Hamafisin'ny Lalàna Miaro Ny Tontolo iainana Ao Shina Ny Sazy Ho An'ireo Mpandoto

Smog in Linfen, China. The city has been named one of the world's most polluted by various organizations. Photo by Flickr user sheilaz413. CC BY-NC-ND 2.0

Zavon-tsetroka ao Linfen, Shina. Tanàna tondroin'ireo fikambanana samihafa ho iray isan'ny tanàna faran'izay maloto indrindra manerana ny tany. Sary avy amin'i sheilaz413, mpampiasa Flickr. CC BY-NC-ND 2.0

Tsy hanarontsarona intsony ny sazy ara-bola natao ho an'ireo orinasa noho ny fandotoana i Shina ao anatin'ilay ezaka izay vaovao hiatrehana ny fepetra momba ny fahasimban'ny tontolo iainana, ao anatin'ny hatezerana tsy mitsaha-mitombo avy amin'ny vahoaka mikasika ny fihazakazaky ny fandotoana. 

Ny hetsika farany izao dia voasoratra ao anatin'ny fanitsiana ny lalàna nasionaly momba ny tontolo iainana, izay nolanian'ny sampana mpanao lalàna tao amin'ny firenena tamin'ny herinandro lasa, taorian'ny fifanakalozan-kevitra nandritry ny roa taona teo amin'ireo manampahaizana sy ny manampahefana. Ilay lalàna nasiam-panovàna momba ny tontolo iainana dia hiditra hanan-kery manomboka amin'ny 1 Janoary 2015. Tamin'ny 1989 no nolaniana ilay lalàna teo aloha.

Nohamafisin'ny fampahalalam-baovao Shinoa fa ireo fanovàna dia mametraka ilay lalàna vaovao momba ny tontolo iainana ho ny henjana indrindra tato anatin'ny 25 taona. Manome fahefana bebe kokoa an'ireo sampan-draharaha misahana ny tontolo iainana hampiasa ny fahefana hanasazy ireo mpandoto matanjaka io lalàna vaovao io. Manome toky ny hiaro ireo “tsipika mena” ihany koa, ilazana ireo loharano sy tontolo voajanahary tandindonin-doza.

Afenin'ireo manampahefana ao ambadik'io sazy io ihany koa ny hoe mety hanome fahalalahana bebe kokoa ho an'ny isam-batan'olona ry zareo hanao fanenjehana araka ny lalàna raha mahita fanimbàna tontolo iainana, izay mbola mitoetra ho sehatra saropady mampifanditra ao Shina. 

Ny firidandridan'ny firoboroboana ara-toekarena tao Shina dia narahan'ny fandotoana tafahoatra ny tontolo iainana, miaraka amin'ireo orinasa izay matetika tsy mety mampihatra ireo lalàna momba ny tontolo iainana. Ny fitomboany isan-taona manaraka tarehimarika roa tato anatin'ny taompolo telo lasa izao dia namadika ilay firenena ho lasa ny toekarena faharoa goavana indrindra eto amin'izao tontolo izao aorian'i Etazonia, saingy novidian-dafo ilay lasitra “fandrosoana amin'ny fomba rehetra”, ho an'ny rivotra iainana ao amin'ny firenena, ny rano sy ny tany, olana goavana ho anà vahoaka mahazo hery amin'ny media sosialy izay andefasan'izy ireo ny kaikitra ataony.

Ny fanovàna ny lalàna momba ny tontolo iainana ao Shina dia maneho ny filàna maika miatrika ny fandotoana satria mihodina ao anaty fahalotoana mihanaka be ny firenena. Tonga fotoana fohy taorian'ny namoahan'i Shina tatitra iray mampieritreritra izy ity, izay miaiky fa efa manakaiky ny ampahadimin'ny toeram-pambolena ao amin'ny firenena no voaloto.  

Liu Meng, mpiasa iray ao amin'ny Firenena Mikambana misahana manokana an'i Shina, no nanazava ny dikan'ilay lalàna ho an'ireo ONG ao amin'ny sehatra fitorahana bilaogy madinika Sina Weibo : 

过去由于一些高污染行业的“GDP效应“导致了地方政府的保护,NGO组织和环保律师在起诉污染行业方面存在阻力。新的修订案赋予一些社会组织向”污染大户“提起公益诉讼的权利,中国的非政府组织会在环保监督和推动方面将发挥更大的作用。近日河北正式启动公众参与环境保护立法,走在了前列!

Noho ny “fiantraikan'ny PIB (harinkarena faobe)”, fahiny dia marobe ireo orinasa tena mpandoto no misitraka fiarovana avy amin'ny manampahefana ao an-toerana, sahirana mihitsy ireo ONG sy mpisolovava mpiaro tontolo iainana manenjika ireo orinasa mpandoto ireo. Ilay fanovàna vaovao dia manome lanja kokoa ny  zon'ireo fikambanana sosialy hanenjika “ireo orinasa tena mpandoto”, araka izany dia hitàna anjara asa goavana be amin'ny fanaraha-maso ny tontolo iainana ireo ONG ao Shina. Tato anatin'ny herinandro vitsy lasa, ny faritanin'i Hebei dia nanambara fa hametraka fandaharanasa hahafahan'ny daholobe handray anjara amin'ny fanaovana lalàna momba ny tontolo iainana, efa sava-làlana sahady io!

nanoratra tao amin'ny Weibo i Zhu Haijiu, mpampianatra haitoekarena, monina ao Zhejiang :

环境的悲剧,本质上是法治的悲剧,是法治沦陷的体现。  

Ny antony fototra mitera-doza amin'ny tontolo iainana dia ny loza apetraky ny fampiharana ny lalàna, mampiseho ny fiharatsian'ny lalàna io.

Tany amboalohany tany, nolazain'i Zhu tamin'ny Ifeng.com fa lasa aloha loatra raha izao no hieritreritra ny fandrosoan'ilay fanavaozana : 

新修订的环保法赋予环保部门更大的执法权来惩治污染企业,这算不算一个进步?笔者不这么认为,我们不能在“环保部门权力扩大”和“环境治理变好”之间划上等号。问题不在于环保部门执法力度够不够大,而在于执法能不能得到有效的监督,公众有没有途径对不作为的环保部门问责。因此,对不得力的环保执法部门的惩罚力度加大,而不是对污染企业的惩罚力度加大才算真正的进步。

Hanome fahefana be an'ireo manampahefana ho afaka hanasazy ireo orinasa mpandoto ilay fanavaozana, saingy mampiseho ny fandrosoany ve izany? Tsy dia izay raha ny hevitro. Tsy azontsika alahatra hitovy “ny sampan-draharaha matanjaka iray misahana ny tontolo iainana ” sy ny “fahaizana mitantana am-pahamendrehana ny tontolo iainana”. Ny olana dia goragora ny fampiharana ny lalàna ary tsy naraha-maso araka ny tokony ho izy, fanampin'izany ny tsy fananan'ny vahoaka fantsona iray ahafahany mitàna ho tompon'andraikitra ireo manampahefana ara-tontolo iainana. Vokany, raha mbola tsy vitantsika ny manamafy ny fepetra famaizana ireo manampahefana momba ny tontolo iainana fa tsy ny orinasa mpandoto fotsiny, tsy afaka hiteny isika hoe tena fandrosoana izany.

Tamin'ny fitsongoana orinasa iray miteraka fandotoana tao Foshan ao amin'ny faritain'i Guangdong, i “holdon2014″, mpampiasa Weibo, dia nanolotra fanehoan-kevitra iray somary fanalàna azy hoe: 

你们创收的机会来了,处罚道明化工一厂保证你们罚到手软,年终奖领不完。

Tonga ny fotoana azonareo hanangonam-bola! Tsy hisy fetra ny fotoana ahafahanareo manome lamandy (sazy ara-bola) ny orinasa laharana 1, Daoming, mpamokatra akora simika, ary dia ho tsara tokoa ny tamby isan-taona ho azonareo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.