Taorian'ny Iray Maty, Matahotra Ny Mety Hanjò Ireo Nalaina An-keriny Efatra Ambiny Ny Iraniana

source: Nima Arabi, Twitter

Loharano: Nima Arabi, tao amin'ny Twitter

Maty nisy namono tamin'ny herinandro lasa teo ilay miramila Iraniana antsoina hoe Jamshid Danaeifard rehefa nalain'ireo vondrona mpikomy Miozolomana Sonita Baloch (Tafiky ny Rariny) ankeriny tamin'ny volana Febroary izy sy ireo mpiambina sisintany hafa ao akaikin'ny sisintanin'i Pakistana.

Ho takalon'ny famotsorana ireo lehilahy, nitaky tamin'ny governemanta Iraniana ireo mpikomy hamotsotra ireo gadra 50 avy ao amin'ny vondrony, sy gadra 300 hafa izay sokajian'izy ireo ho «olom-pirenena Sonita,” ary vehivavy 50 izay nolazain'izy ireo fa migadra ao amin'ny fonja revolisionera ao Syria.

Ao Sistan-Baluchestan, iray amin'ireo faritra lehibe sy mahantra indrindra ao Iran, izay manana mponina Miozolomana Sonita 2 tapitrisa no manao ny ataony ny vondrona Jaish-al-Adl (sokajian'i Iran ho vondrona mpampihorohoro). Mitaky fizakantena bebe kokoa avy amin'ny governemanta Shiita ao Teheran ny foko Baloch sy ireo mpikomy Miozolomana Sonita ao amin'ny faritra tao anatin'ny taona vitsivitsy izay.

Misaona ny fahafatesan'i Danaeifard ao amin'ny Twitter amin'ny diezy #FreeIranianSoldiers (Avotsory ireo Miaramla Iraniana) ny Iraniana, ary mbola matahotra ny mety hanjò ireo lehilahy efatra ambiny. Nisy ihany koa ireo nizara asa-tanana (tahaka ity sary eto ambony ity)  tao amin'ny Twitter ho fanomezam-boninahitra azy.

Tao amin'ny Twitter, nilaza i Masood fa tanora raim-pianakaviana izay tsy mba afaka nahita akory ny zanany vao teraka ilay miaramila maty nisy namono. Hoy izy nisioka:

#FreeIranianSoldiers Mampalahelo ny tsy iraharahian'izao tontolo izao ny fahafatesan'ilay raim-pianakaviana tsy mba afaka nahita imaso ny zanany vao teraka akory, zaza tsy mbola manana anarana!

Kely fanantenana i Sgh Pa raha nisioka ny amin'ny famotsorana ireo miaramila:

 Raha Mollah [mpitondra fivavahana] roa no nalain'izy ireo fa tsy miaramila dimy, mety efa namotsotra ireo gadra 1 000 ny governemanta [mba hampodiana azy ireo].

abducted soldiers

Jamshid Danaeifard, anisan'ireo namana nalaina an-keriny. Sary nozarain'ny 55online.ir

Mohammad Ali Shabani nisioka ny fihetsiketsehana teo anoloan'ny ambasadin'i Pakistan ao Teheran.

Mandrisika fihetsiketsehana mangina eo anoloan'ny ambasadin'i Pakistana ao Teheran ireo mpiserasera media sosialy Iraniana tamin'ny Alakamisy tamin'ny 3 ora hariva

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.