Tsy Faly Amin'ny Antoko “Bharatya Janata” Ao India Ry Zareo Bangladeshis

Subramanian Swamy speaks in Mangalore, India on Dec. 17, 2013.

Subramanian Swamy tao Mangalore, India ny 17 Desambra 2013.

An-dàlana ny fifidianana lehibe indrindra erantany ao India, ary hatramin'ny 29 Aprily dia 21 amin'ireo fanjakàna 28 no efa vita tanteraka. Koa satria efa manakaiky ny farany ny fifidianana, miezaka ny mambabo mpifidy aminà fampanantenana fisarihan'olona amin'ny resaka ara-bola ireo antoko mifaninana, izay lazain-dry zareo fa hotanterahany raha toa ka lanyizy ireo.

Nitondr ahaterzerana ho an'i Bangladesh mpifanolo-bodirindrina aminy i Subramanian Swamy, endrika diso fantatra miarika ny Bharatya Janata Party (BJP), antoko mitahiry ny nentin-drazana, ary manolotra an'i Narendra Modi ho mpifaninana ho praiminisitra raha nanipika nandritry ny famoriam-bahoaka mikasika ny fifidianana tao Assam fa tokony hanome onitra an'i India i Bangladesh noho ireo mpifindra monina tsy manana taratasy ao an-toerana, ka hanome ny ampahatelon'ny taniny. 

Nohamafisiny ihany koa fa hatramin'ny naha-nahaleotena an'i Bangladesh, niala tamin'i Pakistana tamin'ny1971, ampahatelon'ireo vahoaka Miozolmana tao Bangladesh no nifindra monina nankao India. Araka ny filàzany, dia tokony haka azy ireny hody i Bangladesh na hanome ny ampahatelon'ny taniny ho an'i India.

Tsy misy tarehimarika tena mipetraka mikasika ny habetsahan'ireo Bangaldeshis mpifindra monina ao India, saingy tsy azo tsinontsinoavina ny isan'ireo Bangladeshis mifindra monina mankany India mba hanatona ny fianakaviany, na hitady asa, na noho ny antony ara-tontlo iainana sy ny maro hafa. Nanosika an'i India hanamafy ny fepetra fanaraha-maso ny fandriampahalemana any amin'ny sisintany iraisany amin'i Bangladesh ny fitombon'ireo andian'olona ireo tato anatin'ny tampolo farany, tafiditra anatin'izany ny fametrahana fefy tariby misy kinifinifiny.

Voalohany dia notsongain'ny gazety Bangladeshi avy ao amin'ny Samayik Prasanga gazety mpiseho isanandro nivoaka tamin'ny 19 Aprily tao Assam ireo fanamarihan'i Swamy. Miaraka amin'i Nepal, Bhutan, Pakistana ary Shina, ireo mpandalina ara-politka ao amin'ny firenena dia samy manaraka akaiky ny fifidianana satria ny politikan'izay antoko mandresy eo no hamaritra ny fifandraisana iraisam-pirenena.

Tsy ela dia nanaraka ireo fanehankevitra masiaka. Veja Beral, mpampiasa ny sehatra fifanakalozan-dresaka “projanmo.com” nilaza hoe :

বিজেপি বাংলাদেশ বিদ্বেষী দল। এরা এইবার ক্ষমতায় আসলে বাংলাদেশিদের কপালে শনি আছে। [..] তিস্তা, সীমান্ত কিছুতো হবেই না বরং যেইসব চুক্তি বাস্তবায়নাধীন সেই সব বন্ধ করতে কাজ করবে মোদি সরকার।

Antoko mpankahala Bangladeshi ny BJP. Raha io no tonga eo amin'ny fitondràna, ho fahasahirànana ho an'i Bangladesh no dikan'izay. Ireo olana [naharitra] nihantona, toy ny fifanarahana Teesta ho fifampizaràna rano sy ny fifandirana momba ny sisintany dia hitoetra hatrany ho olana tsy voavaha ary izay fifanarahana rehetra efa tafapetraka dia hatsahatry ny governemanta Modi.

Nanoratra ihany koa izy hoe :

ভারতে কিছু অবৈধ বাংলাদেশি আছে এটা সবাই জানে কিন্তু সেটা ৫ কোটি (বিজেপির দাবি) এটা বিশ্বাসযোগ্য না। হয়তো ৫ লাখকে ৫ কোটি বলে প্রচার করে ভোট পাওয়ার জন্য।

Betsaka ny Bangladeshis fantatry ny rehetra fa tsy manana taratasy ao India. Saingy tsy mifanaraka amin'ny zava-misy no sady tsy marina ilay isa 50 tapitrisa mampipotsaka ny voamaso (ambaran'ny BJP). Angamba fampielezan-kevitra ninian'ny BJP natao ilay 50 tapitrisa, raha tokony ho 500.000.

Nilaza ny heviny tao amin'ny bilaogy Shobdoneer i Shamim Sujaet :

বাংলাদেশ যেন খেলার পুতুল! যা খুশী ভাবতে পারো!

Toy ny hoe kilalao i Bangladesh. Azonao tefena araka izay itiavanao azy amin'ny fotoana ilànao azy.

Mandritra izany, ny vondrona “hacker” Bangladeshi, “Bangladesh Cyber 71, dia voalaza fa nijirika tranonkalan'ny governemanta Indiana efa maherin'ny 300 ho fanoherany ny fanamarihana nataon'i Swamy. Nilaza ny mpandrindra ny vondrona BanglaNews24.com hanafika ry zareo mandra-pisinton'ny BJP ilay fanambaràny.

Screenshot of a website hacked by "Bangladesh Cyber 71" in protest of comments made by Indian Subramanian Swamy of Bharatya Janata Party.

Dikasarin'ny fàfana avy amin'ny tranonkala izray nojirihan'ny “Bangladesh Cyber 71″ ho fanoherana ireo fanehoankevitr'ilay Indiana Subramanian Swamy avy amin'ny antko Bharatya Janata.

Ho valy bontana, ny tranonka ofisialin'ny Sampan'ny Kabinetra ao Bangladesh koa dia tahaka ny nojirihan'ny vondrona Indiana mpijirika.

Narendra Modi, ila natolotry ny BJP hifaninana ho praiminisitra, vao mainka nanitrikitrika tamin'ny fanehoankevitra nandritra ny famoriam-bahoaka tany Bengal Andrefana :

Azonareo soratana tsara. Aorian'ny 16 May, tokony hiomana hangorona tsara ny entany  ireo Bangladeshis ireo.

 Tafiditra ao anatin'ny fandaharana asan'ny BJP ny momba ireo Bangladeshi mpifindra monina tsy manana taratasy, izay milaza fa nampiasaina hanabe ny vatom-pifidianan'ny antoko Kaongersim-Pirenena Indiana ry zareo hatrizay. Saingy ny fanehoankevitr'i Modi dia manondro azy io ho mety ho fitaovana politika ampiasain'izy ireo hanohintohinana ny mpifanolo-bodirindrina amin-dry zareo raha io antoko io no tonga eo amin'ny fitondràna.

Tsy tranganà fifindrà-monina tokan-jotra anefa ity. Mety hiatrika fahaverezan'ny ampahadimin'ny loharanom-bolany avy any ivelany goavana indrindra i India raha toa ka hiharatsy ny fifandraisana. Manodidina ny Indiana antsasaky ny iray tapitrisa no miasa any Bangladesh, ary nandefa 3,716 tapitrisa dolara Amerikana izy ireny ho any India tamin'ny taona lasa.

Niarahana nanoratra tamin'i Abdul Aleem Khan ity lahatsoratra ity

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.