Iray Volana Aty Aoriana, Mbola Tsy Tafarina Tamin'ny Fahasimbana Nateraky Ny Hovitrovitry Ny Tany Ny Shiliana

Ny lahatsoratra nadika dia navoakan'i El Equipo Boyaldía voalohany tao amin'ny Boyaldía tamin'ny 2 mey 2014.

 

MiVoz1

Sora-baventy ao amin'ny toby fialokalofan'ireo lasibatry ny hovitrovitry ny tany mivaky hoe: “Iquique, tanin'ny tranolay”. 

Miharihary ny hasosorana sy ny fahoriana lalina ao amin'ny faritra Tarapacá, avaratr'i Shily. Iray volana taorian'ny horohorontany sy ny tsunami namely ny avaratry ny firenena tamin'ny 1-2 Aprily, namoy ny fananany avokoa ny maro tamin'ireo olona an'arivony -ary mbola miandry fanampiana avy amin'ny governemanta. Ao amin'ny faritra Tarapacá, olona 758 ankehitriny no napetraka honina ao amin'ireo toby fialokalofana, raha toa ka noterena hipetraka ao amin'ireo tranolay ny sasany satria tsy azo onenana intsony ny tranon'izy ireo.

Tamin'ny 30 Aprily, olona maherin'ny 2.000 no nandray anjara tamin'ny fihetsiketsehana goavana indrindra hatramin'ny nisian'ny loza. Nijanona teo anoloan'ny  tranom-panjakana ao amin'ny faritra Tarapacá ireo mpanao fihetsiketsehana mba hitaky amin'ny governemanta mba hanome fanampiana bebe kokoa sy hanampy amin'ny fanorenana indray.

Nampiseho ny tarehimarika avy amin'ny Onemi [Ofisim-pirenena vonjy taitra ao amin'ny Minisiteran'ny Atitanyr] tamin'ny 1 mey fa i Tarapacá no faritra tena voakasika mafy indrindra tamin'ny hovitrovitry ny tany, izay namono olona enina ary nitarika fahasimbana goavana teo amin'ireo tranobe.

Araka ny tarehimarika ofisialy dia 21.813 no tra-boina, 1225 ny isan'ny trano rava tanteraka, 4125 ny fanorenana nahitana fahasimbana goavana ary 8280 no nahitana fahasimbana kelikely kokoa. Gadra 63 no afa-nandositra ny fonja tao amin'ny distrikan'i Iquique, nandritra ny famindra-toerana natao taorian'ny hovitrovitry ny tany.

Nilaza i Onemi fa nifantoka any amin'ny filàn'ny vahoaka voakasiky ny hovitrovitry ny tany ny fanampiana ao amin'ireo faritra niharan'izany, ary nilaza ihany koa izy fa fanamafisana ny fandaharan'asa hoan'ny vonjitaitra any aoriana izany. Nampiseho ny tarehimarika ofisialy fa nanolotra sakafo 1 118 taonina sy fitaovana ilaina amin'ny andavanandro hoan'ireo niharam-boina tamin'ny hovitrovitry ny tany ny governemanta.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.