Fampiasana Filazam-Pahaizana Hosoka : Mpiasa 300 Avy Ao Amin'ny ‘Pakistan International Airlines’ No Voaroaka

Pakistan Civil society activists protest against  fake degrees.  Image by Isa Daudpota. Copyright Demotix (20/07/2010)

Manohitra ny fampiasana filazam-pahaizana hosoka ny olona any Pakistan. Sary avy amin'i Isa Daudpota. Fizakàmanana Demotix (20/07/2010)

300 no isan'ny mpiasam-pitaterana an'habakabaka  Pakistane mitondra ny fanevam-pirenena, ny Pakistan International Airlines (PIA), voaroaka tany anivon'ny sampan-draharaha maro isankarazany tato anatin'ny enim-bolana rehefa fantatra fa filazam-pahaizana hosoka no nasehon'izy ireo.

Vokatry ny ezaka tamin'ny alàlan'ny baiko nomen'ny Fitsarana Avo mba hanamarinana ny mikasika ireo mpiasan'ny PIA 16.000 no nahitàna ireo filazam-pahaizana hosoka ireo. Anisan'ireo mpiasa voaroaka ireo ny mpanamory, ny mpanampy any anaty fiaramanidina ary ny injeniera. 

Notaterin'ny gazety The Nation tamin'ny volana Febroary fa araka ny loharanom-baovao mahafantatra tsara ity resaka ity, dia maro amin'ireo mpiasa ahiahiana ho mampiasa filazam-pahaizana sandoka no notendren'ny governemanta teo aloha ho valim-pitia.

Tamin'ny 2012 no nipoaka voalohany ilay tantara ratsy, rehefa voampanga ho nampiasa filazam-pahaizana sandoka aloha ny sasany tamin'ireo mpiasan'ny fitaterana an'habakabaka. 

Tsy zava-baovao ny ady ataon'ny Pakistana amin'ny filazam-pahaizana hosoka. Tamin'ny 2008, tamin'ny andron'i Pervez Musharraf, miaramila taloha mpanao jadona, no nanavaozan'ny governemanta ny lalàm-pifidianana ka hitakiana fa tsy maintsy manana ny maripahaizana avy eny amin'ny oniversite vao azo raisina ho mpikambana ao amin'ny parlemanta. Nanjary fanamby ho an'ny ankamaroan'ireo mpanao politika izay tsy nanana ny zavatra takiana izany, ary dia naka filazam-pahaizana sandoka ny sasany mba hahafahana manao izany.

Noroahan'ny PIA ireo 300 manana mari-pahaizana sandoka! areti-mifindra any Pakistana ny mari-pahaizana hosoka ! Ahoana no hitsaboantsika izany ?

Taorian'ny nampisehoan'ireo mpanao politika mpanohitra filazam-pahaizana hosoka marobe dia nanome baiko ho an'ny kaomisiona misahana ny fifidianana ny Fitsarana Avo mba hanamarina ny filazam-pahaizana avy amin'ny ambaratonga ambony an'ireo 1.100 parlemantera federaly sy any amin'ny faritany, izay nahavery seza ireo mpanao lalàna samy hafa. Tsy natao na inona na inona kosa anefa ireo izay namoaka ireny filazam-pahaizana hosoka ireny ho an'ireo mpanao lalàna.

Natao toy izany ihany koa ireo mpiasam-panjakana sy ny mpitsabo manerana ny firenena. Ho tohin'ny zavatra hita dia nandidy ireo andrim-panjakana miankina amin'ny governemanta ny Fitsarana Avo mba haka ny filazam-pahaizana voamarin'ireo mpiasa ao aminy ary hanao tatitra mifanaraka amin'izany. 

Angatahan'i “Pak Patriot” amin'ny fanehoan-kevitra ao amin'ny tranonkalan'ny Firenena ny hanasaziana ireo mpiasan'ny PIA tratra nampiasa filazam-pahaizana sandoka :

Tokony hisy famoronana antontan-taratasim-panenjehana  atao amin'ireo mpanao hosoka ireo.
Tokony habaribary ihany koa ny tsindry ara-politika nataony.
Tokony haseho ao anaty gazety ny lisitr'ireo PIA, HENATRA HO AZY IREO.
Tokony hitsahatra eto amin'ny firenena izany fomba fanao izany.
Avelao ho fantatry ny vahoaka hoe mpanao politika iza avy no tafiditra amin'ny fanaovana kolikoly.
Tsy tokony hifidy ireny Mpandainga ireny intsony ny vahoaka amin'ny manaraka.

Tsy nahalala menatra intsony i Saad Iqbal nanoratra tao amin'ny Facebook:

lol kilalao fotsiny ihany izany… manana hery politika izay mamela azy ho ao anaty orinasa nofosana daholo ireny manana maripahaizana hosoka ireny. Noho ny rohy ananany tahaka izany dia mety hiverina amin'ny fandraharahana na haverina amin'ny toerany ry zareo atsy aoriana kely, miaraka amin'ireo fiahiana sy tombontsoa rehetra.

 Naneho hevitra i Shahzia Khan-Mehboob :

Tena nahafinaritra izany raha toa ka tsy hetsika politika..

Nanolotra fanadihadiana maneso ilay teo-draharaha tao amin'ny tambajotra The Voice of Youth ( ny feon'ny Tanora) i Tayaba Iftikhar rehefa hita fa nametraka filazam-pahaizana sandoka ompano lalàna:

Tsy azoko inoana ireo tsaho mikasika izany. Ny tiako ho lazaina dia izao : afaka manao zavatra tsaratsara kokoa noho ny fianarana ry zareo. Fanitsiana: fianarana eny amin'ny ambaratonga ambony na TSY mianatra mihitsy. Ahoana no tsy ahatsapan'ireo mpanao fanadihadiana politika sy ny haino aman-jery an'izany ? Asan'ireo Pakistane sisa ‘ara-dalàna’ ny mianatra sy ny manana mari-pahaizana TENA IZY fa tsy HOSOKA satria fanitsakitsahana LALANA izany ary mety ho any AM-PONJA no hiafaranao amn'izany. Tsarovy : ireo mpanankarena sy ny manampahaizana amin'ity firenena ity ihany no tsy tratr'izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.