Fikambanana Rosiana Mpanao Asa Soa: Miatrika Olana Araka Ny Lalàna Noho Ny fanampiana Nataon'ny Rosiana ny Lahatsoratra Iray Tao Amin'ny Facebook

Judge Putin. Images remixed by Andrey Tselikov.

Putin Mpitsara. Sary naverin'i Andrey Tselikov nafangaro.

Mbola miteraka korontana ao amin'ny vohikala RuNet hatrany ny lahatsoratra iray tao amin'ny Facebook izay nandroahana teratany Rosiana iray mpanao gazety, tamin'ny volana lasa teo. Taloha kelin'io,  nanao tatitra ny RuNet Echo [tatitra tao amin'ny Global Voices] fa noroahana i Alexander Erenko ao amin'i Perm taorian'ny namerenany namoaka lahatsoratra mihantsy an'i Putin hanani-bohitra ao an-tanànany, toy ny nataony tao Crimea, mba hanatsaratsara ny fari-piainan'ny mponina any. Nahatsikaiky fa tamin'izany fotoana izany dia tsy voatohintohina i Roman Romaneko, mpanoratra ny lahatsoratra [ru] niandohan'io. Vetivety anefa dia niova izany.

Roa herinandro taty aoriana, tamin'ny 17 Martsa 2014, nanao tatitra [ru] i Romanenko fa nitory azy ny governoran'i Vologodsk (tanàna fonenan'i Romananenko) niaraka tamin'ny biraon'ny mpampanoa lalàna ao an-toerana noho io lahatsoratra mivazivazy io. Nilaza ihany koa i Romanenko fa noho io fitoriana io dia nohadihadian'ny mpanao famotorana iray avy ao amin'ny biraon'ny mpampanoa lalàna izy, izay nanontany azy raha toa ka manana porofo izy mampiseho fa tena mahonena ny fiainan'ny mponina ao amin'io faritra io araka ny lazainy ao anatin'ny lahatsorany:

Вопросы были такого плана: есть ли у вас факты и документы, свидетельствующие о развале сельского хозяйства? Ответы были такого рода – отъедьте на десять километров от Вологды и сами посмотрите.

Toy izao ny fanontaniana nipetraka: manana tranga sy antontan-taratasy ve ianao maneho fa miharatsy ny fambolena eto an-toerana? Ary toy izao ny valinteny — mandehana mivoaka kely miala folo kilaometra an'i Vologda ianao ary aleo ny tenanao mihitsy no hahita izany.

Toa vitan'i Romananenko ihany ny miatrika ny fanelingelenana azy tamin'ny saina tony, na dia nanamarika aza izy fa ” tsy toetra ratsy ny fanaovana vazivazy tokony hananan'ireo mpanao politika.” Io karazana fandranitana io, hoy izy nanohy izany, dia mety hanaratsy laza an'io faritra io ho toy ny toerana iray ahitana olona “enjehina nohon'ny vazivazy nataony.”

Toa tsy nanisy lanja an'io fampitandremana tamin'ny fomba tsotra io ireo manam-pahefana — roa herinandro taty aoriana, fikambanana iray mpanao asa soa amin'ny resaka fitsaboana tantanan'i Romanenko no niatrika olana araka ny lalàna, tamin'ny 4 Aprily, izay atosiky ny resaka politika hoy izy [ru]:

Сегодня четыре сотрудника отдела областного УВД из отдела по борьбе с экономическими преступлениями начали оперативно-розыскные действия в отношении благотворительного фонда «Хорошие люди», который я возглавляю. Изъяты и вывезены все бухгалтерские документы. […] в стадию обострения все перешло после моего шуточного обращения к президенту о вводе войск в Вологодскую область.

Androany dia mpikambana efatra avy amin'ny departemantan'ny atitany misahana ny resaka heloka bevava ara-toekarena no nanomboka nanao fikarohana ny amin'ny niavian'ny famatsiam-bola ho fanaovana asa soa “Ny Olona Tsara Fanahy” izay  izay izaho no mpitarika azy. Nalain'izy ireo an-keriny ny boky firaketana momba ny fitantanana. […] lasa niakatra teo amin'ny sehatra avoavo avokoa ny zava-drehetra taorian'io fangatahako mifangaro vazivazy natolotro ho an'ny filoha io mba hanani-bohitra ny faritr'i Vologodsk.

Taorian'ny niresahan”ny [ru] Novaya Gazeta momba io tantara io, andro vitsivitsy taty aoriana, nanomboka niparitaka tety amin'ny tambajotra sosialy rehetra ilay izy, tafiditra tao anatin'izany ilay vondrom-piarahamonina fampahalalam-baovao fanta-daza ao amin'ny VKontakte, Lentach [ru] (izay tarihan'i Lenta.ru teo aloha teo, ary nomena ireo mpampiasa azy nony niala tao ny mpiandraikitra ny sampana famoahan-gazety taloha). Taty aoriana dia nitatitra [ru] ny Novaya Gazeta fa lasa nitarika fanenjehana an'i  Lentach izany, izay nataon'ny andianà “bots”, taorian'ny nanambaran'i Kuvshinnikov, governoran'i Vologodsk, ampahibemaso ny fialàny amin'io vondrom-piarahamonina io.

Toa vao manomboka mihitsy ny olan'i Romanenko. Yulia Arsenieva, olona hafa ao anatin'ny fikambanana mpanome tanana “Olona Tsara Fanahy” io, dia nanoratra [ru] tamin'ny 9 Aprily fa nanomboka nanadihady ireo olona marary izay nahazo fanampiana tamin'io famatsiam-bola io tany aloha ireo mpanadihady. Amin'izao fotoana izao, hoy izy, miantso ireo olona manana tsy firindràna amin'ny resaka rà ry zareo, “ireo izay afaka mandeha irery.”

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.