Manenjika Ny Rafitra Kafala Ireo Vahoaka Libane Sy Ireo Mpifindra Monina Sady Mpanao Hetsika Mafana Fo

Nanao fanentanana iray nampiasàna ny tenifototra #StopKafala natao hamelezana ny rafitra malaza “Kafala” (na “fiahiana”)  ny vondron'ireo mpiasa mpifindra monina (MWTF), izay fikambanana Lebane iray (ONG) ahitana ireo Libane mpikatroka mafana fo sy avy amin'ny maneran-tany, ao anatin'izany ireo mpiasa mpifindra monina. Manasongadina ireo mpianatra (mpifindra monina) sy mpampianatra (mpikatroka mafana fo mpifindra monina, Libane sy maneran-tany) mitazona takelaka misy ny hafatra'izy ireo amin'ny teny Anglisy, Frantsay na Arabo ilay fanentanana. Tao AltCity Hamra no natao ny fotoana fandraketana an-tsary, toerana iray anoloran'ny MWTF fampianarana teny Anglisy sy Frantsay maimaim-poana isan-kerinandro ho an'ireo mpiasa mpifindra monina izay atao isaky ny Alahady (andro tsy fiasan'izy ireo)

Nanoratra izy ireo tao amin'ny pejy Facebook-ny hoe:

Ho fanohanana ny fankalazana faha 4 ny Andro Isan-taona Ho an'ireo Mpiasa sy ny Fi Shi Ghalat [Misy tsy mety ao], samy manamboatra ny sainabe ho entiny milahatra ny mpianatra sy ny mpampianatra, izany dia atao ny 4 May. Samy mijoro manohitra ny rafitra fiahiana (Kafala) avy izy ireo izay mahatonga ny fanararaotana diso tafahoatra ny zon'olombelona hiainan'ireo mpiasa mpifindra monina isan'andro.

Ny Fankalazana Isan-taona Ny Andron'ny Mpiasa (Rohin'ny hetsika) izay voalaza etsy ambony dia hetsika iray fanao isan-taona hankalazana ny Andron'ny Mpiasa maneran-tany, ampiantranon'ireo fikambanana (ONG) Libane fanta-daza miisa efatra ary tohanan'ny MWTF. Ireto avy ireo fikambanana miisa efatra: Fi Shi Ghalat (“Misy tsy mety ao”), KAFA (Ampy izay), Hetsika manohitra ny fanavakavaham-bolon-koditra (ARM), ary ny ivon-toerana Caritas Libane Ho an'ny Mpifindra Monina.

Io hafatra io dia narahana fanentanana hanao zavatra:

Miaraha aminay amin'ny alalan'ny filazàna ny hevitrareo ao anatin'ny hafatrareo manokana momba ny rafitra Kafala na ny fanararaotana ny zon'ireo mpiasa mpifindra monina izay mitranga ao Libanona eo amin'ny fiainana andavanandro ary asio ny tenifototra #StopKafala eo amin'ny sary sy ny lahatsoratrareo.

Misy ohatra vitsivitsy ireto. Afaka jerenao eto ny fanentanana rehetra.

Olga from Cameroon: "No matter what we say nothing will change because they don't care about our feelings"

Hoy Olga avy any Kamerona: “Na inona na inona lazaintsika, tsy hanova zavatra izany satria tsy miraharaha ny fihetseham-pontsika izy ireo”

"I am tired of the fact that the color of one's skin is correlated with quality of work one can attain in Lebanon"

“Tofoka aho amin'ny fisian'ny fifandraisan'ny lokom-bolonkoditsika sy ny hatsaran'ny asa azon'ny olona iray takarina aty Libanona”

"They treat us like animals . We are not prisoners. Some workers are locked in and are not allowed to leave the house for years"

“Toy ny biby no fitondrany anay . Tsy gadra akory izahay. Misy mpiasa sasany voahidy ao an-trano ary tsy mahazo mivoaka ny trano mandritry ny taona maromaro”

"Dogs get to go out every day, why can't we go out every week? Going out doesn't mean necessarily escaping, it means freedom. "

“Ny alika aza mivoaka any ivelany isan'andro, ka nahoana moa izahay no tsy mahazo mivoaka isan-kerinandro? Ny fivoahana any ivelany akory tsy midika hoe fitsoahana, fa fahalalahana. “

"The Kafala system kills one domestic worker every week. "

“Mamono mpiasa an-trano iray isan-kerinandro ny rafitra Kafala. “

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.