Ahoana no hanatanterahanao ny “Alatsinainy tsy mihinan-kena” any Trinite sy Tobago ?

Bilaogeran'ny diaspora avy any Trinite i Afrobella, mankafy manoratra izy indrindra fa izay rehetra mahakasika ny fiangaly – ny lamaodyny hatsaràna, ary ny bika – saingy indraindray mba maranitra ihany koa izy eo amin'ny sehatry ny nahandro, izay tafiditra ao anatin'ny fomba fiainana koa mazava ho azy. Ny nahandro an-dry zareo Karaiba amin'ny ankapobeny, no tena mahaliana azy, ary fanamby atrehany hikarohana fangaron-kanina avy any Karaiba any amin'ny tnandehiben'i Amerika avaratra; fanamby izay tratrany ihany. Ankehitriny…, mizara ny nahandrony izy “Rainbow Pizza” (Pizza Avana) nahandro iray tsy dia fahita firy any Karaiba. Sakafo matsiro no azo – tsy misy hena- raha toa ka ny hena no sakafo fototra tena fihinana eo amin-dry zareo any Karaiba.

Ny niandohan'ny tsirin-kevitra “Alatsinainy tsy misy hena” no nanokafany ny lahatsoratra:

[Cela] remonte aux efforts de conservation des aliments durant la Première Guerre mondiale, mais il a connu depuis la dernière décennie un regain de popularité en tant qu'initiative de sensibilisation à la santé publique. L'idée derrière ce concept est d'améliorer la santé publique en ne mangeant qu'une fois par semaine de la viande afin de réduire les risques de cancer, de maladies cardiovasculaires et de diabète tout en diminuant votre empreinte carbone et en améliorant la qualité de l'environnement.

Niainga tamin'ny ezaka hitahirizan-tsakafo nandritra ny ady lehibe voalohany [izany], saingy nandritra ny folo taona lasa izay dia nalaza indray amin'ny mahahetsika fanatsaràna ny fahasalamam-bahoaka azy. Ny ainga nahatonga ity tsirin-kevitra ity dia ny hampivoarana ny fahasalamam-bahoaka amin'ny alalan'ny tsy fihinanana hena afa-tsy indray mandeha isan-kerinandro ho fampihenana ny herijika amin'ny fahazoana homamiadana, ny aretin'ny tosi-dra ary ny diabeta saady mampihena ny karbôna sy manatsara ny tontolo iainana.

Notohizany hoe:

J'aime cette idée, et j'ai eu envie de manger moins de viande et plus de légumes pendant quelques temps. Mon mari n'est pas vraiment emballé. Lui, il veut de la viande matin, midi et soir, et tous les jours. Ça rend les choses plus difficiles pour moi. Je dois donc redoubler d'efforts pour créer un plat délicieux et sain que nous aimerons tous les deux.

Tiako ilay hevitra, tiako ny mihinana legioma bebe kokoa noho ny hena, mandritra ny fotoana maromaro. Tsy dia taitra amin'izay loatra anefa ny vadiko. Ny azy dia hena maraina, atoandro, hariva ary isan'andro e! Manasaro-javatra ho ahy izany. Noho izany, tsy maintsy miezaka aho manao sakafo tsara sy ara-pahasalamana izay ho ankafizinay roa miaraka.

Nahomby ihany anefa i Afrobella. Rehefa nikaroka karazana nahandro tao amin'ny Pininterest, nanampy ny talentany manokana tamin'ity Pizza iray ity izy “hampisondrotra ny vidiny sy tamin'ny fanovonana legioma voatsatsika”:

Lorsque j'ai mis la photo sur mon compte Instagram et ma page Facebook, la réaction a été incroyable ! Tout le monde me demandait la recette. Et c'est tellement facile à faire. Vraiment tout bête. Alors, laissez-moi la partager avec vous !

Tsy nampino ny zava-nitranga! Rehefa nametraka ny sary tamin'ny pejy Facebook sy Instagram aho. Nangatahin'ny rehetra tamiko ny zavatra ilaina. Ary tena mora atao tokoa. Aleo ho zaraiko aminareo!

Rainbow Pizza, a la Afrobella.

Pizza Avana nataon'i Afrobella.

Azonao jerena eto ny zavatra ilaina sy ny fomba fikarakarana azy. Aorian'izay, dia asio legioma araka ny filaharan'ny loko amin'ny Avana:

Décorez avec des bandes aux couleurs de l'arc-en-ciel ! Comme je l'ai dit, j'ai suivi de droite à gauche l'ordre suivant : les champignons, les brocolis, le poivron jaune, le poivron rouge, les tomates rôties et l'oignon rouge. Certains de mes légumes étaient des restes de légumes rôtis… si peu d'efforts et délicieux à chaque fois !

Puis dégustez l’arc-en-ciel (désolée, je n'ai pas pu m'en empêcher)!

Haingoy araka ny lokon'ny Avana! Araka ny efa nolazaiko, nataoko avy aty ankavanana miankavia toy izao manaraka izao izany: olatra, soflera maitso (brocolis), sakaibe mavo, sakaibe mena, voatabia voatsatsika, ary tongolobe mena. Somary ampiana legioma voatsatsika ny sasany amin'ireo legioma ireo

Andramo araka ny avana ny tsirony (miala-tsiny fa tena tsy aritro)!

Nisy ny fanamby natao tamin'io pizza io:

Comme ce sont des bandes réalisées avec des légumes, selon la façon dont vous les disposerez, vous ne pourrez peut-être pas inclure tous les morceaux. La prochaine fois que je fais cette pizza, je la fais sur une pâte circulaire pour y mettre tous mes légumes en une seule tranche.

C'était un délice, tout simple. Et si vous avez des enfants, ils aimeront sûrement !

Noho izy ity vita amin'ny legioma dia tsy voatery ho ataonao ao daholo ireo fangaro ireo, araka ny fomba tianao andaminana azy. Rehefa manao io pizza io aho amin'ny manaraka, dia ataoko amin'ny feta boribory ahafahako mametraka ny legioma rehetra amin'ny hasiny iray.

 

Nahandro tsotra tena natsiro. Ary raha manan-janaka ianao dia tena ho tian'izy ireo izany.

Mannantena aho fa hitovy hevitra amiko ireo mpihinan-kena, na ireo izay antsoina any Karaiba hoe “bouches à viande”. Mazotoa homana e!

Ny sary nampiasaina tamin'ity lahatsoratra ity dia an'i Afrobella, ary nahazoana alalana avy aminy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.