Mbola Mikasa Hanao Fampisehoana Hoan'ilay Mpanao Didy Jadona Gambiana, Yahya Jammehi Erykah Badu

American  singer-songwriter, record producer, activist, and actress. Photo released under Creative Commons by Wikipedia user Radiobums.

Mpihira-mpamoro-kira, mpamokatra kapila-mangilatra, -mpikatroka sady mpilalao horonantsarimihetsika Amerikana Erykah Badu. Sary navoakan'ilay mpisera Wikipedia Radiobums taminy alalan'ny Creative Commons.

Nanjary lasibatry ny tsikera indray ilay mpihira vehivavy Amerikana Erykah Badu noho ny fampisehoana kasainy atao hoan'ny filoha Yahya Jammeh ao Gambia, vao tsy ela akory izy izay no nahazo tsikera tamin'ny fampisehoana nataony hoan'ny Mpanjaka Mswati III ao Swaziland tamin'ny fankalazana ny tsingerintaona faha-46 nahaterahan'ity farany.

Nampangain'ireo mpikatroka ho “mankatò mpanao didy jadona maherisetra” i Badu noho ny fanaovana fampisehoana, saingy nandà tsy nety hiala tsiny izy, ary nilaza fa “tsy maharaka ny zava-misy ankehitriny” ary ny fitsidihany “tsy mampidi-doza” dia tsy manome vahana ny “fandaharam-potoana ara-politika an'i [Mswati’] rahatrizay”.

Tao amin'ny Twitter, somary nihantsy mikasika ilay fanomanana ny fampisehoana voalaza fa atao ao Gambia izy:

Tsy hanao fampisehoana ao Gambia aho?? Fanambarana diso izany.. SAINGY, raha hihira aho…Hanao IZANY IHANY KOA ho an'ny VAHOAKA..MANASITRANA NY MOZIKA. Mijoro hatrany aho.

Zatra manao famoretana amin'ny mpanohitra sy ny media ny fitondran'ny filoha Jammeh. Tamin'ny Tombana Manerantany Fanao isa-potoana [Universal Periodic Review (UPR)] momba an'i Gambia, nilaza ny fikambanana mpiaro ny zon'olombelona, Amnesty International fa: “Hatramin'ny nametrahana ny Tombana Manerantany Fanao isa-potoana  momba an'i Gambia tamin'ny 2010, niharatsy ny tontolon'ny zon'olombelona tao amin'ny firenena. Manohy manempina ny fahalalaham-pitenena sy manitsakitsaka ny zon'olombelona hafa ao anatin'ny tsy fisaziana ny governemanta”.

Nandefa fanentanana amin'ny aterineto ireo mpiserasera mba hanazava amin'ilay mpihira momba ilay mpanao didy jadona Gambiana.

Dr Amadou Janneh Sacttred nanoratra tao amin'ny pejy Facebook-ny:

Join the campaign on Twitter. Send a message of disapproval to Eryka Badu @fatbellybella

Midira amin'ny fanentanana ao amin'ny Twitter. Mandefasa hafatra tsy fankatòavana an'i Eryka Badu

Mpanao didy jadona Jammeh naneho hevitra hoe:

Please tell her that upon arrival she will be greeted by hungry uniform men with big guns!!!

Azafady lazao izy fa amin'ny fahatongavany, lehilahy noana manao fanamiana manambasy goavana no handray azy!

Deborah Aparicio nivoady tsy hividy ny kapilany mihitsy:

It's incredible how ignorant and heartless she can be. I will never buy any of her music. She's an awful person.

Tsy mampino ny tsy firaharahiany sy ny tsy fananany fo. Tsy hividy ny mozikany mandrakizay aho. Olona mahatsiravina

Tamin'ny lahatsoratra navoakan'i Pedro Pizano sy Jeffrey Smith tao amin'ny Slate, nilaza izy ireo fa “ratsy kokoa noho ny fampisehoana nataony ny fahatongavan'i Badu namaly ny antso” hanao fampisehoana hoan'ilay “mpanao didy jadona maherisetra an'i Swaziland”.

Tao amin'ny Twitter, Firaisambe hoan'ny Fanovana [Coalition for Change] , fikambanana manohitra ny didy jadona ao Gambia namaly ny sioka nalefan'i Badu:

Dr Jammeh mpanao didy jadona, hizara teknikam-panasitranana ny lehiben'ny mpitsabo ao Gambia…saingy aza misotro mihitsy ny zavatra karakarainy AZAFADY.

Nilaza ny filoha Jammeh fa manana fanafody mahagaga manasitrana ny VIH sy SIDA izy.

Fatou Camara, olo-malaza tamin'ny fahitalavitra Gambiana teo aloha  sady mpanolotra fandaharana tamina fandaharana malaza indrindra tao amin'ny firenena “Ny Fampisehoan'i Fatu”, nisioka momba ny fijaliany manokana tamin'ny fitondran'ny filoha Jammeh:

Tiako mba hi-google ahy izy (Fatu), nosamborin'ity mpanao didy jadona #Jammeh aho ary nogadrainy nandritra ny 25 andro tsy mahazo mijery ireo zanako

Jeffrey Smith nizara ity sarin'i Badu avy ao amin'ny pejy Facebookn’ ny Fetiben'ny manana fiaviana ao Gambia izay mampiseho azy miaraka amin'ireo mpanakanto malaza hafa fantatra fa hanao fampisehoana ao Gambia ihany koa:

Miseho voalohany ao amin'ny pejy Facebook-n'ny Fetiben'ny Mpiavy avy ao Gambia ihany koa ny anarana sy ny sarin'i Erykah Badu

Araka ny voalazan'ny lahatsoratra bilaogy ao amin'ny Hans Thoolen mikasika ireo Mpiaro ny Zon'olombelona, tsy menatra manoloana ny fampisehoana ataony hoan'ireo mpanao didy jadona i Badu:

If Badu bristles under criticism for entertaining King Mswati, she'll really be frustrated by the world's reaction when she performs at a concert this May sponsored by the dictator of The Gambia. After seizing power in 1994 military coup, Yahya Jammeh is best known for spending millions of dollars on private parties, for promising to inflict “the ultimate penalty” on homosexuals, for warning the UN that gays are “a threat to human existence,” for claiming that he can cure AIDS in three days, and for executing and disappearing hundreds of his critics. After her Swazi quagmire, perhaps Badu will reconsider her scheduled performance in The Gambia, where she would provide cover for yet another despot, this one a lot more murderous than King Mswati.

Raha nitsangam-bolo i Badu tamin'ny tsikera nahazo azy tamin'ny fampialana voly ny mpanjaka Mswati, mbola ho diso fanantenana tanteraka koa izy amin'ny ho fihetseham-pon'izao tontolo izao raha hanao fampisehoana hotohanan'ilay mpanao didy jadona ao Gambia amin'ity volana Mey ity. Taorian'ny nandrombahany fahefana tamin'ny alalan'ny fanonganam-panjakana ara-miaramila tamin'ny taona 1994, nalaza tamin'ny fandaniam-bola an-tapitrisany dolara tamin'ny lanonana tsy aseho vahoaka i Yahya Jammeh, tamin'ny fampanantenana hampihatra «sazy faran'izay henjana” amin'ny pelaka (homosexuels), tamin'ny fampitandremana ny ONU fa “mampidi-doza amin'ny fisian'olombelona” ny pelaka, tamin'ny filazana fa afaka manasitrana ny SIDA ao anatin'ny telo andro izy, ary tamin'ny famonoana sy fampanjavonana ireo mpitsikera azy an-jatony. Taorian'ny korontana nahazo azy tamin'ny fampisehoana nataony tao Swaziland, angamba hieritreritra ny indray amin'izay fampisehoana nomaniny ao Gambia i Badu, izay hampisy filazalazana indray ny mpanao didy jadona hafa, izay mahafaty olona bebe kokoa noho ny mpanjaka Mswati.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.