Tselika Saingy Imasom-bahoaka, Vehivavy Iraniana Manala Ny Voaliny Ety Anaty Aterineto

Unveiled at the sea

Vehivavy Iraniana an'arivony no nampiasa ny vintany nampiasa aterineto sy nizara ny sarin'izy ireo tsy misaron-doha ho toy ny fihetsika fihantsiana rehefa noterena hisaron-doha na hanakon-tava nandritra ny folo taona rehefa noterena am-polotaona maro mba hisalobon-doha fa raha tsy izay dia samborina.

Nalaza be ilay fanentanana amin'ny aterineto  “Stealthy Freedoms of Iranian Women na Fahalalahana  tselik'ireo vehivavy Iraniana” hatramin'ny nanokafan'i Masih Alinejad, Iraniana mpanao gazety, ny  Pejy Facebook tamin'ny 3 May.

Maherin'ny 303.000 ireo mpankasitraka ilay pejy ary nandefa sarinà vehivavy an-jatony tsy misaron-doha — eny an-tokotanim-pianarana, eny amoron-dranomasina, eny an-dàlana ary any amin'ny toerana maro manan-tantara any Iran.

Zaraina ao amin'ny tenifototra hoe #mystealthyfreedom na #آزادی‌یواشکی amin'ny alàlan'ny haino aman-jery sosialy Persiana ireo sary ireo. 

Manala ny voaliny  manoloana ny biraon'ny Ayatollah Lehibe iray ity vehivavy sahisahy ity

Masih Alinejad, amin'izao fotoana izao mipetraka any Royaume-Uni, no mandefa ny sariny tsy misarom-boaly amin'ny Twitter tamin'izy tany Iran. Lazainy fa tsy manohitra ny ‘hijab’ izy fa manazava fa amin'ny maha-vehivavy, rehefa tsy inoanao ny tsy maintsy anaovana izany, dia hamorona ” fahalalahana tselika” ho anao ianao mba tsy ho ravan'ny vesatry ny faneriterena. 

Manarona ny feon'ny fieritreretako sy ny asako ny hijab-ko, fa tsy ny lohako

Cool breeze blowing through my hair

Sary ao amin'ny pejy Facebook-n'ny My Stealthy Freedom.

Vehivavy iray mizara sary iray sy ny traikefany ao amin'ny pejy Facebook-n'ilay fanentanana:

Tanatin'ny fialantsasatry ny Nowruz ( ny taom-baovao Persiana) tany Abadan izahay. Tsy zakako ny hafanana ary dia nesoriko tsy nahy ny sarondohako. Sady izao koa e, tsy afa-misaraka amin'ny fandehanana ny fangalàna sary.

Fa ny tena nahafaly ahy noho ny rivotra malefaka nitsoka tamin'ny voloko dia ny fandrenesana ny feo mirindran'ny fanairana ataon'ny fiara mandalo ( toy ny hoe mandrisika azy) sy ny endrika miran'ireo namako taitaitra.

Na dia Iraniana mpikatroka mafàna fo marobe aza no niarahaba io fanentanana io dia nisy ihany ny nitsikera izany. Ny sasany mino fa tsy tokony ho voalohany amin'ny olana ara-politikan'ny vehivavy iraniana ny fanerena azy hanao hijab, raha olana ho an'ny hafa kosa ny teny hoe “tselika”.

Jila Baniyaghoub, mpanao gazety monina any Iran dia nanoratra hoe ” rehefa lazaina fa tselika ny zavatra iray dia tsy afaka ambara ho fahalalahana intsony. Raha eritreretintsika ho sambatra isika amin'ny alàlan'ny fahalalahana tselika dia tsy hisy hikatsaka intsony ny fahalalahana.”

Ankoatry ny famoronana adihevitra goavana eny anivon'ireo Iraniana eo amin'ny tontolo nofinofy, dia nahatonga resabe any amin'ny haino aman-jery any ivelany ihanykoa ilay fanentanana, miaraka amin'ireo tantara vaovao marobe tsy ho voatanisa momba ilay fanentanana sy ny zioga iainan'ireo vehivavy Iraniana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.