#FreeSimpson: Fanentanana Ho Famotsorana Ireo Mpikatroka Nogadraina Ao Maraoka

Mankany amin'ny pejy miteny frantsay avokoa ny rohy rehetra, raha tsy misy fanamarihana hafa.

Notontosaina tamin'ny 6 Aprily 2014 tao Casablanca ny “diabem-panoherana nasionaly sy fiarovana ny fahefa-mividy, ny fahamendrehana, ny fahalalahana ary ny rariny ara-tsosialy” , ho famaliana ny antso nataon'ireo Sendikà Telo Lehibe (CDT, UMT, FDT) ary nandraisan'olona an'aliny anjara. Tamin'io andro io, mpanao fihetsiketsehana 11 no nokendrena ary nodarohana tao anatin'ny fihetsiketsehana, alohan'ny nanagadran'ny polisy azy ireo. Mpikambana ao amin'ny Hetsika 20 Febroary, UECSE sy ny UNEM avokoa i Ayoub Boudad, Hakkim Serroukh, Hamza Haddi, Mostafa Aarass, Mohamed Alharaq, Youssef Bouhlal, Amine Lekbabi ary Fouad Elbaz. Nanatevin-daharana ireo Maraokana an-jatony gadra politika sy gadra noho ny fanehoan-kevitra hatramin'ny 20 Febroary 2011 izy ireo. Voampanga ho nanao “herisetra tamina mpitandro ny filaminana teo am-perinasa” sy “nandray anjara ary nikarakara fihetsiketsehana tsy nampafantarina mialoha” izy ireo. Raha notanana ny sivy, navotsotra vonjimaika kosa ny roa. Polisy 5 no nilaza fa noratrain'ireo mpanao fihetsiketsehana ary nampiseho taratasy fanamarihana avy amin'ny dokotera tany amin'ny fitsarana. Nahazoana alalana anefa ny fihetsiketsehana. Nanohitra ny fisamborana ireo tanora mpikatroka ireo sendikà lehibe, ka nahavitra nandrahona ny governemanta mihitsy amin'ny alalan'ny fampiatoana ny fifampiresahana ara-tsosialy ary nametraka taratasy fanoherana tany amin'ny mpitsara misahana ny raharaha.

Nahazo vahana sy niely fatratra ny fanentanana ho famotsorana ireo tanora gadra politika. Nikarakara “sit-in” marobe ny hetsiky ny 20 febroary ka notontosaina teo anoloan'ny Antenimiera ao Rabat ny telo tamin'izany. Nikarakara flashmob 3 tao Rabat, Casablanca ary Mohammedia kosa ny UECSE. Ny diezy Twitter nampiasaina dia #FreeKoulchi (avotsory izy rehetra) sy ny #FreeSimpson, anaram-bositr'ilay gadra pollitika iray, Ayoub Boudad, izay nanjary mariky ny fanagadrana ara-politika ao Maraoka ary nahazo fanohanana marobe nandritra ireo fihetsiketsehana nokarakaraina niaraka tamin'ny sarontava sy ny marika amantarana an'i Bart Simpson.

 

Lahatsary Youtube misy ny flashmob #FreeKoulchi tao Casablanca

Niely tao amin'ny tambajotra sosialy ity raharaha momba ireo gadra politka ity.

Ny fotoanan'ny fampandalovana eny amin'ny fampanoavana no tena nampafana ny fanetsiketsehana. Notontosaina tamin'ny 15, 22, 29 Aprily ary koa ny 6 Mey ny fanentanana. Fantatra fa atao androany 13 Mey ao amin'ny lapan'ny fitsarana Ain Sbaâ ny hetsika manaraka. Nanosika ireo gadra politika hitokona tsy hihinan-kanina ny fanagadrana azy ireo amin'ny tsy antony, ireo fiampangana namboamboarina mialoha, ny herisetran'ny polisy nandritra ny fisamborana sy ny fepetra mifehy ny fanagadrana ary ny tsy fanekena ny hanomezana azy ireo fahafahana vonjimaika.

Nanamafy ny AMDH, mpanohana ireo gadra politika ireo fa ny tena antony nisamborana ireo mpikatroka ireo dia noho izy ireo mpikambana ao amin'ny hetsiky ny 20 febroary, sy izy ireo nihiaka teny filamatra manohitra ny fitondrana. Tsy inona ity raharaha ity fa karazana kisarisarim-pitsarana sy fanagadrana ara-politika ataon'ny fitondrana hampandohalehana ny ny hetsika 20 febroary, ny hetsiky ny mpianatra sy ny hetsiky ny olona ary ny fikambanana mandrahona na manohintohina ireo tombotsoan'ny fitondrana am-perinasa.

Jereo ny lahatsary notontosain'ny UECSE ary fantaro ireo fianakaviana sy naman'i Ayoub Boudad, Alias Simpson, iray amin'ireo gadra politika tamin'ny fihetsiketsehana tamin'ny 6 Aprily:

Azonao atao ny manasonia ny fitakiana eto ho famotsorana ireo gadra politika ao Maraoka. 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.