Nahazo Mpitarika Vaovao Ny Mpilalao Cricket Any Antilles Andrefana, Ary Ahoana Ny Momba Ny Kaomity Mpitantana?

Nisy fiovana lehibe farany teo amin'ny lalao Cricket tany Antilles Andrefana. Nanambara ny kaomity mpitantana ny lalao Cricket tany Antilles Andrefana fa i Dinesh Ramdin no handimby an'i Darren Sammy ho kapitenin'ny ekipa andrana. Nalaky naneho ny fanohanany ny kapiteny vaovao i Sammy:

Arabaina i Ramdin fa voatendry ho kapitenin'ny ekipa andrana. Mpirahalahy Andriamanitra sy ny hafainganana satria ianao te-hitondra antsika hiroso kokoa. Misaotra ny rehetra tamin'ny fanohanana.

Namboraka izy fa hitsahatra amin'ny lalao fitsapàna cricket (Na izany aza, mbola hanohy ny filalaovana azy io izy, fa amin'ny endriny fohy, ary mbola mitazona ny maha-kapiteny azy ao amin'ny ekipa T20, izay ahitana ekipa roa mpifanandrina samy manana alàlana hanipy sy hikapoka baolina indray mandeha monja ankoatran'ny fanipazana baolina  in-20). Avy hatrany dia naneho ny heviny mikasika io vaovao io ireo mpankafy:

Mampalahelo ny maheno ny fametraham-pialàn'i Darren Sammy eo amin'ny lalao fitsapàna – Cricket.

Io fanapahan-keviny io dia tsy nahagaga loatra ny mpijery izay, raha nankasitraka ilay kapitenin'ny eikpa andrana teo aloha noho ny toetsainy manana fanantenana hatrany, nanontany tena ihany raha mety ho vitan'io kapiteny io ny hampakatra ny ekipa ho amin'ny toerana mendrika kokoa.

Raha ny momba an'i Ramdin indray, nanome soso-kevitra ny mpampiasa Twitter iray hoe tokony hanana kaonty twitter iray mifanaraka tsara amin'ny toerana misy azy ilay kapiteny vaovao:

 

i Dinesh Ramdin izao no kapitenin'ny WI – ekipa andrana, tena  mila manova ny kaontiny twitter mihitsy izy. Sa tsy izany?

Tsy dia taitra tamin'io fanendrena kapiteny vaovao io indray anefa ny olona sasany:

Lolol murda RT @TARA_CR7 Tsy mampino ny nanendren'izy ireo an'i Ramdin ho kapiteny…rariny ve izany?

Maro tamin'ireo tafatafa teo amin'ny aterineto no nitodika kokoa tany amin'ny fomba fanatanterahan'ny Kaomity mpitantana ny lalao Cricket ao Antilles Andrefana sy ny fomba mety handraisan'ny mpilalao ny vaovao momba ny anjara asany vaovao. Nanamarika ity  mpampiasa Twitter ity fa tsara lavitra nohon'ny nahazo ny kapitenin'i Antilles Andrefana teo aloha ny nanjo an'i Sammy:

Tamin'ny taona 2001, votsotra tamin”i Jimmy Adams ny maha-kapitenin'ny ekipa andrana tao Antilles Andrefana azy. Mpanao fanadihadiana tamin'ny fahitalavitra no nilaza izany taminy.

Tao amin'ny Facebook, nino i Christopher Gray fa tokony efa nahita ny fambara rehetra i Sammy ary tokony tonga dia nametra-pialàna nialoha izy:

[Tsy dia] misy dikany na iza na iza no kapitenin'ny ekipan'i Antilles  Andrefana, mitovy ihany tsinona ny vokatra azo. Fa tena [efa] ela  no tokony nametra-pialàna izy satria fanehoana tsy fanajàna azy ny fomba fitondra azy ankehitriny, [votsotra taminy ] ny [toerana maha-kapiteny] ny ekipa andrana azy sy [ny lalao iraisam-pirenena anatin'ny iray andro] ary tena [fantany] tsara anefa fa mety hitranga izany.

Nankasitraka ny fanapahan-kevitr'i Sammy hametra-pialàna i Wayne Pilgraim-Cadogan na dia tsapany aza fa ela loatra izany:

Tsara izany, tokony nisaotra ny kaomity ianao taorian'ny zavatra nataon'izy ireo tamin'ny taona lasa. Ny karatra no fitaovana ampiasain'izy ireo hanambarana ny fandroahana mpilalao iray. Inona moa no antenainao, tafiditry ny politika be loatra ny lalao cricket.

Nampiany hoe ankehitriny, manome alalana ny mpilalao rehetra hitady fivelomana fa tsy miankina amin'ny kaomitim-pirenena ny lalao cricket T20:

Mandehana ary milalaova IPL eran'izao tontolo izao ary ilofosy mafy ny fandraharahànao toy ny maha-mpilalao 20/20 anao, betsaka ny mila anao. Mitadiava vola dieny mbola afaka ianao ary mahaiza mampiasa izany am-pahendrena tsara. Farafaharatsiny ianao tsy ho toy ny sasany teo alohanao sy nandanindany fahatany ny volany rehetra. Efa tonga tamin'ny toerana ambony indrindra ianao amin'ny maha- mpilalao anao, betsaka ireo teo alohanao no tsy nahatratra io tanjona ny ho lasa kapitenin'ny ekipan'i Antilles  Andrefana io.

Araka ny hevitr'i Xav Bagga Williams dia  tsara ny asa vitan'i  Sammy kanefa efa fotoan'ny fiovàna izao:

Tena mpankafy an'i Sammy aho ary nilaza foana aho fa tsy nilaina natao fitsapàna akory izy, nanao izay ho afany izy ary mankasitraka azy aho nefa efa tokony handroso isika ary mirary ny tsara indrindra ho an'i Ramdin aho…Fantatro fa hiasa tsara izy.

Mpankafy maro hafa no efa mifantoka amin'ny ho avy. Manam-panantenana lehibe i Zimron Bibby ny momba an'io kapiteny vaovao io sy ny fandrosoan'ny ekipa hatrany:

Resaka marina ity, tena tsara ary tamim-pahamarinana ny asa vitan'i Ramdin nitarihany an'i Trinidad sy Tobago ary tena vitany ny nitarika ny ekipan'i Antilles Andrefana (WI), tokony ialàntsika amin'izay ny fanambaniana ny ekipan'i Antilles Andrefana (WI) ka hanomboka hanome voninahitra azy ireo, ny mpifantina dia efa nitsimpona ekipa iray tsara ofana izay mahavita mandresy ny Kiwis ary [ho] hisafidy ireo 11 mpilalao mahay indrindra izay mety mahavita io asa io.

Nisaotra an'i Sammy i Jr Cools  tamin'ny hafatra nalefany:

Nahafinaritra ahy ny nijery ny mpilalaon'i Antilles Andrefana niha-nivoatra hatrany nandritry ny taona maro, ary anisan'izany i Sammy. Manantena aho fa hahay hampiasa tsara ireo mpilalaony ny WICB ary hampiasa vola [amin’] izy ireo. Ny mpilalao foana aloha no jerentsika voalohany fa tsy ny fomba fitantanana rehefa misy fanakianana ny ekipa eo amin'ny endrika rehetran'ny lalao. Inona avy ireo zavatra tsara nataon'ny kaomity mpitantana ny lalao cricket ka tsy vitan'ny WICB nakàna lesona hatramin'izao? Misaotra tamin'ny asa vitanao ry Sammy.

Farany moa, tsy tsinjon'i Miguel Headley ny tena anton'ny nanaovana io resaka io ho lasa tantara be, tamin'ny fanohanana fa tsy manan-danja toy ny hatramin'izay ny lalao andrana cricket maneran-tany:

Maty ankehitriny ny lalao andrana Cricket…Ny fifanandrinan'ny ekipa Anglisy sy Aostralia (Ny zavatra navelan'izy ireo) ihany sisa no ankalazain'ny haino aman-jery…Na ny mpilalao avy any Antilles  Andrefana aza tsy miraharaha ny lalao cricket andrana akory.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.