Ny Safoakan'ny Praiminisitra Tiorka Recep Tayyip Erdogan Nandritra Ny “Seho Iray Minitra” Tao An-Toerana

Nisafoaka tamin'ny kabary nataon'ny lehiben'ny Holafitry ny Mpitsara, Metin Feyzioglu ny Praiminisitra Tiorka Recep Tayyip Erdogan, ary niampanga an'i Feyzioglu ho «masiaka» tamin'ny lahateny nataony izay mitsikera ny zava-bitan'ny governemanta, hoy ny tatitra tao amin'ny gazety Tiorka mpivoaka isan'andro Hürriyet tamin'ny 10 mey 2014.
Tsy niandry ela ireo mpiserasera media sosialy namorona memes [Sary namboarina natao hihomehezana] tao amin'ny aterineto [ao ny dikany amin'ny teny anglisy], izay nanjary ifandroritana hatrany nanomboka tamin'ny fihetsiketsehana tao Gezi nipoaka tamin'ny taon-dasa, mba handefasana tsikera politika amin'ny fomba mamazivazy.

Pro-Erdoğan political trolls were quick to create two anti-Feyzioğlu hashtags while another hashtag supported him

Mailaka avy hatrany ireo mpanohana ny politikan'i Erdogan namorona diezy Twitter roa manohitra an'i Feyzioglu raha toa ka manohana an'ity farany kosa ny diezy Twitter iray hafa.

Tamin'ny lanonana fankalazana ny tsingeritaona faha-146n'ny Fananganana ny Filakevim-panjakana tao an-drenivohitra Ankara no nanaovana ilay kabary.

Azonao jerena ato ny lahatsary “seho iray minitra” an'i Erdoğan.

Ireo mpikambana ao amin'ny fitsarana ambony no tena kendren'ny tsikeran'ny Praiministra Erdoğan, izay hany mpiantsehatra manara-maso sy manao tsindrilentam-pahefana manoloana ny governemanta matanjaka ao Tiorkia

Nihamaro ireo tsikera androany mikasika ny fihetsik'i Erdoğan. Toa hita fa raha tsy nanakana azy ny filoha Abdullah Gül, mety niditra teo amin'ny lampihazo izy mba hifanatrika amin'Andriamatoa M. Feyzioglu.

Tsy ampy adiny efatra, telo ny fironana niakatra ho lohahevitra malaza manerantany tao amin'ny Twitter. Mailaka avy hatrany ireo mpanohana ny politikan'i Erdogan namorona diezy Twitter roa manohitra an'i Feyzioglu raha toa ka manohana an'ity farany kosa ny diezy iray Twitter hafa. Mpisera Twitter, Emre Erdogan, nanome topi-maso ato ireo hafatra tao amin'ny Twitter arakaraky ny toerana ara-jeografika:

Fandinihana ny fizarazarana: famantarana ara-jeografika ny #YanındayızFeyzioğlu, Istanbul

Mety miombo-kevitra amin'ilay mpanao fanadihadiana mpanohana ny Antokom-bahoaka Repoblikana (CHP) İlyas Başsoy aho, izay mihevitra fa natao ity fihetsika an-tantara tsangana ity mba hamindrana an'i Feyzioglu ho eo amin'ny fitantanana ny antokon'ny mpanohitra CHP. Amin'ny maha-manampahaizana amin'ny tetikady momba ny politikam-pifidianana azy, dia fantatr'i Erdogan fa ny foto-kevitra laika nasionalista ijoroan'i Feyzioglu dia mety hanakana ireo mpanohitra politika marobe sy olom-pirenena Kiorda amin'ny ankapobeny hanatevin-daharana ny CHP.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.