Ny Fahasamihafan'ny Sora-Baventin'ny Fihetsiketsehana Ao Brezila

Nanomboka ny volana Mey hatramin'ny Jolay 2013, nidina an-dalambe ireo vahoaka mpanao fihetsiketsehana ary nanozongozona ireo tanàna tao São Paulo, Rio, Porto Alegre, Brasilia, Fortaleza, ankoatra ireo tanàna am-polony manerana ny firenena. Miteraka adihevitra hatrany mikasika izay mety mbola hitranga izany hetsika sosialy goavana izany.

"Our name is courage Our right is to fight"

“Herim-po no Anaranay Zonay ny Mitolona”

Efa tena mahazatra ny fihetsiketsehana eo amin'ny fiainan'ny politika Breziliana, saingy nahasanganehana ny maro ireo fihetsiketsehana tamin'ny taondasa noho ny endriny miavaka. Nidina an-dalambe ny tanora, vao sambany nidina an-dalambe ny ankamaroan'izy ireo. Tsy avy amin'ny antoko politika na hetsika sosialy izy ireo – fa avy amin'ireo namana sy olom-pantatra tamin'ny alalan'ny adihevitra sy lahatsoratra tao amin'ny media sosialy antserasera kosa ny hetsik'izy ireo. Navadika amin'ny dikany hafa ireo teny filamatra ara-barotra “nifoha ny goavana” sy ny “tongava eny an-dalambe” ary nampiasaina natao ho karazana fanasana. Isan-karazany ireo fitakiana sy ireo olana notsikeraina, anisan'izany ny fidangan'ny vidim-piainana, ny kolikoly, ny firotsahana an-tsehatra hanaovana ny mondialy FIFA, ny kalitaon'ny fampianaram-panjakana, ny fitsaboana ary ny tsy fitokisana ny rafitra politika ankehitriny – tafavory tao anatin'ny diabe iray avokoa izany rehetra izany.
 

Nahazo fanohanana amin'ny fanapariahana azy amin'ny alalan'ireo sora-baventy, hirahira, afisy ireo fitakiana. Raha itodihana ny lasa, dia azo sokajiana ho toy ny tahirin-kevitr'izany fotoana izany sy ny fomba “nifohazana” hanaovana fihetsiketsehana izy ireo ankehitriny. Nanjary aingam-panahy hanaovana hirahiran'ny fihetsiketsehana ireo afisy, ary azo ampiasaina ho fitaovana hoan'ny bilaogy Tumblr Cartazes dos Protestos, izay manangona ny sarin'ireo afisin'ny fihetsiketsehana navoaka tao amin'ny media sosialy. Hita amin'ny alalan'izany angon-tsary izany ny fahasamihafan'ireo fitakiana, tsikera, sy ny tolon'ny mpanao fihetsiketsehana manerana ny firenena, izay mandrakotra ireo karazana vinavina, manomboka amin'ny fampandrosoana sy ny tsikera hatramin'ny fanehoan-kevitra tsy mitsitsy sy ireo fitsarana an-tendrony.

"This is the way that the mayor sees you" -

“Toy izao ny fomba fahitan'ny ben'ny tanàna anao”  -

Lehilahy iray mitafy Spiderman nitsikera ireo hetra ary nilanja afisy mivaky hoe : “Na dia ny super-hero aza tsy mahazaka hetra tafahoatra tahaka izao” ; hoy kosa ny vakin'ny afisy iray hafa: “Tsy mpivaro-tenan'ny governemanta intsony aho, te-ho jilajila afaka aho!”, izay milaza momba ilay Diaben'ny Jilajila na ‘Slut Walk”; eo koa ny sora-baventy manohitra ilay mpitoriteny sy politisianina Feliciano, izay nanolotra lalàna “hitsaboana” ireo pelaka amin'ny afisy “Ny politisianina no mila fitsaboana”; ny afisy “Andeha hanozongozona ny fanefana mba hahita fandrosoana” kosa dia milaza sompirana ny tarigetran'ny firenena  «Filaminana sy Fandrosoana».

Nanana ny toerany ihany koa ireo hafatra an-kilalao sy manesoeso, tahaka ny afisy «Tokony hanamboatra rakitsoratra (fichier) aho [amin'izao fotoana izao], saingy eto aho manao fihetsiketsehana”.

Satria efa-miha-akaiky ny Mondialy FIFA 2014, izay mifanakaiky be amin'ireo fifidianana filoham-pirenena,  governoram-panjakana, sy toeram-pitantanana ambony hafa amin'ny volana Oktobra, dia fantatra fa hisy ireo fihetsiketsehana sy fanentanana vaovao hotontosaina. Mbola ho fotoana fahavokarana hoan'ny afisy, sora-baventy sy ny hirahira indray izany, indrindra indrindra araka ny voalazan'ilay afisy iray hoe: «Tsy hiova ny firenena mangina tsy miloa-bava”.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.