Gadra Ao Amin'ny Fonjan'i Korydallos Any Gresy Namono Tena

Inpatient wards at the Korydallos prison in Greece. Photo tweeted by @kolastirio

Zoro hopitaly ao amin'ny fonjan'i Korydallos any Gresy. Sary nosiahan'i @kolastirio

Nanaitra ny saina hijery ny fahaterena sy ny fahamaroan'ny olona ve loatra indray ny famonoan-tenan'ny voafonja iray ao amin'ny fonja grika.   

Kaonty Twitter “ΚΟΛΑΣΤΗΡΙΟ ΚΟΡΥΔΑΛΟΥ” (Lavaky ny Helon'i Korydallos), kaonty ho an'ny voafonja mitokona tsy mihinankanina ao amin'ny zoron'ny hopitalin'ny fonjan'i Korydallos, nitatitra tamin'ny voalohany fa nananto-tena tamin'ny tadin-kirarony ny voafonja iray 43 taona ny 6 Avrily.

Nanamarina ny fisian'ny fahafatesana ny manampahefana taty aoriana, ary nibaiko ny hanaovana famotorana ny minisiteran'ny Fitsarana.

MATY – VONJEO IZAHAY – LEHILAHY MPIARAVOAFONJA IRAY NAMONO TENA – NANANTO-TENA ARY MATY – TSY MAHATAKATRA AZY – VONJEO – VONJEEO

Niely haingana tao amin'ny media sosialy ny vaovao, tamin'ny fampitan-tsioka ny antso vonjeo nataon'ny voafonja ara-nomerika. Nanao fitokonana tsy hihinan-kanina ny mpiara-voafonja ao amin'ny lafiny misy ny toera-pitsaboana hatramin'ny  16 febroary, ho fanoherana ny lazain-dry zareo ho toe-piainana mampihoron-koditra anerana azy ireo hitoerana.

Tamin'ny volana lasa teo ny Filan-Kevitr'i Eoropa niantso ny hanatsarana avy hatrany ny toera-pitsaboana ao amin'ny fonja. Nilaza tamin'ny media ny mpitondra teny manokana momba ny fahazoan'ny rehetra fitsaboana mitovy, Liliane Maury Pasquiere, fa “natao ho an'olona 60 ny toera-pitsaboan'ny fonjan'i [Korydallos], izay lazaina fa ahitana voafonja 200 amin'izao fotoana izao, ary ny ankamaroan'izy ireo dia mitondra ny tsimok'aretina HIV na ampijalian'ny areti-mifindra tahaka ny raboka sy ny hepatita”.

Tsy mitsaha-milaza ny hirifiriny ny voafonja, miteny fa lasa mangataka fikarakarana ara-pitsaboana ry zareo. Araka ny nambaran'izy ireo dia ratsy loatra ny toe-draharaha misy azy ireo ka nahatonga ny mpampanoa lalàna iray tsy nanaiky hiditra sy hanao ny fanaraha-maso ao amin'ny lafiny misy ny toera-pitsaboana satria “manana ankohonana” izy.

Tonga nanaraka ny famoahana ny valin'ny fanadihadiana ofisialin'ilay gadra Albaney antsoina hoe Ilie Kareli nampijaliana nandritra ny roa ora tao amin'ny fonjan'i Nigrita ao avaratr'i Gresy nialoha ny nahafatesany tao amin'ny toera-panokana-monina izao vaovaon'ny famonoan-tena izao.

Naneho ny heviny tamin'ny alalan'ny diezy #kolastirio (lavaky ny helo) momba ny rafi-pamonjàna ao amin'ny firenena sy ny tsy fihetsehan'ny governemanta hanao ny fanatsarana ny mpiserasera Twitter Grika:

Mbola misy marary iray nananto-tena fa tsy mahazaka intsony ny hirifiry. Milaza ny zavamisy tokoa ny anarany “lavaky ny helo”.

Aza manantena olona ao amin'ny governemanta hametraka ny taratasy fialany amin'ny fahafatesan”olom-pirenena sokajy faharoa” (araka ny eritreritry ry zareo). 

Ny antony voalohany mahatonga ny famonoan-tena dia avy amin'ny fahakiviana lalina tsy voatsabo. Azo tsaboana ny fahakiviana lalina ary azo sorohina ny famonoan-tena. Azonao atao ny mahazo fanampiana fanohanana amin'ny alalan'ny resaka ifanaovana manokana amin'ny antso an-tarobia ho an'izay mitady hamono tena sy ireo tratran'ny krizin'ny fihetseham-po. Tsidiho ny Befrienders.org hitadiavana ny fisorohana amin'ny alalan'ny antso an-telefonina ao amin'ny firenenao.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.