Manangana Ny Maty Hiadiana Amin'i Okraina

Images remixed by Andrey Tselikov.

Sary nafangaron'i Andrey Tselikov.

Raha manao sarinady amoron'ny sisintany Okrainiana ny miaramila Rosiana, miaraka amin'ny voambolam-pihantsiana ady avy amin'ny Parlemanta Rosiana, izay tsy ampy hisian'ny tahotra, dia faly ny bilaogeran'ny RuNet hanampy tosika!

Tamin'ny 25 Avrily 2014, i Aleksandr Sokoloff, izay mamelona blaogy malaza ara-miaramila ao amin'ny LiveJournal, dia namoaka lahatsoratra [ru] izay niantsoany ny fifantohana amin'ireo sary nopihana tao amin'ny fivoriana tao amin'ny Minisiteran'ny Fiarovana vao haingana. Io ny fivoriana nanambaran'ny minisitry ny fiarovana Sergei Shoigu ny fanombohan'ny kilalaon'ady izay mahasorisorena ny rehetra. Manoratra i Sokoloff fa mametraka azy ho olona “manaraka toetr'andro”, “mipararetra” ireny sary ireny.

Ny teny tiany marihina manokana moa dia ny sarin'ny lehilahy iray 78 taona ao anaty fanamiana miaramila, Vladimir Lobov, Jeneraly “Chief of Staff” farany nandritra ny vanim-potoana Sovietika, ary raha araka ny filazan'i Sokoloff dia retirety tamin'ny 1994. Amin'ny maha-“Chief of Staff” azy, hoy ny soratr'i Sokoloff, dia niandraikitra amin'ny fikarakarana hananihana an'i Eoropa i Lobov, indrindra fa amin'ny fampiasana fiara mifono vy maro. Tompon'andraikitra tamin'ny fanaraha-maso ny fanaovan'ny Sovietika sarin'ady, iray amin'ny lehibe indrindra teo amin'ny tantara, ihany koa i Lobov.

Ny fehin-kevitr'i Sokoloff tamin'ny fahitana an'i Lobov, ilay lehilahy nivoaka tamin'ny retiretiny, manao fanamiana nandritra ny fioriana tao amin'ny Minisiteran'ny Fiarovana, dia midika zavatra tokana ihany:

Российская Федерация действительно серьёзно готовится к полномасштабной войне и это последний намёк Западу, что в случае необратимого развития событий речь может пойти не о расчленении Украины по Днепру, а о расчленении Европы по Ла-Маншу.

Tena mivonona amin'ny ady feno tokoa ny Federasiona Rosiana, ary ity no torohevitra farany atao amin'ny Tandrefana, fa raha mitohy amin'izao anaovany azy izao ny toe-draharaha, ny tanjona farany dia tsy ny fivakisan'i Okraina eo Dnieper ihany, fa amin'ny fivakisan'i Eoropa hatreo amin'ny Lakandranon'i La Manche.

Nahazo fanehoan-kevitra mihoatra ny arivo ny lahatsoratr'i Sokoloff nandritra ny andro nanoratany azy, ka moisy ny mitovy hevitra aminy ary misy ny tsy matoky izany. Niely ihany koa izany tao amin'ny VKontakte sy ny Facebook, nisy namoaka indray [ru] koa tahaka ny nasionalista Sputnik & Pogrom.

Taorian'izany i Marina Yudenich, mpanoratra iray manana fifandraisana amin'i Kremlin sady blaogera mpanohana ny governemanta, niezaka ny hanome antoka indray [ru] ny mpamakiny. Tamin'ny fandrabirabiana ny manampahaizana ambony seza malemy tahaka an'i Sokoloff, dia nolazainy fa raha efa naka retirety amin'ny maha-miaramila azy tamin'ny fomba ofisialy i Lobov 20 taona lasa izay, dia mbola mitoetra ho “lohalaharana amin'ny famakafakana” azy ao amin'ny biraon'ny “Mpanara-maso ankapobeny” azy ao amin'ny Minisiteran'ny Fiarovana Rosiana . Amin'izany toerana misy azy izany, dia tonga izy rehefa mist fivoriana lehibe ao amin'ny Minisiteran'ny Fiarovana, tahaka izay efa nitranga, ary ao anaty fanamiana hatrany.

Raha raisintsika amin'ny lanjany atrehintsika izany fampafantarana nataon'i Yudenich avy ao anatiny izany, dia lavidavitra ihany amin'ny zavamisy angamba izany ady goavana tian'ny blaogera hampinoana ny mpamakiny azy izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.