Bilaogy Bus: Kaonferansy Ny Media Mandehandeha Ao Palestina

Mankany amin'ny teny Arabo avokoa ny rohy rehetra ao amin'ity lahatsoratra ity, raha tsy misy fanamarihana hafa.

“Adino ny zava-mitranga rehetra izay tsy voatatitra any amin'ny fampahalalam-baovao, na koa tsy misy olona mibilaogy” – Saed Karzoun, mpanao gazety Palestiniana, bilaogera sy mpanorina ny Bilaogy Bus.

The famous bus which takes bloggers, activists and journalists to explore and report on the various issues in Palestine

Mitatitra ireo bilaogera, mpikatroka sy mpanao gazety mba hitatitra ireo karazana olana ao Palestina ny Bilaogy Bus.

Ny bilaogy Bus dia mamondrona ireo bilaogera, mpikatroka, olo-tsotra manoratra gazety, mpanoratra izay efa mifankafantatra ao amin'ny aterineto, saingy sambany hihaona mivantana.

One "Blog Bus" participant talks with a group of children in Jordan Valley. She hears about their daily life, problems, and dreams.

Mpandray anjara iray amin'ny “Bilaogy Bus” miresaka amin'ireo vondron'ankizy ao amin'ny Lemak'i Jordana.  Mihaino azy ireo miresaka momba ny fiainana andavan'andro, ny olana sy ny nofinofin'ireo ankizy izy.

Mivezivezy manerana ireo faritra ao Palestina ny fiaram-pitaterana (bus) mba hitatitra ireo olana isan-karazana: ny ahiahin'ny tanora, ny olan'ny vehivavy, ny tsy fananan'asa, ireo olana mifandraika amin'ny fibodoan'i Israely, sy ny sisa.

Mampiasa ny fitaovany nomerika izay tiany ireo mpanoratra tsirairay avy ao anatin'ny fiara mba hitatitra momba ireo olana. Raha lazaina fohifohy, dia azontsika antsoina hoe “fivoriana ao an-efitra fanoratan'ny bilaogera mivezivezy” izany.”

Araka ny filazan'ny bilaogin'i Karzoun, ity tetikasa ity dia mikendry [ar] hanambatra ny ezak'ireo vondrona bilaogera mieli-patrana izay te-hifantoka manokana ao amin'ny faritra misy azy ireo – saingy miaraka amin'ny bilaogy bus mba ahafahana miara-mandinika ireo olana ankapobeny.

"Electricity doesn't reach Jordan Valley in the 21st century. #Blogbus" reads the slogan carried by this participant in the first trip of the "Bloggers Mobile Conference"

“Tsy mbola tonga ao amin'ny Lemak'i Jordana ny herinaratra amin'izao taon-jato faha-21 izao, hoy ny vakin'ity sorabaventy #Blogbus” avy amin'ity mpandray anjara ity, nandritra ny fandehanana voalohany tamin'ny “Fivoriana ao an-efitra fanoratan'ny bilaogera Mivezivezy”

Amin'ny alalan'ny tatitra ataon'izy ireo mikasika ny faritra sy ny olana ao aminy, manantena ireo bilaogera mba hahasarika ireo fampahalalam-baovao mahazatra sy ireo tompon'andraikitra mpanapa-kevitra izay afaka manatsara ny fari-piainan'ireo mponina ao amin'ny faritra.

Tsy voafetra amin'ny fanoratana bilaogy ny ataon'ireo mpandray anjara amin'ny Bilaogy bus fa mampiasa fandraketam-peo, lahatsary Youtube, Twitter, Facebook, Google+, fandaharana mandeha mivantana, ary koa fampiharana amin'ny finday raitra (smartphone) ihany koa.

Nanomboka ny diany tamin'ny 27 January 2014 ny bus, tamina fandehandehanana tao amin'ny Lemak'i Jordana, ao amin'ny sisintany anelanelan'i Ampitan'i Jordania sy Jordania.

The invitation for the first tour of "Blog Bus"

Fanasana tamin'ny andiany voalohany tamin'ny bilaogy bus

Tohanan'ireo fikambanana isan-karazany iraisam-pirenena sy ao amin'ny faritra, nahasarika betsaka ireo fampahalalam-baovao ny Bilaogy Bus, izay nidera ny asan'izy ireo, sy nanasongadina ny andraikitr'izy ireo amin'ny fampahafantarana ny fahasarotam-piainana ao Palestina.

Ny Bilaogy Bus em-perinasa:

Dingana maranaka …

Ny dingana manaraka hotontosain'ireo mpikarakara ny Bilaogy Bus dia ny hamorona fampiharana hoan'ny tetikasa, izay hahafahan'ireo bilaogera hiditra aterineto mivantana ary mandefa izay zava-misy ao amin'ny sehatra Bilaogy Bus. Sary, lahatsary, sarintany, fandraketam-peo, fanehoan-kevitra sy fanontaniana avy amin'ny mpamaky no havoaka amin'izany, hoy i Saed tamin'ny tafatafa amin'ny mailaka nifanaovany tamin'ny Rising Voices. Nilaza ihany koa izy fa hasaina handray anjara amin'ny fandehandehanana amin'ny fiaram-pitaterana ihany koa ireo tompon'andraikitra mpanapa-kevitra sy olo-malaza mahatarika lona mba hamaly ny fanontanian'ireo bilaogera mandritra ny fivoriana hoan'ny rehetra. 

Ny Bilaogy Bus dia anisan'ny tetikasa lehibe YouKnow (Fantatrao), izay mikendry hanatsara ny fahazoam-baovao ao Palestina ary anisan'ny voafantina tamin'ny Loka Hult tamin'ity taona ity.

The bloggers

Ireo bilaogera andiany voalohany tamin'ny Bilaogy Bus.

Nahazoan-dalana avy amin'ny Bilaogy Bus avokoa ireo sary nampiasaina rehetra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.