Gabo An'ny Olona Rehetra

Tsy iadian-kevitra ny fahoriana manototra ny literatiora. Gabriel García Márquez, fantatra kokoa amin'ny anarana hoe Gabo, no mpisava làlana tamin'ny antsona hoe “tena izy mahagaga” ary na dia momba ny fitiavana aza ny sasany tamin'ny asany, ny fientanentany sy ireo tantara sasany mahafinaritra mikasika ny tanàna nahaterahany, Aracataca, dia nahazo mpanjohy na dia tany amin'ny toerana lavitra toa an'i Shina sy Iran aza.

Fue tal la reacción de la muerte de Gabo, que incluso diarios como The New York Times dedicaron una buena parte de su espacio en su sitio electrónico. Imagen extraída de nytimes.com

   Mafy tokoa ny fihetsiky ny olona tamin'ny nahafatesan'i Gabo ka na ny gazety an-tsoratra The New York Times aza dia nanome toerana tsara tao amin'ny tranonkalany ho fahatsiarovana azy. Sary nalaina tao amin'ny vohikala nytimes.com

Nanohina ireo Amerikana mpanaraka akaiky ny asany ny fahafatesany. Lasa lavitra tokoa ny asany ka na dia ilay olo-malaza Oprah Winfrey aza nampiditra ny “Fitiavana amin'ny Fotoanan'ny kolerà” tao amin'ny fikambanana mpamaky boky voafantina ary nametraka io ho “iray amin'ireo tantaram-pitiavana lehibe indrindra novakiako.

Tamin'ny tolakandron'ny 17 Aprily, raha vantany vao nampafantarina tamin'ny rehetra ny fahafatesany, nanao fanambaràna tao amin'ny Twitter ny Trano Fotsy ary nampiasa ny tenifototra #GraciasGabo (#MisaotraGabo): 

Araka ny hita any anatin'ny ankamaroan'ireo bitsika, samy nametraka fahatsiarovana ny tsirairay tamin'ny fametrahana fehezanteny notsongaina avy amin'ny asany   : 

“Tsy rehefa tokony ho faty ny olona iray no maty fa rehefa afaka maty.”-Gabriel García Márquez #RIP

maty i #GabrielGarciaMarquez, 87 taona. Mety mpanoratra lehibe indrindra izao androntsika izao, mety ho anisan'ny lehibe indrindra hatrizay mihitsy.

MAP Gabriel Garcia Marquez, tsangambaton'ny literatiora, misaotra indrindra ry namana nanazava ny fiainako tamin'ny soratra nataonao.

Misaotra ry Tompo tamin'ilay Tena izy Mahagaga. MAP Gabriel Garcia Marquez

Ny sasany, toa an'i Ioan Grillo, mpano gazety, dia nanome loharanom-baovao mahaliana momba ny fifandraisan'i Gabo sy Etazonia vokatry ny firehany ara-ideolojia :  

Nolavin'ny Etazonia nandritra ny 30 taona ny taratasy fahafahan‘i Gabriel Garcia Marquez niditra tany noho izy “kaomionista”. Bill Clinton (mpakafy azy) no namela azy hiditra nony farany.

Ny mpampiasa Twitter sasany nanamafy ny fifandirana nisy teo amin'ny Gabo sy ny diplaomasia Amerikana: 

#GabrielGarciaMarquez was tagged as subversive due to his points of view on American imperialism

#GabrielGarciaMarquez dia nopetahana ho mpanelingelina noho ny fomba fijeriny ny fanjakazakàna ataon'ny Amerikana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.