Nolavin'ny Fitsarana Shinoa Ny Fitoriana Mikasika Ny Loton-drano Ao Lanzhou

Nolavin'ny fitsarana Shinoa ny fitoriana ilay orinasa mpamatsy rano ao Lanzhou izay napetrak'ireo mponina miisa dimy noho ny fisiana benzène miteraka homamiadana tafahoatra amin'ny rano amin'ny paompy.

Nilaza ny Fitsarana Mpanelanelana ny Vahoaka ao Lanzhou fa tsy nahafeno ireo fepetra ara-dalàna ilaina amin'ny fametrahana fitoriana amin'ny anaran'ny vahoaka mikasika ny loto araka ny voalazan'ny fehezan-dalàna sivily andininy faha-55 ireo olona dimy ireo. Milaza ny andinin-dalàna fa “ireo sampan-draharaha sy fikambanana voalazan'ny lalàna ihany” no manana alalana hametraka fitoriana mikasika ny loto. Amin'ity raharaha ity, ny Federasiona Shinoa misahana ny Tontolo Iainana eo ambanin'ny biraon'ny tontolo iainana ihany no afaka mametraka fitoriana.

A map of tap water incidents in China in the past few years. (Picture from Sina Weibo)

Sarintany misy ireo loza mifandraika amin'ny loton'ny rano amin'ny paompy ao Shina nandritra izay taona lasa izay. Sary avy amin'ny Sina Weibo.

 

Tamin'ny 11 Aprily, nangataka tamin'ireo mponina ny governemantan'ny tanàna mba tsy hisotro rano amin'ny paompy ao anatin'ny 24 ora taorian'ny fizahana natao izay nahitana fa nahatratra in-20 avo heny amin'ny fetram-piarovana nasionaly ny tahan'ny benzene amin'ny famatsian-drano. Mponina maherin'ny 2 tapitrisa no voakasik'izany loton-drano izany.

Miankina betsaka amin'ny Renirano Mavo i Lanzhou amin'ny famatsian-drano, tanàna indostrialy manana mponina 3,6 tapitrisa ao avaratra-andrefan'i Shina. Tao anatin'izay taona vitsy izay, niaina fampiasam-bola mihoa-pampana ny tanàna satria namelabelatra fisantaran'andraikitra isan-karazany hampandrosoana ny toekarena ao amin'ireo faritra andrefana tratra aoriana ara-pandrosoana ny fanjakana.

Nilaza tamin'ny Reuters i Wang Canfa, mpampianatra lalàna momba ny tontolo iainana fa mahalana ireo fitsarana mandray fitoriana apetraky ny olona iharan'ny loto momba ny tontolo iainana.

Maro ireo mpisolovava mihevitra fa tsy ara-dalàna ny fitsipahan'ny fitsarana manokana ilay fitoriana. Nanoratra tao amin'ny habaka bilaogy madinika malaza Sina Weibo ilay mpampianatra lalàna Shinoa Xu Xin:

原告只要喝过污染的水,就与本案有直接利害关系,法院应当受理。这是公民提起的普通民事诉讼,法院不受理是违法的。希望更多个人提起诉讼。同时,希望中华环保联合会等依第55条提起公益诉讼

Raha mbola misotro rano voaloto izy ireo, dia lasibatra mivantana amin'ity raharaha ity, tokony eken'ny fitsarana ny fitorian'izy ireo. Manitsakitsaka lalàna ny fitsarana amin'ny tsy fanekena ny hetsika sivily ataon'ny olom-pirenena. Mino aho fa marobe ireo olona nametraka fitoriana. Ao anatin'izany, mino aho fa hametraka fitoriana ho tombotsoam-bahoaka ny Federasiona Shinoa misahana ny Tontolo Iainana.

Mpiserasera “John-Paul” naneho hevitra hoe:

裁定不予受理尚且法院的一种作为方式;真正令人无法忍受的是不作为。对于特定类型纠纷,法院往往不予理睬。这种行为公然违反《民诉法》,但却是法院所通常采取的策略。

Fomban'ny fitsarana hialàna amin'ity raharaha ity ny fandavana ilay fitoriana. Tsy azo leferina izany. Mitady hanao tsirambina ireo karazana disadisa ny fitsarana. Ity fanitsakitsahana miharihary ny «lalàna mifehy ny sivily» ity dia fomba iray fanaon'ny fitsarana matetika amin'ny raharaha tahaka itony.

Wangyi news nanipika ireo fitaka amin'ny lalàna ao Shina :

目前中国大部分的环境公害事件原因,均是政府影响环境的渎职、过失以及越权等行为,纵容、增幅了企业的排放、泄露事故等。最典型的例子,是《环境保护法》修正案中钦点的、垄断环境公益诉讼权的“中华环保联合会”,其企业会员中就不乏排放、污染大户。当会员企业牵涉污染环境案件,“联合会”与会员之间的关联关系将直接影响环境公益诉讼的公正程度,并引发公众对于这些案件是否能得到起诉、起诉力度是否得到保证的合理怀疑。

Ny ankamaroan'ny loza mitatao amin'ny tontolo iainana ankehitriny dia noho ny tsirambina ataon'ny governemanta manoloana ireo orinasa mpamoaka loto sy ny fibosesehan'ny loto mivoaka amin'ny faritra nanatobiana azy. Ny ohatra iray mivaingana dia ny Federasiona Shinoa misahana ny Tontolo iainana, izay hany tokana voalazan'ny lalàna ho miandraikitra ny tombotsoam-bahoaka eo amin'ny tontolo iainana. Tsy mitsahatry ny misy mpandoto tontolo iainana koa ao amin'ireo mpikamban'ny Federasiona. Raha voasaringotra amina raharaha fandotoana tontolo iainana ireo orinasa mpikambana ao, hisy fiantrakany mivantana amin'ny fahamarinan-toeran'ny fitsarana izany eo amin'ny sehatry ny tontolo iainana mahakasika ny tombotsoam-bahoaka ka miteraka ahiahy amin'ny hoe rehefa ahoana vao azo itoriana na hanenjehina amin'ireo raharaha ireo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.