India : Namono Olona 32 Ny Separatista, Mandositra Ny Miozolomana

The the north-eastern state of Assam, India is severely gripped in ethnic violence. The tensions between an ethnic-group called Bodos and migrant Muslim religious minorities over control of land and settlements have been simmering for a long time.  Image by Reporter#21795 Copyright Demotix (25/7/2012)

Namely mafy tao amin'ny fanjakana Avaratra-Atsinanan'i Assam, India ny herisetra ara-poko. Efa naharitra ela ny fifandirana noho ny fifehezana tany sy fiorenana teo amin'ny vondrom-poko Bodo sy ireo mpitsoa-ponenena miozolomana vitsy an'isa. Sary avy amin'ny Reporter#21795. Copyright Demotix (25/7/2012)

Nipoaka tao amin'ny firenena Indiana avaratra-atsinanan'i Assam ny herisetra ara-poko, ka mponina Miozolomana 32 tao an-tanàna no namoy ny ainy ary nitarika ny fiàlan'ireo miozolomana tao amin'ny faritra izany.

Nitifitra an-jambany ireo voanjo miozolomana tamin'ny fanafihana telo samihafa tamin'ny Alakamisy 1 mey sy tamin'ny Zoma 2 mey 2014 tao amin'ny distrikan'i Kokrajhar sy Baska ireo separatista mitam-piadiana Bodo. Anisan'ny tratra tamin'izany ny ankizy.

Tamin'iray tamin'ireo fanafihana, tokantrano am-polony no nodoran'ireo lehlahy mitam-piadiana nitifitra tamin'ny basy   

Nilaza ny tatitra tsy voamarina fa nokendrena ireo lasibatra noho ny safidin'izy ireo tamin'ny latsa-bato nandritra ny fifidianana ankapobeny notontosaina vao haingana tao amin'ny faritra. Olona 22 no nosamborin'ny polisy tao anatin'izany herisetra izany.

Mponina miozolomana an-jatony no hita nandositra niaraka tamin'ny fananany tao akaikin'ny tanàna kely mifanakaiky. Niezaka nandamina ny toe-draharaha ireo manampahefana tamin'ny fiantsoana ny tafika sy ny filazana tsy fahazoana mivezivezy amin'ny alina.

Efa ela ny foko Bodo, izany miteny amin'ny fiteny Bodo, no niampanga ireo miozolomana ho misososo ao India avy ao Bangladesh, faritra mifanolo-bodirindrina aminy. Avy ao amin'ny vondrona separatista mitam-piadiana tsy ara-dalàna Manda Nasionaly Demaokratikan'i Bodoland ireo mpikomy, izay te-hanana Bodoland mahaleotena hoan'ny vahoaka Bodo, izay mandrafitra ny 10 isan-jaton'ny mponina ao amin'ny firenena Assam.

Tsy ireo mpifindra-monina miozolomana ihany no lasibatra  fa ireo mpifindra-monina miteny Hindi avy ao amin'ny firenena hafa ao India ihany koa. Tamin'ny Janoary 2014, olo-tsotra fito no novonoin’ ireo mpikatroka avy ao amin'ny Manda Nasionaly Demaokratikan'i Bodoland. Nanakana fiara fitateram-bahoaka tao anatin'ny efatra alina avy ao amin'ireo faritra samihafa ao Avaratr'i Bengal izy ireo, notaritaritiny ireo mpandeha 13, nampilaharin'izy ireo ary notifiriny avy eo.

Nivoady tsy hamela ireo mpifindra-monina honina ao amin'ireo tanàna kely izay feheziny ny Filan-kevitry ny Sisintanin'i Bodoland, andry iray mahazaka tena.

Bilaogera sady mpanao gazety Habib Siddiqui nanome sombim-baovao mikasika ny disadisa:

The Muslims that live in Assam are not immigrants from Bangladesh. Like many others, they have been living there for centuries, and at least before the time of Indian partition into Pakistan and India. Simply because of their Muslim identity and Bengali root, they are perceived as outsiders or new settlers in hateful Assam, which had her bloody history of pogroms against Muslims.

Tsy mpifindra fonenana avy ao Bangladesh ireo miozolomana monina ao Assam. Tahaka ny maro hafa, efa niorim-ponenana tao an-jatony taona izy ireo, na farafahakeliny talohan'ny vanim-potoana nivakiana ho Pakistan sy India. Fa ry zareo no Miozolomana sady mpiavy Bengali fotsiny, nosokajiana ho vahiny na voanjo vaovao ao Assam votom-pankahalana izy ireo, izay nanana ny tantarany mihoso-drà tamin'ny fandripahana ireo miozolomana.

Nilaza ny lehiben'ny minisitra ao Jammu sy Kashmir, Omar Abdullah, fa nisy ifandraisany tamin'ny kabary vao haingana mitsikera ireo mpifindra-monina Bangladeshita ao India nataon'ny kandida ho Praiminisitra Narendra Modi, avy ao amin'ny Firaisambe Demaokratika Nasionaly tarihin'ny Antoko Bharatya Janata, ny vono olona tsy nahy natao tamin'ireo Miozolomana tao Assam.

Tao amin'ny Twitter, injenieran'ny nokleary monina ao Etazonia Tanvir Salim nanazava ny mety ho antony ara-politika ambadik'ity fanafihana ity:

Nihevitra ireo vondrona Miozolomana ao Assam fa notafihana ny fiarahamonin'izy ireo satria noheverin'ireo mpikomy fa tsy nanohana ny kandidà Bodo izy ireo. Mahamenatra!

Mpisera Dipankar nanontany ny tetikadin'ny foko Bodo:

Miely manerana an'i Assam ny tafika, efa niaina izany vono olona izany izahay tao Baska. Nahoana ny hetsiky ny Bodo no diso lalana any amin'ny herisetra atao amin'ny Miozolomana?

Nanambara i Rohit Vats fa tsy misy idiran'ny fivavahana ilay herisetra : 

Miezaka mandoko ho fifandonan'ny Bodo sy ny Miozolomana ireo ahiahiana mahazatra; tsy misy idiran'ny fivavahana ny adi-hevitra. Tranga momba ny foko manohitra ireo vahiny

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.