Hira Fandrotsirotsiana Zaza Avy Amin'Izao Tontolo Izao : Iza No Ironanao?

Baby sleeps

Zaza manavava matory ao amin'ny hopitaly ao atsimon'i Luzon, Philippines (2009). Saripikan'i Oliver Belarga – CC BY-NC-ND 2.0

Ny tantara dia avy amin'i April Peavy ho an'ny The World (izao tontolo izao) nivoaka voalohany tao amin'ny PRI.org tamin'ny 7 Avrily 2014 ary navoakan'ny Global Voices indray noho ny fifanarahana hifampizara votoaty.

Miatrika olana iraisana ny ray aman-dreny vaovao: fampatoriana ny zanany kely. Ary iraisana ny vahaolana: hira fandrotsirotsiana zaza.

Saingy hita fa tsy mampiala voly ny zaza ny hira fandrotsirotsiana zaza, fa manampy ny lehibe, tokoa, hoy ny fanazavan'ny mpanoratra Kathy Henderson, izay nanangona ny hira fandrotsirotsiana zaza manerana ny glaoby ho an'ny bokin'ny zanany, Hush, Baby, Hush [Mangina zaza, mangina]. Nolazainy fa manampy ny ray aman-dreny “hiatrika ny toe-draharaha rehefa lany aiky anaovan'ny zaza azy, na tsy mahavita mampatory ny zaza, na mahatsiaro tena, tena reraka aoka izany” ny hira fandrotsirotsiana zaza.

Ny lohatenin'ny bokin'i Henderson dia avy amin'ny hira Jamaikana fandrotsirotsiana zaza antsoina hoe “Hush Baby Hush” [mangina zaza o mangina] izay ahitana kinova narakitr'i The Kitchen Sisters.

Nolazain'ny mpanoratra fa misy endrika itovizana ireo hira fandrotsirotsiana zaza. Ny ankamaroan'izy ireo dia sady misy feony no misy tonony. Ny feony dia “rima mampitony” ary manana ambaratongam-peo ety (=tery).

Fa ny tonony kosa, araka ny nolazainy, dia mety miresaka ny zavatra rehetra — ary mahasahana ny fihetseham-pon'ny olombelona na ny toe-pony amin'ny ankapobeny.

Misy ny hira mandrotsirotsy zaza miresaka fahatezerana, lonilony, ary vazivazy. Navoitran'i Henderson fa misy ny hira mandrotsirotsy miresaka “sakafo, fianakaviana, biby mampatahotra, kilonga lasa maditra” ary zavatra hafa maro.

Amin'ny hira Tiorka fandrotsirotsiana zaza antsoina hoe “Dandini Dan,” ny andininy iray milaza zanak'omby tafiditra ao an-jaridaina ka nandroaka azy ireo ilay tantsaha tompon'ny toerana.

https://www.youtube.com/watch?feature=player_embedded&v=gNWGnTtKZwA

Hiraina amin'ny toe-draharaha isan-karazany ihany koa ny hira fandrotsirotsiana zaza, fa tsy hoe rehefa eo am-pandriana ihany ny zazakely. Ohatra, mihira ireny ny reny rehefa miasa, ka dia mangina ny zaza ary mamela azy ireo hiasa.

Manombana i Henderson fa efa talohan'ny vanim-potoana iraisana no nisian'ny hira fandrotsirotsiana zaza taloha indrindra ary efa nahita hira fandrotsirotsiana zaza tany anaty literatiora antitra indrindra fantatra ny mpikaroka.

Manangona sy mizara ny hira fandrotsirotsiana zaza ankafizina manerana izao tontolo izao ao amin'ny fampihatranay vaovao, The World's Lullabies ny PRI. Mihainoa ary lazao anay izay tianao. Te-hizara izay tianao? Afa-mampakatra izay narakitrao ianao na lahatsary (video) — na manindry ny bokotra fotsiny dia mihira eo amin'ny fitaovan'ny finday na solosainanao.

Tale ana Studio i April Peavey ary mpamokatra ho an'ny The World ao amin'ny PRI.

Mahità ary mampidira hira mandrotsirotsy ao amin'ny PRI.org

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.