orana Fa Rehefa Avy Izy Dia Oram-Batravatra

Almaty floods. Photo uploaded onto Twitter by Dina Sabyrova ;@4144777

Tondra-drano tany Almaty. Sary nakarin'i Dina Sabyrova (@4144777) tao amin'ny Twitter, fantatra amin'ny fahavaratra mafana sy maina sy ny ririnana lava sy mangatsiaka miaraka aminà ranomandry miendrika orana ny faritra Azia Afovoany. Fa rehefa misokatra ny lanitra, tsy tombony ho an'ny  oram-panala, tahaka izay hitan'ireo mponina ao amin'ireo tanàn-dehibe telo amin'iny faritra iny tamin'ny herinandro lasa.  

Ny 30 sy 31 May teo, orambe nivatravatra nitondra riaka mahery no nandrava tany Almaty any Kazakhstan, Tashkent any Uzbekistan ary Bishkek any Kyrgyzstan. Raha toa ka nijanona teo amin'ireo fiara mitsingevana sy trano safotry ny rano ny loza, ho an'ny tany Kyrgyzstan kosa dia ratsy kokoa satria nisy lehilahy iray maty nianjeran'ny hazo niongotra hatramin'ny fàkany. 

Almaty, Kazakhstan
Notaterin'ny haino aman-jery Kazakh tamin'ny 31 May fa tena safotry ny rano ara-bakiteny i Almaty, ilay tanàna lehibe indrindra  izay misy mponina manodidina ny 1,4 tapitrisa. Tsy ampy ho an'ny riaka ireo fanarian-drano izay nasiam-panamboarana tamin'ny andron'ny sovietika, toy ny fitohanan'ny fiara miforona eny an-dàlamben'i Almaty sy ny faritra fonenan'ny mpanambola, ireo toeram-panorenana foto-drafitrasa sy ny faritra misy ireo mpivarotra ao afovoan-tanàna dia safotra avokoa. Ankoatry ny zava-niseho dia tsikerain'ny  mponina ny tsy fahampian'ny tambajotra mitondra rano sy ny fihazakazaky ny fanamboarana tanàn-dehibe ho an'ny tondradrano.

В сравнении с советской эпохой в разы увеличилась площадь поверхностей, не поглощающих дождевые воды – это крыши домов и строений, асфальтированные площадки и дороги. Арычная система, заложенная десятилетия назад просто не справляется теперь с этими объемами воды. Да и мусором она конечно местами забита, но основная причина это в разы возросшие объемы поступаемой ливневой воды.

Гость_гость 31 мая 2014 11:15

Raha ampitahaina tamin'ny andron'ny Sovietika dia nitombo isa ireo faritra tsy mitroka ranon'orana- tafotrano sy tranobe,  rarivato sy arabe. Tsy ampy ho an'ny habetsahan'ny rano intsony ankehitriny ireo fantsona, naorina folo taona lasa izay. [Olana iray hafa] tsentsin'ny fako ny lakandrano, fa ny tena olana dia mavesatra kokoa ny tondradrano amin'ny maha-tondradrano azy fotsiny.

Tashkent, Uzbekistan
Safodrano tamin'ny 30 May i Tashkent, renivohitr'i Uzbekistan izay misy mponina maherin'ny 2 tapitrisa. Anaty rano avokoa ny zavatra rehetra manomboka amin'ireo toerana fitobian'ny fiara ka hatramin'ireo faritra filalaovana raha fitohanana goavana amin'ny fifamoivoizana kosa no miforona manaraka ny sampanan-dàlana lehibe rehetra ao an-tanàna. Izao no nosoratan'i  Vyachesla maneho hevitra momba ny tatitra navoakan'ny Gazeta.uz

Наши дорожные службы просто облажались.Это не показухой заниматься. Где ливневая канализация? Где автомобили с насосами, которые бы откачивали воду из туннелей и подземных переходов?

Кого-нибудь накажут за это?”

Славик К. 30 Мая 2014 17:18

Mihitsoka ny rafi-pifamoivoizana eto aminay. Tsy fampisehoana ataon'ny PR ho an'ny manam-pahefana eto an-toerana anefa ity fa tena olana lehibe dia ny tsy maintsy hanehoan'izy ireo izay azony atao hanampiana ny tanàna hiatrehana ny orana. Aiza no toerana ivarinan'ny ranon'orana ? Aiza ireo fiarabe  afaka mitroka ny rano hivoaka ny tonelina sy ny fiarandalamby ambanin'ny tany ? Misy olona ho voasazy noho io ve ?

nWG6qJ14014500436488_o

Oram-batravatra tany Tashkent. Sary nalaina tamin'ny  vondrona Facebook ho an'ny daholobe Drivers of Tashkent.

Tsy eken'i Shukhrat Alymbaev, mponina iray hafa ao Tashkent, ny hoe ho afaka hiady amin'ny tondradrano  ny fiadidiana ny tanàna : 

Никто к такому не готов. Это природная стихия, так скажем «форс-мажор».Наверняка найдутся очень много критиков в пользу коммунальных служб. В самый разгар происходящего всего я по делам ездил по городу и лично сам видел, как все службы.

Шухрат Алимбаев 30 Мая 2014 18:23

Tsy misy olona tsara fiomanana ho amin'ny karazan'orana tahaka io. Singa voajanahary io, tsy azo anoharana. Betsaka ireo mitsikera ny tolotra ho an'ny daholobe ao amin'ny tanàna, nefa raha ny marina, hitako ankehitriny fa manao izay ho afany ry zareo hamahàna ny olana amin'ny fotoanan'ny tondradrano.

Raha vao nitsahatra ny orambe dia nanao tombana  ny fahasimbàna ny haino aman-jery Uzbek : hazo be dia be nianjera, fiara maro mifandona ary trano safotry ny rano, fa tsy nisy olona naratra na maty.  Ny any atsimo kokoa, any Tajikistan dia hatreo amin'ny fivangongoan'ny fiara manentsina ny làlana ihany ny loza. Fa ny tany Kyrgyzstan kosa dia nampihorohoro ny vokatry ny haratsian'ny toetr'andro, namoizana ain'olona iray, naharatrana iray hafa ary nandrovitra ny sainam-pirenena izay nanidina teny amin'ny kianjan'i Bishkek.

Bishkek, Kyrgyzstan
Nambaran'ny mpanolotsain'ny tanànan'i Bishkek tamin'ny 31 May :

В столице 30-31 мая в результате шквального ветра и дождливой погодой по городу Бишкек упало 16 деревьев, в основном — зеленые деревья, не имевшие признаков аварийности. В результате падения деревьев погиб 1 человек, пострадало 2 автомашины…поврежден флаг на центральной площади Ала — Тоо, также на отдельных участках города повреждены инженерные сети и ряд других объектов.

Hazo 16 no nianjera noho ny herin'ny rivotra sy ny orana tany Bishkek tamin'ny 30-31 May.  Olona iray no maty, fiara roa simba… rovitra ny saina tao amin'ny kianjan'i Ala-Too ary  rava ny ankamaroan'ireo  asan'ny jenia tao Bishkek sy zavatra maro hafa vokatry ny fianjeran'ny hazo.

2014-05-30_20-46-01_392596

Lehilahy iray maty nitsitra tao afovoan'i Bishkek tamin'ny 31 May rehefa nianjeran'ny hazo ny lohany Sary avy amin'i vb.kg/azzatyk. 

Haingana ny famalian'ireo mpiasam-panjakana any Bishkek ireo tsikera fa azo nialàna ny fahafatesan'ilay lehilahy tsy fantatra anarana ary vokatry ny tsy fandraisan'ny tanàna andraikitra : 

Для уборки упавших деревьев и высвобождения проезжей части улиц столицы организованы оперативные мобильные группы, которые убрали большинство упавших деревьев. Также организован объезд городских улиц для выявления аварийных деревьев. В настоящее время работы продолжаются.

Nisy fandaminanà ekipa afaka mivezivezy mba hanadio ny tanàna taorian'ilay oram-batravatra. Misy fikarakarana fijerena manokana atao an'ireo hazo izay atahorana ihany koa. Efa mandeha ny asa amin'izao fotoana izao.

Nanaitra ny mponin'i Bishkek ny tsy firaharahiana ny fahafatesan'ilay lehilahy. Heverina fa niandry ny fahatongavan'ny fiara fitaterana hita na aiza na aiza ao an-tanàna izy no tonga ilay rivotra be nanongotra ilay hazo teo akaikiny ka nianjera tampoka teo aminy. Nisy lehilahy anankiray nianjeran'io hazo io ihany koa saingy nentin'ny fiara mpitondra marary tany amin'ny toeram-pitsaboana ka avotra. Hanoherana ny fisafotofotoan'ny haino aman-jery sosialy hoe i Bishkek, nomem-boninahitra ho “tanàna maitso” nandritry ny vanim-potoana Sovietika, dia rakotra hazo antira miandry fotsiny ny hotapahana, nieritreritra [ru] ny olona iray naneho hevitra tao amin'ny tranonkalan'ny Vecherni Bishkek hoe: 

я ехала с работы в тот день в маршрутке, и она стояла почти 2 часа в пробке около 1000 мелочей, я ужасно злилась на весь  этот мир, а оказывается были жертвы этой непогоды, боже мой, теперь понимаю что это была такая мелочь, кто то потерял близкого человека(((

1, 2014-06-01 18:20:14

Nody avy niasa aho ary nijanona efa ho ora roa teo ho eo tao anaty fifamoivoizana teo akaikin'ny [ magazay] 1000 Small Things ( zavatra bitika an'arivony). Tezitra tamin'ny tontolo aho nefa hita fa nisy ny niharam-boina tamin'izany andro ratsy izany. Andriamanitra ô! izao vao fantatro fa tsy misy dikany ny [ zavatra niainako]  ary misy olona any namoy ny malalany (((

Na dia vitsy aza ireo mihevitra ny hiverenan'iny tranga andro ratsin'ny 30-31 May iny ao anatin'ny fotoana fohy, ho an'ny ankamaroan'ny mponin'ireo tanàna fototr'i Azia Afovoany kosa dia nanamafy ny finoana fa miaina amin'ny tontolon'ny fifanampiana ry zareo raha toa ka mihemotra manoloana ny loza kosa ireo mpiandraikitra ny fiainam-bahoaka.   Araka ny naminanian'i Aleksandr Tikhonov azy amin'ny fanehoany hevitra ao amin'ny gazeta.uz :

Службы у нас не работают на опережение таких событий… Конечно легче сказать, что «спасение утопающих — это проблема самих утопающих», но напрашивается вопрос, зачем нам государство, закон, различного рода органы управления??? 

Tsy miasa amin'ny toe-javatra tahaka ireny ireo mpiandraikitra ny fiainam-bahoakanay. Ekena fa mora ny miteny hoe :” olan'ny maty an-drano ny famonjena ny maty an-drano”,  saingy mampametra-panontaniana io hoe : nahoana isika no mila fanjakana, lalàna, ary karazam-pitantanana maro samy hafa ???

Police in raincoats take shelter in Almaty

Mpitandro filaminana manao akanjo fiaro orana mialoka any Almaty. Sary nakarin'i   @4144777 ao amin'ny Twitter

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.