Mpitoraka Bilaogy Saodiana Voaheloka 10 Taona An-Tranomaizina Sy Kapoka 1000

Nomelohin'ny fitsarana heloka bevava ao Jeddah folo taona an-tranomaizina sy kapoka arivo i Raif Badawi, mpitoraka bilaogy, tamin'ny 7 May teo noho ny “nanevatevany ny Silamo”. Nenjehina noho ny nampiroboroboany ny “Saudi Arabian Liberals” (ireo Liberaly ao Arabia Saodita), fikaonan-doha amin'ny aterineto natombony tamin'ny 2008 izay iadiana hevitra momba ny andraikitry ny fivavahana ao anatin'ity fanjakana mpitahiry ny nentim-paharazana ity.

Nodidiana handoa onitra iray tapitrisa ryals ( manodidina ny 266.600 dolara Amerikana) ihany koa ilay olona 32 taona.

Mbola azo hakarina ilay didim-pitsarana. Saingy nogadraina ihany koa i Waleed Abu al-Khair, mpisolovavan'i Badawai, noho ny nametrahany vondrona mpanaramaso ny zon'olombelona, araka ny nambaran'ny Human Rights Watch.

Raif
Nosamborina tamin'ny Jona 2012 ary notsaraina tamin'ny Jolay 2013, tamin'ny voalohany dia enin-taona an-tranomaizina sy kapoka 600 no sazin'i Badawi. Fa tamin'ny Desambra 2013, nisy fitsarana ambony nandrava io didim-pitsarana io ary nanolotra io raharaha io tao amin'ny fitsarana heloka bevava ao Jeddah.

Andro ratsy ho an'ny #zon'olombelona #humanRights #raifbadawi pic.twitter.com/zUTvOWe6Kg

Nomelohin'i Arabia Saodita, mpiara-miasa amin'i Angletera sady voalohany amin'ny mpividy fitaovam-piadiana, 10 taona an-tranomaizina sy kapoka 1000 i @raif_badawi mpitoraka bilaogy #IStandWithRaif (ManohanaAniRaifAho)

Nanoratra lahatsoratra mitsikera ireo mpitondra fivavahana Saodiana sy nanambara ny 7 May ho andron'ny fahalalahana Saodiana tao amin'ny tranonkalany i Badawi sy ireo hafa mpiara-miasa aminy.

Any am-ponja noho ny fikaonan-doha iray izay nahafahana niady hevitra malalaka sy nanehoan'ny olona ny heviny. Hatramin'ny oviana no manova hevitra ny fonja ?

Tsikerain'i Raif ny fiarahamonina mandeha zotra roa samihafa ary miantso ny fivoaran'ny olona sy fanajana ny hevitry ny hafa izy. Raha toa ka heloka izany dia hilaza tena ho meloka aho.

Fitsipahana ny maha silamo no vesatra efa nanenjehan'ny Mpampanoa lalàna an'i Badawi tany aloha, heloka izay mendrika fanamelohana ho faty ao amin'ny fanjakana Saodiana. 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.