Coasters, Combis Ary Fikorontanana : Fitateram-Bahoaka Any Lima

Combi and Coaster minibuses in Lima. Photo by Flickr user Solangel Giannopoulou. CC BY-NC-ND 2.0

‘ Minibus’ Combi sy Coaster any Lima. Sary avy amin'ny mpampiasa  Flickr Solangel Giannopoulou. CC BY-NC-ND 2.0

Niisa 8.693.387 ny mponina ao amin'ny tanànan'i Lima tamin'ny Janoary 2014 araka ny tatitra nataon'ny Ivon-toerana Nasionaly Peroviana momba ny antontan'isa sy ny Informatika (INEI no filaza azy amin'ny teny Espaniola). Heverina fa hahatratra 8.755.262 ny isan'ny mponina amin'ny distrika 43 mandrafitra ny renivohitra amin'ny faran'ny volana Jona, izany hoe ny 28.4 isanjaton'ny mponina 30,8 tapitrisa ao amin'ny firenena.

Tsy maintsy ilaina ny fitateram-bahoaka amin'ny tanàna be olona tahaka izany, saingy sady tsy ampy no mikorontana ny rafitry ny fitateram-bahoaka ao Lima. Ny zava-misy ankehitriny dia ny fifangaroan'ireo fitaterana tranainy sy maoderina, ahitana ny rafitra fiara fitateram-bahoaka haingam-pandeha Metropolitano izay an'ny tanàna ihany, niasa vao an-taonany vitsivitsy, sy ireo fiara ‘minibus’ an'olon-tsotra toy ny Toyota Coasters sy ny fiara madinidinika mpisetrasetra fantatra amin'ny hoe “combis”.

Miatrika ady lehibe amin'ny filàna fanavaozana ny fitaterana ny governemanta. Nohazavain'i Matteo Stiglich, mpianatra ho manam-pahaizana ambony amin'ny fandrindrana ny tontolo an-drenivohitra ao amin'ny oniversiten'i Kolombia tao amin'ny bilaoginy  Lugares comunes [es] tamin'ny Oktobra 2012 fa: 

La reforma del sistema de transporte público que está implementando la Municipalidad de Lima es necesaria y, si es que logra ser ejecutada como está siendo planeada, puede convertirse en uno de los mayores logros de la presente gestión.

En primer lugar, la reforma corre el riesgo de convertirse en una mayor regulación del transporte no-privado (transporte público y taxis) sin tocar a los principales generadores de congestión vehicular: los autos privados.

[…] La reforma del transporte, tanto en el discurso como en la práctica, no considera el hecho de que el tráfico privado sea el principal causante per cápita de la congestión. Si menos gente viajara en auto privado y más en transporte público (incluyendo colectivos), los tiempos de viaje de todos, en promedio, se reducirían.

Tena ilaina amin'ny lafiny rehetra ny fanavaozana ny rafitry ny fitateram-bahoaka ataon'ny fitondrana any Lima ary raha toa ka araka izay efa niheverana azy ny fandehan'izany fanavaozana izany dia ho isan'ny zava-bita iray goavana  nataon'ny fitondrana ankehitriny izany.

Voalohany, miatrika ny mety hahalasa azy ho fandrindrana misimisy kokoa ny fitaterana iombonana ( fiara fitateram-bahoaka sy ny fiara karetsaka) io fanavaozana io, tsy voakasik'izany ireo miteraka ny fitohanan'ny fifamoivoizana : fiaran'olon-tsotra.

[…] Ny fanavaozana ny fitaterana, na amin'ny lahateny na amin'ny fampiharana, dia tsy mijery akory hoe ny fiaran'olon-tsotra no mety ho tena antony mahatonga ny fitohanan'ny fifamoivoizana. Raha ohatra ka vitsy ny olona mampiasa ny fiarany ka mandeha amin'ny fiara iombonana (isan'izany ny fiarabe fitateram-bahoaka) dia mety hihena ny salan'ny fotoana lany eny an-dàlana ho an'ny olon-drehetra.

Faritan'ny bilaogy Munay hoe toy ny ahoana izany fandehanana amin'ny coaster iray ao Lima izany:

Nos encontramos en un espacio reducido y la única situación que deseamos controlar es la de encontrar un asiento. Estamos alertas ante cualquier movimiento y todos se abalanzan ante la inesperada desocupación de un espacio, que lamentablemente no será para ti si es que no estás alerta. Es una lucha constante.

Faritra tery no misy anay ary ny zavatra tokana hany azonay fehezina dia ny fitadiavana seza. Malina amin'ny fihetsika rehetra izahay ary ny rehetra dia mifandrombaka maka izay seza tsy misy mpipetraka tampoka eo amin'ny fotoana tsy ampoizina izay indrisy fa tsy ho anao raha tsy mitandrina ianao. Tolona tsy miova izany.

Tamin'ny  fanadihadiana natao  [es] teo anelanelan'ny 4 sy ny 8 Aprily 2014, ny  47 isanjaton'ny mponin'i Lima[es] no mihevitra ny fitateram-bahoaka ho ratsy ary ny 36 isanjato hafa kosa  mihevitra izany ho ara-drariny. Ny dimy ambin'ny fitopolo isanjato dia mihevitra fa tsy nanao na inona na inona ho fanatsarana ny tolotra ny mpitantana ny tanàna.

Miovaova ny hevitra ao amin'ny Twitter :

Ho an'izay resevera-nà ‘combi’ manaraka eo ka miteny amiko hoe ” Ahoana, handeha ianao ?”, hongotako amin'ny tandramokotra arafesina ny lelany.

Olona roa no miasa amin'ny combi amin'ny ankapobeny : ny mpamily  ary ny mpanampy ( resevera) izay mandray ny saran-dàlan'ny mpandeha sy miantsoantso mafy ny làlana alehan'ilay fiara.

Misy bitsika hafa milaza ny taha ambonin'ny lozam-pifamoivoizana aterak'ireny fiara ireny :

Fahagagàna raha mbola velona feno 40 taona aho amin'ireto combis mpamono olona amin'izay aleha ireto. :/

Combi iray, fitateram-bahoaka no tompon'antoka tamin'ny lozam-pifamoivoizana vaovao iray tamin'ny làlan'ny Metropolitan-n'i Lima.

Combi iray mbola tokony handoa S/.38.000 (13,600 dolara Amerikana) aminà onitra no nifandona taminà fiara vaventy ka naharatràna mpandeha 13.

Nibitsika ilay mpanao gazety fanta-daza Beto Ortiz :

Mitovy ny fandehanana amin'ny combi sy ny fiaran'ny tena any Lima. Mety ho voatànan'ny fitohananan'ny fifamoivoizana na aiza na aiza ianao. 10km isan'ora ny hafainganam-pandehanao. 50 minitra miala ao J Prado mankany Larcomar !

Fa angamba ilay mpanao sariitatra Andrés Edery [es] no tena mahalaza tsara ilay toe-draharaha :

- Any amin'ny toerana ahitànao ” fihazakazahana tsy ampiheverana handray mpandeha iray” ianao, mahita ” fifaninanana malalaka” isika.
– Izany no lalànan'ny tsena.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.