SARY: Olona Niisa 20.000, Nanao Fihetsiketsehana Tao Makaô, Nanohitra Ny ‘Volavolan-Dalàna Hanangonan-karena Hatrany Sy Tombontsoa’

Thousands of anti-greed bill protestors gathered at Tap Seac Square before the rally started. Photo from All About Macau Facebook page. Non-commercial use.

Mpanao fihetsiketsehana an'arivony maro manohitra ny volavolan-dalàna fanangonan-karena bebe kokoa hatrany, nifamory teo amin'ny Kianja Tap Seac alohan'ny fiandohan'ny diabe. Sary avy tamin'ny pejy Facebook “All About Macau” (Izay rehetra momba an'i Makaô). Fampiasaina tsy itadiavam-bola.

Maherin'ny 20.000 ny mponin'i Makaô niaraka nanao fanoherana tamin'ny Alahady 25 May 2014, noho ny volavolan-dalàna iray izay hahazoan'ireo mpiasam-panjakana ambony tombontsoa rehefa tsy eo amin'ny toerany intsony izy ireo, ary manala tanteraka ny lehiben'ny governemanta amin'ny raharaha maizina nataony sy tsy ahafahana manenjika azy araky ny lalàna mandritra ny fotoam-piasàny.

Manana vahoaka miisa eo amin'ny 500.000 eo ho eo i Makaô, faritra manana rafim-pitantanana manokana ao Shina. Mahatratra 4 isan-jaton'ny fitambaran'ny vahoaka ny mpanao fihetsiketsehana, io no fihetsiketsehana lehibe indrindra, hatramin'ny namerenana hotantanan'i Shina ity zanatany Portioge taloha ity tamin'ny 1999. Nahagaga ny maro ny hatezeran'ny daholobe, tsy dia matanjaka loatra mantsy ny antoko mpanohitra ao amin'io tanànan'ny lalao sy loka io, ary mpanohana mahafatrapo sy bolokin'ny fitondrana ireo mediam-bahoaka no sady tohanan'ny governemanta ara-bola ihany koa.

Ny mpitantsoratry ny Fiadidiana Ara-panjakana sy ny Fitsarana ao Makaô no nandrafitra ilay volavolan-dalàna, efa iray volana lasa, izay noeritreretina holaniana ny Talata 27 May 2014, ary natolotra tsy nisy fakàna ny hevitry ny vahoaka akory. Hanome zo tsimatimanota tsy ho azo henjehina any amin'ny fitsaràna ny lehiben'ny mpanatanteraka, araka ny fiantso azy hoe lehiben'ny governemanta, io lalàna io raha mahavita heloka bevava mandritra ny fotoana maha eo amin'ny toerany azy. Miantoka ihany koa io ny hitohizan'ny karaman'ny lehiben'ny mpanatanteraka miala amin'ny toerany, sy ireo mpiasam-panjakana voatendriny, izay handray vola isam-bolana mitovy amin'ny 70 isan-jaton'ny karamany ankehitriny na dia tsy eo amin'ny toerany intsony aza izy ireo. Nanamafy ilay mpitantsoratra fa hevitra entina hisintonana ireo mpandraharaha mahay sy matanjaka hanatevin-daharana ny governemanta io volavolan-dalàna io.

Amin'ny faran'ny taona 2014 ny fifantenana izay ho lehibe vaovaon'ny mpanatanteraka, ary aorian'izay, miala amin'ny toerany ihany koa ireo mpiasam-panjakana ambony notendrena. Maro ireo mino fa natao manokana ho an'i Fernando Chui Sai-on, ilay Lehiben'ny mpanatanteraka, sy ireo mpiasam-panjakana ambony hiala eo amin'ny toerany io volavolan-dalàna io, satria ireo no tonga dia higoka sy hahazo avy hatrany ireo tombontsoa vaovao ireo. 

Na dia mampisy resaka be aza io volavolan-dalàna io, mbola atosiky ny fitantànana handany azy io ihany ny filankevitra mpanao lalàna. Nofidiana tsy tamin'ny fomba mivantana fa nalaina tamin'ireo vondrona amperin'asa, na notendren'ny filohan'ny mpanatanteraka ny ankamaroan'ireo mpanao lalàna ireo.

Mba hanerena ny governemanta hanala io volavolan-dalàna io, nisy vondrona olom-pirenena antsoina hoe ” Makaô Tonga Saina” nikarakara diabe ho fanoherana ilay “Volavolan-dalàna Hanangonan-Karena Hatrany sy Tombontsoa.”

Nanontany iray tamin'ireo mpanao fihetsiketsehana ny haino aman-jery tsy miankina “All About Macau” tao amin'ny vondrona Facebook-ndry zareo, momba izay antony nandraisany anjara tamin'io diabe io:

市民林小姐認為特首在有可能臨離任的時候通過這個法案,是「打劫澳門市民」,根本是與民為敵;

Mieritreritra i Ramatoakely Lam fa ny lehiben'ny mpanatanteraka izay higoka io tombontsoa rehefa miala amin'ny toerany io dia “mandroba ny olom-pirenen'i Makaô” ary mametraka ny tenany ho fahavalom-bahoaka.

Maro ireo naneho ny hatezerany tamin'ny fitondrana takelaka sy lamba nandritra ny fihetsiketsehana.

 A protest placard showing the Macau Chief Executive's face on a underworld bank note. The slogan on the placard is:  A monthly salary more than 200 thousand dollars [about 25 thousand US dollars] wanted out-going compensation? Impotent officials are out of their mind! Photo from All About Macau Facebook Page

Mpanao fanoherana iray mitazona takelaka misy ny sarin'ny lohan'ny lehiben'ny mpanataneraka eo amin'ny vola tsy tena izy. Mivaky toy izao ny tsangan-kevitra eo amin'ny takelaka: “Karama isam-bolana mihoatra ny 200.000 pataca [eo ho eo amin'ny 25.000 US dollars] takiana ho tamby amin'ny fialana amin'ny toerana? Tsy misaina mihintsy ireo mpiasam-panjakana ambony tsy mahavita azy!” Sary avy tamin'ny pejy Facebook-ny vondrona “All About Macau”

Young people stand out and say no to the Bill of Greeds. Photo from All About Macau Facebook page. Non-commercial use.

Ireo tanora manao hoe TSIA amin'ilay “Volavolan-dalàna fangalam-bola.” Sary avy amin'ny pejy Facebook-ny vondrona “All About Macau”. Fampiasàna tsy itadiavam-bola.

Protestors stick  the face of Secretary for Administration and Justice, Florinda Chan Lai-man, onto a pig-shape placard to mock at her greed. Chan is the drafter of the bill. Photo from All About Macau's Facebook page. Non-commercial use.

Napetrak'ireo mpanao fihetsiketsehana tamin'ny takelaka miendrika kisoa ny sarin'ny lohan'i Florinda Chan Lai-man, sekreteran'ny fitantanan-draharaha sy ny fitsaràna . I Chan no nandrafitra ilay volavolan-dalàna. Sary avy tamin'ny pejy Facebook -ny vondrona “All About Macau”. Fampiasàna tsy itadiavam-bola

A young man staged the PK body posture against  the Greed Bill in the protest. PK posture is an bodily expression of absurdity among youngster in East Asia.] Photo posted by Facebook user Ar B Cheong. Non-commercial use.

Tanora iray manao ny endriky ny vantana antsoina hoe PK, izay fantatra amin'ny fitslaniana na fitsorana mahitsy, mba hanoherana ilay volavolan-dalàna nandritra ilay diabe. Entina hanehoana hadalana ilay endrika, ary fanaon'ireo tanora any Azia Atsinanana. Sary nalefan'ny mpampiasa Facebook iray Ar B Cheong. Fampiasàna tsy itadiavam-bola

Tao aoriana kelin'ilay diabe, maromaro ireo mpamolavola lalàna mpanohana ny fitondrana ary ireo mpanolo-tsaina mpanatanteraka, nanambara tamin'ny haino aman-jery fa hiteny ny filohan'ny Filankevitra  Mpanao Lalàna izy ireo mba hanangana kaomity hiandraikitra ny fandinihana ilay volovolan-dalàna. Miaraka tamin'izany, ireo mpikarakara ny diabe “Makaô tonga Saina” nanambara fa handray fepetra izy ireo raha lanian'ireo mpanao lalàna io volavolan-dalàna io ny Talata 27 May 2014.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.