Tontolo Arabo: Veloma Farany Hoan'i Gabriel Garcia Marquez

Misaona ny fahafatesan'ilay Kolombiana nahazo ny loka Nobel, izay maty tamin'ny faha-87 taonany tao an-tranony any Mexico City ny mpiserasera Arabo.

Mametraka ireo voambolana amin'izay tsapan'ny maro ao amin'ny Twitter i Yasmine Zohdi:

Maty i Márquez – nandao ny tany androany ilay nahavita mazia kely.

Nanamarika ilay Jordaniana Shaden Abdelrahman fa [ar]:

Malahelo ny foko adroany alina #Marquez

Ary manazava ilay Maraokana mpanoratra Laila Lalami:

Tsy misy hafa mahavita manoratra tsara kokoa mombany fahotan'ny fireharehana, ny fanolikolen'ny fahefana ary ny famelan-keloky ny fitiavana. Halahelo anao aho ry Gabriel García Márquez.

She also shares her own photograph reading One Hundred Years of Solitude and the impact reading it had on her as a writer:

Izaho, 23 taona, mamaky ny ‘Zato Taona Naha-Irery’ ary manontany tena hoe dia inona indray no tokony hosoratana aorian'izany.

Mizara ny tsiarony tamin'ny famakiana izany boky izany indrindra ilay mpanao matoandahatsoratra avy any Emirà Arabo Mitambatra Sultan Al Qassemi. Hoy ny siokany:

Mandria am-piadanana Gabriel García Márquez. Tsaroako ny namakiana ny zato taona naha-irery raha tany amin'ny hopitaly ny raiko nialoha kely ny nahalasanany 10 taona lasa izay

Mohamed AbdelRahman nanararaotra nanao hatsikana momba ilay filoha alzeriana Abdelaziz Bouteflika, izay efa teo amin'ny fitondrana nandritra ny 15 taona, ary mbola nahazo ny fandresena hitondra faninefany misesy indray androany (19 Avrily 2014) na dia eo aza ny faharatsian'ny toe-pahasalamany [ar]:

Misaona an'i Marquez avokoa ny mpitondra rehetra manerana izao tontolo izao ankoatra an'i Bouteflika satria maty talohany ilay ranamana

Nanampy teny ilay Bahrainita Eyad Ebrahim:

Mandria am-piadanana Gabriel García Márquez. Hanome aingam-panahy ho an'ny taonjato maro hoavy ireo bokinao.

Ary namehy azy i Omani Nabhan Salem [ar]:

Veloma Farany Ry Marquez.
Mbola hitohy ny fanavaozana ataonao na dia efa maty aza ny vatatenanao.
Tsy ho faty mandrakizay ireo niteraka fitalanjonana tamin'ny haranita-tsaina sy ny literatiora tahaka anao

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.