Mampiasa Twitter ito Breziliana ito Mba Hanehoana Ny Fahasiahana Sy Ny Fanavakavahana Ataon'ny Mpampiasa An'ireo Mpiasa An-Tranony

Slave carrying a white child on her back, in 1870, Bahia. (Photo: Instituto Moreira Salles/Geledés)

Andevo mibaby zaza fotsy hoditra tamin'ny taona 1870 tao Bahia, any Brezila. Sary nahazoana alàlana tamin'ny Instituto Moreira Salles/Geledés

[Mitondra amin'ny fiteny Portigey ny ankamaroan'ny rohy, raha tsy misy filazàna ny mifanohitra ny amin'izany..] 

Tamin'ny herinandro lasa teo, nanomboka namerina nandefa hafatra fohy mahatohina, masiaka ary feno fanavakavahana alefan'ireo mpampiasa an-trano Breziliana indray ny kaonty Twitter @aminhaempregada (ny mpiasa an-tranoko).

Manome topimaso amin'ny fahavoazana ara-tsosialy, ny fanavakavahana ary ny tsy fahaizana manakatra ny fihetseham-pon'ny hafa izay miseho ao amin'ny fiarahamonina Breziliana ilay kaonty amin'ny fiteny Portigey, indrindra ny toetran'ny olona amin'ireo mpiasa an-trano. Misy mpanaraka efa miisa eo ho eo amin'ny 10k eo ilay kaonty hatreto. 

Araka ny Ivontoerana Breziliana misahana ny jeografia sy ny antontanisa (IBGE), vehivavy avokoa ny 92 isan-jato amin'ireo mpikarama an-trano miisa 7.2 tapitrisa, ary amin'ireo vehivavy ireo, mainty hoditra ny 60 isan-jatony. 

Naorinà ooona iray manampahaizana amin'ny dokambarotra, 33 taona, avy ao Sao Paulo, tsy tia ho fantatra anarana, ny kaonty Minha Empregada. Maro amin'ireo famerenana hafatra fohy avy amin'ireo mpampiasa no mampiseho ny fanavakavaham-bolon-koditra rehefa mitaraina momba ireo mpiasa an-tranony izy ireo:

Ny mpiasa an-trano no karazana olona mainty tsara indrindra.

roa taona izay no niasa tato ny mpiasa an-tranoko, ary mainty izy, mivovo foana ny alikako rehefa mahita azy… izaho koa torak'izay.

Na izy ireo manana fomba fijery manambany an'ireo mpiasa nalaina tany amin'ny faritra avaratra atsinanan'i Brezila, faritra anisany mahantra indrindra:

Ny tsy fandraisana tsara ny olona avy any amin'ny firenena hafa no atao hoe fanavakavahana…Izaho izao manaiky ny mpiasa an-tranoko ao Sao Paolo, ary avy any amin'ny faritra avaratra atsinanana izy…Hahahah

Ny sasany amin'ireo hafatra fohy, mampiasa fomba fiteny manambàny mitaraina momba ireo mpiasa an-tranony, na manao izay mahamenatra azy ireo:

Ato amin'ny efitra misy fitaovana fanivanan-drivotra mandeha amin'ny herinaratra aho izao, nikatona ireo varavarana, tonga avy any ilay MPIASA AN-TRANOKO ADALA iny, raha tokony handondona ny varavarana izy, tonga dia novohainy tsotra izao ilay izy.

Ny sasany ary mandrahona ny hampiasa hesisetra mihitsy:

Tsara vintana aloha ny mpiasa an-tranoko hoe tonga tara tao an-trano aho…fa miandry ny hahatratrarako ny lohan'iny aho ary hasidiko amin'ny daka be eo amin'ny hatony.

Ny sasantsasany amin'ireo fitsaràna ny hafa

Tahaka ny anehoan'ny mpamorona ilay kaonty ao anatin'ny sasany amin'ireo  hafatra fohiny, maro amin'ireo olona no naka ireny famoahany ireny, nanao izay mahamenatra ireo mpiasa an-tranony, ary miezaka ny manamarin-tena sy mandà ho tsy mpanavakavaka izy ireo.  Ny Twitter sasany – toy ny @NãoSouHomofóbico (Tsy manaratsy ireo lahy samy lahy na vavy samy vavy miaraka aho) ary koa ny @NãoSouRacista (Tsy mpanavakavaka aho) – manamarina ny fahasahiranan'ny Breziliana hiala amin'ny fanavakavahanyny firehana ara-pitiavana ary fomba fitsaràna olona hafa koa. 

Lahatsoratra iray navoakan'ny gazetiboky mirona amin'ny elatra havia Carta Capital ary naverin'ny Ivon-toeran'ny Vehivavy Mainty Hoditra Geledés navoaka no manasongadina mazava tsara ny elanelana ara-tsosialy ao ambadik'io olana io: 

A contratação de trabalhadores domésticos em larga escala é consequência do atraso social de um país. O fato de que existem pessoas que ganham o suficiente para que outra pessoa faça o serviço que ela própria poderia fazer demonstra o abismo da desigualdade social de uma nação. A proporção da existência deste tipo de trabalho se dá na medida que houver, de um lado, um excedente de mão-de-obra desempregada e sem qualificação para outros tipos de serviço, e de outro, uma classe que ganha o suficiente para comprar a força de trabalho de outra pessoa.

Vokatry ny fahataràn'ny firenena iray amin'ny lafiny ara-tsosialy ny fanakaramàna mpiasa an-trano maro be. Mampiseho tsy fitoviana lehibe eo amin'ny lafiny sosialy ny fisian'ny olona afaka manana ny ampy tsara [vola], ka ny olona hafa no manao ny raharaha afaka ataony. Manamarika ny tsy fitoviana ny haben'ny fisian'io karazan'asa io, fa eo ankilany, maro loatra ireo mpiasa tsy manana mari-pahaizana manokana mba hanao karazan'asa iray hafa, ary eo andaniny, ireo kilasin'olona manana ny ampy ka mividy ny hatsembohan'ny sasany hanao ny asa eo amin'ny toerany.

Noravàn'i Brezila tamin'ny taona 1888 ny fanandevozana, raha izy no lasa firenena farany tany amin'ny faritra Andrefana [en] nanao izany. Na dia izany aza, maro amin'ireo vehivavy vao nahazo fahafahana no manao fitadiavam-bola amin'ny fiasàna an-trano satria tsy mahazo fampianarana na fanofanana arak'asa, lova izay mbola mitohy hatramin'izao ankehitriny izao.

Nihatsàra ny toeran'ireo mpikarama an-trano ao Brezila rehefa nandeha ny taona. Ankehitriny, vitsy dia vitsy amin'ireo mpiasa an-trano no mipetraka ao amin'ny tranon'ny mpampiasa azy (izay toerana tokony hahavonona azy amin'ny fotoana rehetra, andro sy alina), ary noho izany lasa mahaleotena kokoa sy afaka mametra karama ambonimbony kokoa amin'ny asa ataony izy. Na dia izany aza, mbola mitohy hatrany ny toetra tsy fahalalam-pomba sy fanambaniana ireo mpikarama an-trano.

Tamin'ny taona lasa teo, tao aorian'ny adihevitra nampalahelo, voalohany izao vao nanaiky ny hanova ny lalàm-panorenany i Brezila, mba hiarovana ny zon'ireo mpikarama an-tranoNa dia efa nolanian'ny Antenimieran-doholona aza ny lalàna, mbola miandry hofidian'ny ao amin'ny Antenimieran'ny Solombavam-bahoaka izany, ary aorian'izay vao afaka ampiharina.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.