Mamaky, Manoratra, Manangana, Ary Mifandray Amin'ny Boatin-kevitra

Manana filàna maika dia maika tahaka ny fahazoan-tsakafo sy ny rano madio, trano hialofana ary fitsaboana ireo mpitsoa-ponenana nandositra ny krizy mahaolona. Raha vao tontosa soa aman-tsara ireo filàna ireo, afaka mialokaloka any anaty toby mandritra ny volana maromaro ireo mpitsoa-ponenana ireo, na taona maromaro mihitsy. Miseho indray avy eo ny filàna manaraka tahaka ny fahazoana vaovao sy ny hanehoan'izy ireo ny fahaiza-mamorona.
Ny tetikasa vaovao antsoina hoe Ideas Box (Boatin-kevitra) dia mikasa hanentana ireo mpitsoa-ponenana amin'ny alalan'ny fanomezana azy ireo fitaovana tsy maintsy ilaina, votoaty sy loharano mba ho «vakiana, hanoratana, hananganana ary hampitaina.” Noforonin'ny fikambanana Libraries without Borders (Trano Famakiam-boky Tsy voasakan-tSisintany) (LWB) ary iarahany miasa amin'ny United Nations High Commissioner for Refugees (Vaomiera Ambonin'ny Firenena Mikambana Misahana ny Mpitsoa-ponenana) (UNHCR), manana rafitra mahaleotena misokatra ao anatin'ny 20 minitra ny tetikasa Boatin-kevitra, ary manome tablety 15, solosaina finday 4 hoan'ny fiarahamonina izay ahafahana miditra aterineto amin'ny alalan'ny fifandraisana amin'ny zanabolana, mpamaky teny antserasera 50, fandefasana horonantsari-mihetsika miaraka amin'ny efijery iray, hatramin'ny latabatra sy seza. Ahitana votoaty maimaipoana ihany koa ireo boky antserasera 5000 sy horonantsarimihetsika 100 azon'ireo mpampiasa ny Boatin-kevitra jerena. Misy ihany koa ny votoaty tsy mila aterineto azo idirana amin'ny alalan'ny endrika Wikipedia, Khan Academy, ary fitaovam-pampianarana antserasera hafa izay manome fampiofanana momba ny famoronana sy ny fandrafetana fandaharanasa informatika.

Amin'ity lahatsary fohy ity, namaha sy nanambatra ireo boatin-kevitra ny ekipan'ny LWB:

Misy ihany koa ny fifantohana manokana amin'ny famoronana, miaraka amin'ny fitaovana tahaka ny fakàntsary HD sy ny fitaovana GPS enti-tanana izay mandrisika ny fiarahamonina hamorona horonantsari-mihetsika, sary sy sarintany ifarimbonana avy amin'izy ireo manokana.

Notontosaina tao amin'ny tobim-pialokalofana tao Burundi ny fametrahana voalohany ny Boatin-kevitra tamin'ny volana Febroary 2014, nisy koa ny fikasana hametraka izany ao Jordania sy Liban ao amin'ireo tobim-pialokalofan'ny Syriana. Mampiseho ny fametrahana boaty tao Burundi ity lahatsary ity:

 

Natao anaty lahatsary fanadihadiana ao amin'ny bilaogin'ny Ideas Blog ireo tatitra voalohany tamin'ny fametrahana boaty tao Burundi, izay nizaran'ireo mpandrindra ny habaka ny zavatra niainan'izy ireo tamin'ny fifandraisana sy fampirotsahana an-tsehatra ny fiarahamonina ao amin'ny faritra. Nilaza i Benjamin avy ao Burundi fa mpisera maherin'ny 1000 no nahita tombontsoa tamin'ny fampiasana ireo fitaovana ireo nandritra ny volana voalohany. Nofintininy ny mampiavaka ireo mpiserasera ao amin'ny toby ao Burundi:

Thirty 10-year old children who laugh enthusiastically in front of the cartoon “Kirikou”; two 50-year olds who discover the tablets; men who come in daily to read about the history of the Congo; students who come 2 hours per day to take notes and prepare for their classes; young girls who spend their day reading books and watching at videos; 4th graders who come together after school to go work on their grammar or their African geography with great concentration…and all the other hundred of refugees who come and observe with curiosity…the refugees have no difficulty taking ownership of the Ideas Box.  

Ankizy 10 taona miisa telo-polo mitokelaka am-pientanentanana manoloana ny sarimiaina “Kirikou”; olona 50 taona roa mahita voalohany izany atao hoe tablety; lehilahy tonga isan'andro mba hamaky ny tantaran'i Congo; mpianatra tonga adiny roa isan'andro mandray naoty sy manomana ny fianaran'izy ireo; tovovavy mandany ny andron'izy ireo mamaky boky sy mijery lahatsary; Mpianatra taona faha-4 manao rodobe mivory aorian'ny fianarana mba hianatra fitsipi-pitenenana na ny geografia Afrikanina ao anatin'ny fifantohana tanteraka … ary ireo mpitsoa-ponenana rehetra hafa anjatony tonga sy mijery liana te-hahafantatra … tsy manana olana amin'ny fakàna ny boatin-kevitra ho azy ireo mpitsoa-ponenana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.