Tsy i Igor Sechin Tsy i Dick Cheney: Ny Fiafaran'ny Tantaran'ilay “Zuckerberg Rosiana”

Durov's solitude: no heartfelt bonding with Ilya Shebovich or Igor Sechin. Images mixed by author.

Durov manirery: tsy manana firaiketam-po amin'i Ilya Shebovich na Igor Sechin. Saripika namboarin'ny mpanoratra.

Tsy any Rosia intsony i Pavel Durov—ilay “Zuckerberg an'i Rosia” izay nanangana ny “Facebook an'i Rosia”—. Araka ny gazety Izvestia (izay efa namoaka resaka adala iray manontolo momba ny mpamorona ny Vkontakte taloha), dia nandositra ny firenena i Durov ary mipetraka ao amin'ny hotely kintana dimy iray any Dubai. Mety tsy hitoetra ela ao anefa ity mpanakarembe 29 taona ity, araka ny tatitry ny Izvestia ihany, fa efa nikarakara “fahazoana zom-pirenena amin'ny alalan'ny fampiasam-bola” ao amin'ny firenen'ny nosy roa i Saint Kitts sy Nevis any Karaiba i Durov. Noheverina fa nividy ny zom-pirenena Kittitiana-Nevisiana, izay ahafahany mivezivezy malalaka amin'ny firenena 131 samihafa tamin'ny volakely mitentina $250 000 i Durov.

Mbola tsy voamarina ny tatitra nataon'i Izvestia, saingy taratra fa nifindra ara-virtoaly avy amin'ny Vkontakte, izay natsangany sy notantaniny nihoatra ny fito taona i Durov, ka nankany amin'ny Facebook, izay anoratany amin'ny teny anglisy. Mahatalanjona ihany ny fahazotoan'i Durov tampoka tao amin'ny Facebook, raha jerena ny fifaninanana nandritra ny fotoana maharitra nataon'ity Vkontakte ity tamin'ilay Amerikana mpanao raharaha (servisy). Vao tamin'ny febroary tamin-ity taona ity aza i Durov no nananihany teo anatrehan'ny besinimaro fa tsy misy afa-mamadika ny “”fahafatesana tsikelikelin'ny” Facebook. Ny maty anefa ankehitriny, dia toa ny nanoheran'i Durov ilay tambajotra sosialy goavana indrindra manerantany. Ankehitriny, anefa, ny ady ataony amin'ny mpifanandrina aminy ao Rosia no nanakona ny fifanandrinany tamin'i Zuckerberg taloha.

Tao amin'ny hafatra “veloma farany” navoakany tao amin'ny pejiny VK tamin'ny 28 Avrily 2014 i Durov no namoaka tantara an-tsary fohy efa navoakany tamin'ny Mey 2012 (“eo an-tampon'ny fahazotoana maha-olompirenena Rosiana”) izay mampiely ny tanjona liberaly ara-politika ho an'ny fiaha-monina (fizakanteny ara-toekarena ho an'ny faritra tsirairay ao Rosia, fampihenana ny hetra ho amin'ny “toekarena aorian'ny ara-indostrialy,” sy ny sisa). Mandra-panaon'i Rosia ireo fampivoarana ireo, hoy i Durov, dia “tsy hisy dikany” ny fodiana an-tanindrazana.

“Fizakantena ara-toekarena ho an'ny faritra.” Fanehoana ara-politikan'i Pavel Durov amin'ny kisarisary.

Indroa nanoratra i Durov tao amin'ny kaonty Fcebook-ny hatraminy 24 Avrily 2014. Voalohany, nanontany ny mpamaky izy hanolo-kevitra hanondro “firenena vaovao” hiasan'ny ekipany sy ireo injenieran'ny rindrambaikony. Tamin'ny 28 Avrily, nihinjaky ny hafaliana izy rehefa nametraka fanasaziana ny Filoha Tale Jeneralin'ny Rosneft, Igor Sechin, mpiara-dia amin'i Putin, izay nampangain'i Durov ho nandroaka azy tao amin'i Vkontakte i Durov. efa nivezivezy nihoatra ny herintaona ny tsahotsaho momba ny herin'i Sechin amin'ny tambajotra sosialy lehibe indrindra ao Rosia, hatramin'ny nividianan'ny United Capital Partners izay an'i Ilya Sherbovich ny 48 isanjaton'ny renivolan'ny orinasa hatramin'ny tapaky ny volana avrily.

Taorian'ny fanalana an'i Durov tamin'ny fomba ofisialy tamin'ny herinandro, dia nanomboka nanadihady ny fifandraisana teo amin'i Sherbovich sy i Sechin ny gazety Vedomosti, ary miezaka mamaritra raha marina ny filazan'ny mpanorina azy fa eo “ambany fifehezan'ireo olona ireo tanteraka” ny Vkontakte. Tsy nahitam-bokany ny ny fanadihadian'ny Vedomosti. Nilaza ny tatitra fa mety ho manana anjara toerana amin'ny fankatoavana amin'ny fomba ara-dalana ny ampahan-drenivolan'i Yukos sasany ho an'i Rosneft i Sherbovich, saingy marefo orina ny fifandraisana – fihetsika mahavariana avy amin'ny mpiray sekoly fahiny tamin'i Sherbovich. Enin-taona taty aoriana, araka ny loharanom-baovao tsy nitonona anarana avy ao anatin'ny Vkontakte, neken'i Sechin ny fividianan'i Sherbovich ny taratasin'anto-bolan'ny Vkontakte manoloana ny ezaka nataon'ny mpifaninana hafa Konstantin Malofeev, Rosiana mpandraharaha hafa. Sherbovich, kosa etsy ankilan'izany, mitsipaka amin'izay mety ho fidiran'i Sechin amin'ny tolotra ataon'ny UCP amin'ny taratasin'anto-bolan'ny VK.

Ny famotopotoran'ny Vedomosti, izay manomboka amin'ny fanontaniana lehibe momba ny mety ho anjara toeran'i Sechin tamin'ny fandroahana an'i Durov, dia niafara tamin'ny filazana manjombona amin'ny fitiavan'i Shebovich manjono [lalitra?]. Eny, ry mpamaky, Yes, manana hatramin'ny tranom-pikambanan'ny elita amin'ny fanjonoana eo amin'ny reniranon'i Ponoi any Rosia i Shervoich, ary ao no ampiantranoany ireo olo-manankaja ambony tahaka an'i Dmitri Medvedev sy Dick Cheney.

Ary teo no nipetraka i Pavel Durov, mety any Berlin, mety any Dubai, manoratra amin'ny teny anglisy momba ny tsy fananany trano onenana ao amin'ny Facebook, ary miarahaba ny fanasaziana ataon'i Etazonia amin'ilay lehilahy hita ho nandresy azy sy nanery azy handao an'i Rosia. Efa namakafaka ny firaisankina diabolika nampidaraboka an'i “Zuckerberg an'i Rosia” ny gazety liberaly lohalaharana ao amin'ny firenena, Vedomosti, ary niezaka nanamafy fa tia manjono tokoa i Ilya Sherbovich.

Indray mandeha i Durov nananihany momba ny fametra-pialana amin'ny Vkontakte tamin'ny fanatsongana ny andalatenin'i Douglas Adams, “So long and thanks for all the fish!” [Dia veloma, ka misaotra tamin’(ny trondro) izay natao]. Angamba i Durov afa-nitoetra tamin'ny asany, ary mety efa nifampizara trondro tokoa izy sy i Sherbovich.

 

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.