Ady An'Habakabak'i Rosia, Ety An-Tany

Dmitry Rogozin is orbiting the Earth in lieu of a GPS satellite. An artist's depiction. Images remixed by Andrey Tselikov.

Manodidina ny Tany misolo ny satelita GPS i Dmitry Rogozin. Sary nataonà mpanakanto iray ary namboarin'i Andrey Tselikov.

Tamin'ity herinandro ity, nampisahotaka i Dmitry Rogozin, mpanao politika tsara tarehy fa ratsy fanahy miandraikitra ny indostria miaramila any Rosia rehefa nilaza fa [ru] manomboka amin'ny 1 Jona 2014 dia mety hanidy ireo “toeram-pifandraisan'ny GPS” ao amin'ny taniny i Rosia, raha tsy hoe,  takalon'izay, manaiky hampiantrano toeram-pifandraisan'ny GLOSNASS ( fiantso ny GPS amin'ny Rosiana) any Amerika i Etazonia. Tonga any amin'ny Twitter ny vaovao, toerana nivoaran'ny tantara amin'ny endriny manokana — , indrindra fa tsy manampy amin'ny fanadihadiana lalina ireo vaovao aparitaka amin'ny alàlan'ny fehezanteny kely ao amin'ny tambajotra sosialy. 

Na dia natao ” hanamarinana” famantarana aza ireo toby nolazain'i Rogozin, ary tsy tokony ho tonga hatrany amin'ny fanakatonana ny sampan-draharahan'ny GPS any Rosia akory, efa azon'ireo mpitoraka bilaogy madinika an-tsaina fa izay mihitsy no zavatra mety hiseho. 
Tonga amin'ny fetra ambonin'ny fisalasalàna ny vahoaka izay manery an'i Rogozin hanazava ao amin'ny Twitter fa “tsy misy fiantraikany amin'ny kalitaon'ny” famantarana GPS ilay fanakatonana.

Fantatra amin'ny fampiasany ny Twitter ho toy ny vovonana fanaovana fanambarana mahamenatra i Rogozin ; nobitsihany tamim-piheboheboana fa hatakalony ireo tombontsoa “any anaty faritra voaaro” miaraka amin'ireo mpampisara-bazana Slavyansk any Okraina ny toerany rehetra ao amin'ny fitondrana. Nahatonga ny iray amin'ireo hatsikana tsara indrindra momba ny resaka GPS izany :

Nambaran'i Dmitry Rogozin fa tsy misy ilana azy ny GPS  – isaky ny mitady ho tonga any anaty faritra voaaro Slavyansk izy dia entin'ny GPS any Tuscan villa.

Na dia mety hiova be aza ny kalitaon'ny famantarana dia azo eritreretina fa mety hitotongana miandalana miaraka amin'ilay fanakatonana ho avy izany. Ampatsiahivin'ireo mpitoraka bilaogy sasany ireo fotoana izay toa nanasazian'i Rosia ny tenany tamin'ny fandavana ireo hetsika nataon'ny tandrefana. Max Katz (mpisintaka amin'ny fombany manokana) dia nanao fampitahana tamin'ny ” Lalànan'ny Fananganana Zaza Kamboty” izay tsy namela ny Amerikana hanangana zaza Rosiana ho setrin'ny Lalàna Magnitsky famaizana natao tamin'ireo Rosiana mpiasa birao :

Ho valin'ilay sazy dia nanapakevitra ny hanidy ny GPS ho an'ny Rosiana ve ny fitondrana ?  Heveriko fa tranga farany izay ratsy indrindra izany. Fara-faharatsiny tsy nokitihana ireo kamboty.

Fihetsehampo nofintinina tao amin'ny Twitter-n'i Alexey Navalny izay heverina fa tantanan'ny vadiny noho izy mbola voarara tsy mahazo mivoaka ny trano:

Tsara, raha tsorina dia manakaiky ny marina ilay vazivazy hoe ” raha mbola manao izany ianareo dia isika ihnany no hanjera baomba ny tananantska”. Hopihanay ny GPS-nay.

Na dia tsy misy atahorana aza ny GPS amin'izao fotoana izao, mampiseho ny tsy fahampian'ny fitokisan'ny Rosiana ny mpitondra azy ireo intsony io tranga io.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.