Fampitovian-danja Ny Hafainganana Sy Ny Fahamarinam-Baovao Hisorohana Ny Vaovao Diso Ao Amin'ny Media Sosialy

Misinformation spreads like wildfire. How can you avoid the trap? 

Mihanaka tahaka ny afo tsy voafehy ny fandisoam-baovao. Ahoana no isorohanao izany fandrika izany ?

Satria mbola fitaovana lehibe indrindra hoan'ny mpanoratra gazety (sy ny tsirairay avy) ny media sosialy mba hanangonam-baovao, miatrika fanontaniana mbola mitoetra isika: ahoana no ahafantarana fa marina izay zavatra vakiantsika ao amin'ny media sosialy?

Miankina amin'ny media sosialy isika amin'ny fitadiavam-baovao, saingy rehefa miely haingana dia haingana ny tsaho sy ny vaovao diso, dia mety hiteraka olana goavana izany, tahaka izay nitranga taorian'ny baomba nipoaka tamin'ny marathon tao Boston, na nandritra ny hetsika Lohataona Arabo koa taona vitsy lasa izay ary ny ady mitranga ao Syria amin'izao fotoana izao. Mba hahafantarana tsara izay zava-mitranga sy izay vaovao marina, dia tokony hanamarina aloha isika.

Screen shot 2014-05-20 at 13.48.24

Checkdesk, dia tetikasa natombok'ilay fikambanana tsy mitady tombontsoa ara-bola Meedan, ny fiadiana amin'ity olana (vaovao diso miparitaka) ity no tanjon'ny tetikasa. Niresaka tamin'i Dina El Hawary avy ao amin'ny Checkdesk ny Rising Voices vao haingana izay mba hahafantatra bebe kokoa mikasika ny tetikasa sy ny antony maha-zava-dehibe ny fanamarinam-baovao.

Avy amin'ny habaky ny Checkdesk :

Checkdesk is a liveblogging tool for journalists, with built-in tools to allow citizen journalists and staff journalists alike to make and verify reports. Anyone from the newsroom community can submit a report — a Tweet, a photo, video or other type of media — and add details that bring important context to the report. 

Fitaovana famahanam-bilaogy mitantara mivantana zavamisy hoan'ireo mpanoratra gazety ny Checkdesk, izay ahitana fitaovana ampy ahafahan'ireo mpanoratra gazety olo-tsotra sy matihanina mamoaka sy manamarina vaovao. Ny ekipa ao amin'ny efitra fanoratan-gazety rehetra dia afaka mandefa vaovao (sioka, sary, lahatsary na karazana fampitam-baovao hafa) ary mametraka fanazavana fanampiny mitondra ny zavamisy manodidina ilay vaovao.

Natokana hoan'ny trano fanoratan-gazety, bilaogera na izay rehetra mampiasa fampitam-baovao an'olo-tsotra koa ny tetikasa, manangana sehatra fanangonam-baovao avy amin'ny fitaovana hafa ary mampiasa izany vaovao izany hamoahana lahatsoratra sy vaovao farany. Miankina amin'ny fanamarinan'ny besinimaro na fanaraha-maso ifarimbonana izany mba hanamarinana ny tati-baovao.

Rehefa mandefa vaovao hohamarinina ny trano fanoratan-gazety iray, dia afaka manampy domberina (fanehoan-kevitra) na antsipirihany amin'ny tatitra ireo mpiserasera hafa. Afaka manamarina izay zava-nitranga na manohitra ny vaovao ireo vavolombelona nahita maso na olona nahafantatra tsara ny zava-nisy. Misokatra hoan'ny rehetra ny fanamarinam-baovao, ahafahan'ireo hafa mahita ny fizotry ny fanamarinana ihany koa. Miankina amin'ny fikambanana (fiaraha-monina) ny fanamarinana.

Hita ao amin'ny Github, sehatra fizarana rindrambaiko misokatra hoan'ny rehetra, ihany koa Checkdesk ary nomarihany tao amin'ny firotsahany hifaninana ao amin'ny Knight News Challenge vao haingana fa tanjon'izy ireo ny hahamora ny fikirakirana sy ny fizarana azy, singa amin'ny tetikasa ahafahana manatsara ny vokatra farany, hoy i El Hawary.

Ampisaina amin'ny alalan'ny fiaraha-miasa ny habaka ankehitriny ary miasa miaraka amin'ireo media avy amin'ny firenena samihafa miteny Arabo :

Nampiofana olo-tsotra mahaleotena sy olo-tsotra mpanoratra gazety mikasika ny fampiasana ny Checkdesk ao amin'ny manodidina azy ireo mpiara-miasa ireo mba hananganana vondron'olona afaka manampy amin'ny fanamarinam-baovao. Fanampin'izany, namolavola tetikasa fitaratra ao amin'ny Oniversite Amerikana Libaney ao Beirota izy ireo miampy fampianarana asa fanoratan-gazety fanadihadiana hampivelarana hatrany ny habaka – sy ny hanitarana ny tetikasa any amin'ny oniversite maro hafa, hanomanana taranaka mpanoratra gazety vaovao mahafantatra tsara ny maha-zava-dehibe ny fanamarinana ny zava-mitranga.

Noresahana vao haingana tao amin'ny Bokikelin'ny Fanamarinam-baovao navoaka vao haingana ihany koa ny Checkdesk, izay nandray anjara tamin'ny fanadihadiana tranga iray niarahana tamin'i Shahab Suria. Miara-miasa amin'ireo mpamoaka lahatsoratra ihany koa ny Checkdesk mba handika ilay bokikely ho boky elektronika (e-book) amin'ny teny Arabo ary voaaro amin'ny zon'ny mpamorona. Farany, nilaza izy ireo fa: « ny Checkdesk dia natokana hiresahana ny iray amin'ireo fanamby goavana momba ny famoaham-baovao amin'izao vanim-potoan'ny nomerika izao: ny fandanjalanjana ny hafangainana sy ny fahamarinan'ny tranga. » 

Mampiseho ny fomba fiasan'izany rehetra ny lahatsary :

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.