Fampianarana Amin'ny Aterineto: Fitaovana Nomerika Hanatsarana Ny Onjam-peon'ny Fiarahamonina

Afaka misoratra anarana maimai-poana amin'ny fampianarana antserasera hitrandrahana ny fomba hampivelarana ny fijoroany amin'ny aterineto sy hanatsarana ny fampiasana ny fitaovana nomerika ireo onjam-peom-piarahamonina maniry hanome vahana ny fisian'izy ireo antserasera sy hitady fomba tsara hifaneraserana amin'ireo mpihainony. Clara Robayo avy ao amin'ny Radialistas sy Radioteca no hitarika ny atrikasa antserasera izay hahitana vakinteny antserasera arahan'ireo videokaonferansa roa amin'ny 23 mey sy 6 Jiona 2014. Anisan'ireo lohahevitra hobanjinina amin'izany ny fomba fananganana bilaogy ao amin'ny habaka WordPress, ny fomba hizarana resadresaka amin'ny mpihaino amin'ny alalan'ny Facebook sy Twitter, ary koa ny fomba hizarana ny votoatinao ao amin'ny sehatra fihainoina antserasera tahaka ny TuneIn.

Hisy ihany koa ny safidy hafa hamitana tetikasa vita tombana, izay hahazoan'ireo mpandray anjara mari-pahaizana (sertifika). Misorata anarana hatramin'ny 18 Mey. Tsara ny manamarika fa amin'ny teny espaniola no hanaovana ny fampianarana.

Raha hijery ny fandaharan'asam-pampianarana feno, azo trohana ny pdf avy amin'ny RadioLibre. Voaaro amin'ny alalan'ny zon'ny mpamorona Creative Commons avokoa ny fitaovana rehetra.
 

Sary avy amin'ny Sampan-draharaha Highways ary nampiasaina tamin'ny alalan'ny Zon'ny mpamorona Creative Commons

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.