LAHATSARY : Ny Taona Rehetra Manan-tantara Mikasika An'i Azia Atsimo Atsinanana Ao Anatin'ny Tahirin'i Pathé Britanika

British Pathé, orinasa iray miandraikitra ny resaka fampahalalam-baovao izay namokatra horonantsary nanomboka tamin'ny taona 1910 ka hatramin'ny 1970 tao Angletera, dia nampiditra lahatsarim-baovao miisa 80,000 mitahiry ny tantara ao amin'ny fantsona YouTube. Nahitana lahatsary maromaro koa ny tahiry rehetra tao izay mampiseho ny faritra Azia Atsimo Atsinanana. Maro amin'ireo horonantsary ireo no vakoka manan-danja izay mampianatra antsika zavatra maro mikasika ny zava-nitranga vao haingana tao amin'io faritra io, eny na ny ankehitriny aza. Ireto ambany ireto ny sasantsasany amin'ireo lahatsary mahaliana hitantsika ao amin'ny tahirin'i Pathé Britanika:

1. Fidirana an-keriny tao Laos tamin'ny taona 1953.

2. Manila nalain’ny Tafika Miara-dia tamin'ny taona 1945. Taorian'ny ady, Manila no tanàna faharoa potika indrindra taorian'i Varsovie.

3. Fetiben'ny rano tao Burma (Myanmar) tamin'ny taona 1946. Toa heno toy ny taloha ery ny feon'ny rano mitobatobaka sy mahafinaritra ankehitriny.

4. Ny fankalazana ny Fahaleovantenan‘i Indonezia tamin'ny taona 1945.

5. Firotsahana an-dalam-ben’ny mponina tao Bangkok tamin'ny taona 1940. Raha oharina amin'ny fidinana an-dalam-be sasany amin'izao fotoana izao, dia toa nandeha am-pitoniana sy am-pilaminana ny firotsahana an-dalam-be hita ao anatin'io lahatsary io.

6. Fianarana iray tao Hanoi, Vietnam tamin'ny taona 1973. Jereo any amin'ny faramparan'ity lahatsary ity ireo toerana fierena ny daroka baomba.

7. Taombaovao tao Vietnam tamin'ny taona 1949

8. Kambodza tamin'ny taona 1969.

9. Fifidianana tao Singapore tamin'ny taona 1950. Taorian'ny taona 1959, antoko iray ihany no nanjakazaka tamin'ny fifidianana tao Singapore, dia ny antoko noforonin'i Lee Kuan Yew.

10. Tondradrano tao Manila tamin'ny taona 1960. Mbola olana lehibe ao Manila ankehitriny io tondradrano io.

11. Kuala Lumpur, Malezia tamin'ny taona 1950.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.