#CongressOccupied : Hetsi-Panoheran'Ireo Manome Endrika (Designer) Any Taiwan

The ad of 4am.tw in the New York Times. Photo from flyingv.cc. CC: NC.

Doka ao amin'ny New York Times. Sary avy amin'ny flyingv.cc. CC: NC.

Mpiasa matianina maro mamorona ny tontolon'ny sampan-draharaha no manohana ny hetsika #CongressOccupied any Taiwan. HetsikaTanamasoandro ihany koa no ilazana io hetsika io , ary nibodoan'ireo mpanao fihetsiketsehana ny toeram-piasan'ny fahefana mpanao lalàna nanerana ny firenena sy nanaovany diabe manohitra ny fifanarahana ara-barotra miteraka resabe ifanaovana amin'i Shina . 

Nanome tolo-tànana ho an'ny hetsika ireo Taiwane mpanome endrika tamin'ny famoronana doka sy taokanto izay mampita mazava tsara ny hafatr'ireo mpanao fihetsiketsehana.

Ilay niseho tany amin'ny New York Times taorian'ny namoretan'ny mpitondra ireo mpanao fihetsiketsehana tamin'ny 23 Martsa 2014 ary naloa tamin'ny alàlan'ny ezaka fitadiavana mpanohana izay nahazoana fanomezana 3.621 no nalaza indrindra tamin'ireny. I Yung-Chen Nieh sy ireo vondronà mpanome endrika no nanao io sary io, izay nifidy ny tenin'i Emily Dickinson hoe -” Magiran-dratsy manjavozavo ny maraina tsy misy anao “- mba hanomezana hery ireo mpanohana hamonjy ny fivoriana amin'ny 30 Martsa.

Naka ny anaran-tsehatra 4am.tw ireo mpamorona ny tranonkala mba hiraketana ny antontan-kevitra momba ny hetsika ataon'ny #CongressOccupied.  Tamin'ny 4 ora maraina no fotoana voalohany nifanandrinan'ny mpikomy sy ny mpiambina ny Antenimieram-pirenena Taiwane sy ny nandraisan'izy ireo ny sehatra tamin'ny 19 Martsa 2014, ny fanombohan'ny fibodoana izay nitarika ny fivelaran'ny hetsika bebe kokoa. 

Even Wu, mpikambana ao amin'ny ekipan'ny 4am.tw, dia nanampy ihany koa ny fametrahana ny rafitra fitantaràna mivantana amin'ny aterineto ho an'ny #CongressOccupied, g0v.today [zh]. Tamin'ny resadresaka niarahana tamin'ny Chih-Hua Yi (奕之華) tao amin'ny tranonkalan'ny teknolojia vaovao cool3c.com no nanazavany ny g0v.today: 

其實製作這網站非常刻苦,因為幾乎所有的程式碼都是在立法院的青島東路側寫出來的。後來因為想拍一張重點圖放首頁,卻苦惱於沒有攝影棚,後來就利用電視的空白頻道,藍色背景當做去被的 key color.

Raha ny marina dia sarotra ihany ny miasa amin'io tranonkala io satria nandritra ny fotoana naha-tany amin'ny Ching-Tao East Road akaikin'ny Antenimiera Yuan ahy no nanoratako ny ‘codes’ rehetra. Tato aoriana, te-haka sary izay mampisongadina ilay hetsika aho ho atao amin'ny pejy voalohany, nefa tsy nisy ‘studio’ azoko nanaovana izany, noho izany dia ny loko manga, araka ny fahitanareo amin'ny TV tsy mamoaka sary no nampiasaiko ho loko fototra ho an'ny pejy voalohany. 

A woman joined the March 30 rally in New York City to support the #CongressOccupied action in Taiwan carried a bag to protest against the black-box process for the trade deal with China. Photo is from NTU News E-Forum, and it is originally from Chun-Hung Wang. CC: NC.

Mpikomy iray mitondra kitapo misy kisarinà boaty mainty nandritra ny fivoriana tao  New York City tamin'ny 21 Martsa. Kitapo nataon'i Chun-Hung Wang, mpanao sary monina any NYC hanoherana ny fifanarahana boaty mainty miafina teo amin'i Taiwan sy Shina. Sary avy amin'ny NTU News E-Forum, avy any amin'i Chun-hung Wang no niandohany. CC: NC.

Ankoatry ny hetsika tao an-toerana, dia nanao fivoriana ihany koa ireo Taiwane tany ivelany mba hanohanana ny hetsika #CongressOccupied tamin'ny 21 Martsa. Nitondra kitapo misy sarinà boaty mainty, mariky ny fifanarahana miafina izay anondroana ny fifanarahana ara-barotra teo amin'i Taiwan sy Shina ny ankamaroan'izy ireo. Nataon'i Chun-Hung Wang, mpanome endrika monina any NYC sy nomena ireo mpikomy ireny kitapo ireny.

Niresadresaka tamin'i Chung Hung Wang i Ming-Wen Cheng (鄭閔文), mpanangom-baovao ao amin'ny NTU News E-Forum :

每個袋子都是王鈞弘一個一個親手拓印,也因為是手工製作,每個袋子都有些差異。袋子的成本除了靠一些朋友贊助,大部份都是他自己吸收。王鈞弘說:「很多人建議我用Flying V,但是用集資平台是募錢去找工廠印,比起來,我希望可以募人力,找到願意出力的朋友親手來做這件事,當然我知道這有點不切實際,但還是很想試試看。」
以設計師的眼光來看,王鈞弘認為社運非常需要,也非常適合當成一個品牌去經營與設計。社運有名字、有口號、有訴求,最重要的是它有需要傳達的理念。如果太陽花學運有一個經過良好設計的主視覺,並建立起它的文宣、海報等等,它就可以透過媒介的曝光,在人們心中留下印象,「那可以是正義、也可以是希望。」
王鈞弘說:「這些是我從製作袋子的實踐中,反思到設計師可以貢獻的社會責任。」

Nataon'i Chun-Hung Wang tanàna ilay sary tsy miverina hita amin'ireo kitapo. Tsy mitovy ny kisary isaky ny kitapo satria nataon-tànana izany. Nisy ny fandraisan'anjaran'ireo naman'i Wang tamin'ny fandaniana nanaovana ny kitapo fa ny ankapobeny dia izy ihany no nandoa izany. Nolazain'i Chung-Hung Wang fa ” notoroan'ny maro hevitra izy hampiasa ny ‘flyingV’ [ho fitadiavana fanampiana], nefa naleoko kokoa niangavy ny olona hanao kitapo toy izay manangom-bola hankanesana any amin'ny mpanao printy. Fantatro fa tsy mifanaraka amin'ny zavatra iainana izany, saingy tiako handramana  ihany.”

Heverin'i Wang, amin'ny maha-mpanome endrika azy, fa zava-dehibe ho an'ny fiarahamonina io hetsika sosialy io ary tokony ho tantanana sy omena endrika (mari-pamantarana) . Tokony hanana anarana, teny faneva ary ny zavatra takiana ny hetsika sosialy tsirairay. Ary ny tena zava-dehibe dia manana hafatra ilaina ampitaina ho an'ny hafa ny hetsika tsirairay. Raha toa ka manana fotokevitra sy drafitra hita maso miaraka amin'ny boky kely zaraina sy ny peta-drindrina mifototra amin'ny lohahevitra ny Hetsika Tanamasoandro, dia mety hanaitra ny olona amin'ny alàlan'ny haino aman-jery miaraka amin'ny hafatra hoe ” resaka momba ny rariny sy ny fanantenana izy ity”

Izao no nolazain'i Wang, “Amin'ny alàlan'ny dingana rehetra naleha tamin'ny fanaovana ireto kitapo ireto, dia nosainiko ny amin'izay tokony ataonay, izahay mpanome endrika, mba hanatanterahanay ny andraikitray eo amin'ny lafiny ara-tsosialy. “

Students from Department of Motion Pictures and Video printed the slogans for the protesters. Photo from NTU News E-Form. CC: NC.

Ireo mpianatra ao amin'ny Sampam-pampianaran'ny Sarimihetsika sy ny Lahatsary manoratra ny teny faneva ho an'ireo mpanohitra. Sary avy amin'ny NTU News E-Form. CC: NC.

Ankoatran'i Wang, dia maro ireo nanao tahaka izany ho fandraisana anjara tamin'ilay hetsika. Ohatra, nandritra ny harivan'ny 29 Martsa 2014 dia nanampy ireo mpikomy ihany koa tamin'ny fikarakaràna ny sora-baventy sy ny peta-drindrina ho an'ny hetsika ny ampitso ireo mpianatra ao amin'ny Sampam-pampianaran'ny Sarimihetsika sy ny Lahatsary ao amin'ny Oniversiten'i Kun Shan. 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.