SARIPIKA: Dowlatabadi, Iraniana Mpanoratra, Azo Sary Teo Anilan'ny Lehiben'ny Sivana Ao Iran

Afak'andro ireo Iraniana tety anaty media sosialy taorian'ny namoahana tao amin'ny Twitter sary iray an'i Mahmoud Dowlatabadi ilay mpanoratra tantara, 73 taona, malaza sy niharan'ny sivana, ahitàna azy mipetraka toa tsy mihontsona akory, eo akaikin'ilay rangahy mpiandrakitra ny sivana ao Iran – ny Minisitry ny Kolontsaina sy ny Taridàlana Islamika, Ali Jannati.

Nanatrika ny fandevenana an'i Mohammad Reza Lotfi, mpiangaly mozika, ry zareo. 

Ao anatin'ity hafatra eto ambany ity no namaritan'i Ali Hamedani, mpanolotra ao amin'ny BBC Persiana an'ilay saripika:

“Topazo maso: Ali Jannati, ny akaman'i Rouhani, ary ny Kolonelintsika Mahmoud Dowlatabadi. Ny Kolonelintsika, tsy miasa saina akory mifoka ny sigarany.” 

@GEsfandiari Nahery ilay fihetsiny :). Hatramin'ny maraina aho no efa nankafy.

Mamiratra daholo ny fitafy sy fihetsik’ Ing. Dowlatabadi.” 

Ilay sary dia namela marika iray tena manana ny lanjany ho an'ireo mpijery efa mahay tsara ny asan'i Lotfi sy Dowlatabadi, izay noraràn'ny Minisitry ny Kolontsaina sy ny Taridàlana Islamika tamin'ny fotoan'androny. Anaty saripika iray hafa, tsy dia nahazo toerana loatra tety anaty media sosialy,  azo sary mifanakalo hevitra am-pirahalahiana tsara i Dowlatabadi sy Jannati.

Dowlatabadi sy Jannati avy aminà fomba fijery hafa.

Nomena fanasàna hitanisa fiderana ny fiainan'i Lotfi sy ny asany nandritra ilay lanonana i Dowlatabadi. Samy fantatra amin'ny nandaniany 10 taona namolavolàna ny fiantsàna sy famadihana ho mozika ilay Kelidar, tantara an-tsary malaza nosoratan'i Dowlatabadi, misy pejy 3000, ary Toko 10 izy roa ireo. 

Nolazain'i Dowlatabadi tamin'ny mpanangom-baovaon'ny ISNA hoe, “Efa an-taona maro izao no nanombohanay ny asa mikasika ny Kelidar, efa talohan'ny nanekenay hitsinjara izany tamin'ny alàlan'ny Minisitry ny Kolontsaina sy ny Taridàlana Islamika aza, izay nolavina moa.”

Manangana ny tànany ireo mpisaona raha mandray fitenanana ao amin'ny lanonam-pandevenana an'i Mohamed Reza Lotfi i Mahmoud Dowlatabadi, mpanoratra.

Iraniana mpanoratra ary manan-daza i Dowlatabadi, nahazo ny loka Jan Michalski tamin'ny 2013 tamin'ny literatiora, tamin'ilay bokiny The Colonel. Ilay tantara dia momba ny revolisiona Iraniana tamin'ny 1979 sy ny vokany feno herisetra tamin'ny Kolonely iray tao amin'ny tafiky ny Shah, ary ny fianakaviany. Azo vakiana amin'ny fiteny Anglisy sy Alemàna ilay boky, saingy tsy nahazo alàlana avy amin'ny Ministera ny fanontàna azy ao Iran.

Tsy ela akory izay i Dowlatabadi no nahazo kiana avy amin'i Shahin Najafi, mpanohitra sy mpiangaly mozika, ao anatin'ity lahatsary eto ambany ity, nomeny lohateny hoe “Hafatra iray avy amin'i Shahin Najafi ho an'ireo artista niarahaba ny Akhoond [mpitari-pivavahana] Rouhani tao Rudaki Hall.” Nokianin'i Najafi i Dowlatabadi sy ireo artista hafa izay niombon-kevitra hiteny sy hiasa ho an'ny fitantanan'ny Filoha Hassan Rouhani, ary nilaza azy ireny no nanome henatra ny tenany sy ny asany amin'ny maha-artista azy ireo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.