GV Face: Ny Vahoaka No Herin'ny Vonjitaitra Noho Ny Tondradrano Ao Serbia



Tafatafa an-tserasera amin'ny Google Hangout ny Zoma faha 22 May (3:30pm GMT/UTC)

Trano fonenan'ny mponina aman'alinano difotry ny rano taorian'ny tondradrano lehibe tao Serbia. Nahatonga ny mponina tsy hiankina afa-tsy tamin'ny tenany ihany tamin'ny lafiny maro ny fitavozavozàn'ny governemanta, soa fa mitombo hatrany ny fandraisanan'andraikitry ny olon-tsotra eo amin'ny fifanampiana sy ny fampitam-baovao ho an'ny vahoaka manontolo. Mandritra izany fotoana izany, norahonan'nymanampahefana ireo tambajotra sosialy, ny haino aman-jery, ary na ireo olo-manan-kaja aza ho “mamboly korontana”  ao anatin'ny fotoana izay tena ilàna mafy ny hisian'ny fampitam-baovao misimisy kokoa sy tsara kalitao. Fa inona no mitranga?

Tao amin'ny GV Face tamin'ity herinandro ity, dia niresaka tamin'ny namantsika tany Serbia izahay, anisan'izany ny mpamoaka lahatsoratrantsika any Eoropa Afovoany sy Atsinanana, Danica Radisic, mba hakàna ny hevitry ny mponina ao an-toerana mikasika io vaovao io.

Vakio ihany koa: Tondradrano Any Serbia : Noraisin'ny Serba An-tànana Ny Famonjena Ireo Tra-Boina An'Aliny

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.