Hiara-miasa Amin'ny Fizarana Votoaty Ny Global Voices Sy ny Connectas

Miara-miasa ankehitriny ny Global Voices sy ny CONNECTAS [es], fikambanan'ny asa fanoratan-gazety Amerikana-Latina ao Kolombia mba hizara votoaty vokarin'ny CONNECTAS ao amin'ny tambajotraGlobal Voices mampiasa teny samihafa.

connectaspage

Pikantsarin'ny habaka CONNECTAS.org .

Ny CONNECTAS dia [es] “fisantaran'andraikitry ny asa fanoratan-gazety tsy mitady tombotsoa ara-bola ary mikendry hampiroborobo ny famokarana, ny fanazarana, ny fampiofanana ary fampielezana vaovao mikasika ireo lohahevitra izay kitro ifaharan'ny fampandrosoana ao Amerika.

CONNECTAS appears in a moment where many opportunities converge in the region, and a need of information of their reality with a transnational prospect. In the Americas, in spite of being a region with similar cultural, historic and linguistic features, of having an active civil society and a growing number of intergovernmental businesses and organizations, there is not enough information with a transnational perspective in the region.

Tonga tamin'ny fotoana nifanojon'ireo tolotra vonona marobe ao amin'ny faritra ny CONNECTAS, sy ao anatin'ny filàna vaovao milaza ny zava-misy avy amin'ny fomba fijery miampita firenena. Na dia eo aza ny maha-faritra manana kolontsaina sy tantara ary fiteny itovitovizana ao Amerika, sy ny fananana firaisamonim-pirenena mavitrika ary fikambanana sy fandraharahana iarahana amin'ny fitantanam-panjakana maromaro, dia mbola tsy ampy ny [fampafantarana] vaovao ao amin'ny faritra manana fomba fijery mahahoatra firenena.

Ankoatra ny famokarana ny asa fanoratan-gazety, manamora ny fanazarana ny mpanao gazety amin'ny teknika sy lohahevitra voatokana [ho an'ny mpanoratra gazety] ny CONNECTAS ary mikarakara fivoriana sy fifanakalozan-kevitra miaraka amin'ireo mpitari-kevitra sy ny mpanapa-kevitra. Miasa mampiroboro ny lalàna momba ny fahazoam-baovao hoan'ny daholobe ao amin'ny faritra, sy fifanakalozana tahiry hanaovana fanadihadiana, famotorana, sarintany ary fanarahamaso ao amin'ny faritra ihany koa izy ireo.
connectaslogo

Mino izahay fa ho hanatsara kokoa ireo fitantarana ataonay momba ny faritra ao Amerika Latina ireo lahatsoratra sy tatitra vokarin'ny CONNECTAS.

Vakio ny lahatsoratra voalohany navoakan'ny CONNECTAS tamin'ny teny Anglisy tao amin'ny Global Voices “How Gangs Have Become a Trojan Horse in El Salvador's Security Forces (Ahoana no nahatafidiran'ireo jiolahy an-tsokosoko ao amin'ny hery fitandroana ny filaminana ao Salvador). Hoavy tsy ho ela ihany koa ny andiany faharoa.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.