Dia Veloma Atoa Durov, ary Misaotra Tamin'izay Natao

Pavel Durov, ousted from Vkontakte, for good. Images mixed by author.

Pavel Durov, voaroaka, tokoa tamin'ny Vkontakte. Sary namboarin'ny mpanoratra.

Taorian'ny herintaona nanjakan'ny tsaho, dia nandroaka ny mpanorina sady Filoha Tale Jeneraliny, Pavel Durov, ihany ireo mpitana ny renivolan'ny Vkontakte, tambajotra sosialin'i Rosia lehibe indrindra. Ao anatin'ny fanapahakevitra hafahafa momba ny raharaha anatin'ny VK, dia nofaranan'ny orinasa androany (fotoana nanoratana ny lahatsoratra amin'ny teny anglisy) amin'izay lazainy ho noho ny antony teknika ny asan'ny mpanorina azy, ka nilazany fa tsy nofoanan'i Durov mihitsy ny taratasy fialany tamin'ny 21 marsa 2014. Efa nilaza ampahibemaso anefa i Durov fa tsy nihevitra ny hiala amin'ny VK izy, ka nilaza fa misy ampahany fetin'ny lainga iny ary misy ampahany paikady hanosehany ny mpifaninana aminy hihetsika.

Nilaza amin'izao fotoana izao ny Vkontakte fa tsy niverin-dalana tamin'ny fialany mihitsy i Durov. Nilaza tamin'ny fampitam-baovao ny tale amin'izao fotoana, Dmitri Sergeev (ilay lehilahy vao niaro an'i Durov tamin'ny fanodikodinana ny volan'ny orinasa tamin'ny volana marsa teo) fa iray volana izany no lasa tamin'ny nilazan'i Durov tamin'ny filakevi-pitantanan'ny VK ny fikasany hiala, ka mihatra amin'izao fotoana izao ny fialany.

Maro ny fotoana tamin'ny herintaona ny heverina fa efa vita ny fandroahana an'i Durov amin'ny Vkontakte. Isaky ny mitranga ny tahaka izany dia miezaka ny mitazona ny asany ity tanora manampahaizana 29 taona amin'izao fotoana izao tsy mety fehezina ity. Na dia mbola mila fintandremana aza, dia afa-manambara ihany izahay fa tonga eo amin'ny gara fialany i Durov. Tamin'ny herinandro, angamba hiomanany amin'ny vaovaon'ny androany (tamin'ny fotoana nanoratana ny lahatsoratra), dia navoakany fa nanindry ny Vkontakte ny governemanta rosiana hizara ny ango-tahiry (data) ao aminy momba ireo mpandrindra ny Vondrona Euromaidan sy hanakatona ny vondron'i Alexey Navalny miady amin'ny kolikoly ao aminy. Tamin'ireo fotoana roa ireo, dia nilaza i Durov fa nataony niala maina ny manampahefana federaly. Ankehitriny, tonga angamba ny valin-kafatra avy amin'ireo Rosiana mpifehy ny fahefana.

Tao amin'ny fanambarana nivoaka tao amin'ny pejiny Vkontakte androany i Durov no namoaka ny fanapaha-keviny “hanaiky ny fialany,” milaza fa eo ambany fifehezan'i Alisher Usmanov, izay miara-tompon'ny vondrona Mail.ru (mpitana ny ampahan-drenivola betsaka ao amin'ny VK), sy Igor Sechin, izay lazain'ny tsaho ho manana fifandraisana UCP (mitana ampahan-drenivola kely ao amin'ny VK) ankehitriny ny orinasa. Ny mahavariana, dia tsy nanonona mihitsy ny anaran'i Ilya Sherbovich, filohan'ny UCP, i Durov, fa nivantana avy hatrany any amin'i Sechin, izay malaza ho “ray mpiahy” ny orinasa.

Izao manaraka izao kosa dia ny dikantsoratra manontolo tamin'ny fanambarana nataon'i Durov tamin'ny 21 Avrily 2014.

Судя по новостям, в результате моего публичного отказа на прошлой неделе, сегодня меня уволили с должности генерального директора ВКонтакте. Интересно, что у акционеров не хватило смелости сделать это прямо, и о своем загадочном увольнении я узнаю из прессы.

Как сообщается, совет директоров ВКонтакте сегодня *внезапно* обнаружил, что отзыв моего заявления об уходе с поста генерального директора 3 апреля (который они до этого публично приняли), оказался оформлен “не по всем правилам”, поэтому я автоматически освобождаюсь от должности. Насколько я понимаю, эта непрозрачная позиция является общей для всех акционеров.

Таким образом, сегодня ВКонтакте переходит под полный контроль Игоря Сечина и Алишера Усманова. Наверное, в российских условиях нечто подобное было неизбежно, но я рад, что мы продержались 7 с половиной лет. Мы многое успели. И часть того, что было сделано, уже не обратить вспять.

Raha jerena amin'ny alalan'ny vaovao, ho setrin'ny fandavako [hiasa miaraka amin'i Kremlin] tamin'ny herinandro, dia noroahin-dry zareo amin'ny maha tale jeneralin'ny Vkontakte ahy aho. Mahavariana fa tsy nahasahy niteny izany mivantana tamiko ireo mpitana ampahan-drenivola, tamin'ny alalan'ny famoaham-baovao no nandrenesako ny fialako.

Notaterina fa nanapa-kevitra *tampoka* ny filakevi-pitantanan'ny VK androany fa ny taratasy fametrahako fialana (izay efa neken-dry zareo ampahibemaso hatramin'izao) dia “tsy mifanaraka amin'ny fitsipika mipetraka,” ka noho izany dia miala hoazy amin'ny toerana misy ahy aho. Araka ny fahazoako azy dia mitovy hevitra amin'ity hevitra tsy mazava ity ny mpitana ampahan-drenivola rehetra.

Vokatr'izany dia eo ambany saokan'i Igor Sechin sy Alisher Usmanov manontolo ny Vkontakte androany. Raha jerena ny toe-draharaha rosiana, dia tsy azo idifiana hatramin'ny voalohany ny tranga tahaka izao, saingy faly aho fa nahajoro fito taona sy tapany izahay. Nahavita zavatra maro izahay. Ary tsy azo niverenan-dalana ny zavatra sasantsasany nataonay.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.