Nakaton'i Torkia ny Twitter – tahaka izany ihany koa ny servisy DNS Google hoan'ny daholobe, izay nampiasaina hihodidinana ny fanakatonana. Na dia izany aza, toa hita fa tsy nahitam-bokany ny fikasan'ny governemanta Tiorka hanivana izay fanoherana azy, satria vao maika lasa nitombo be ireo sioka avy ao Tiorkia.
Niteraka famoahana tarihin-kevitra voalaza fa mampiseho ny kolikoly ataon'ny manodidina ny Praiminisitra Recep Tayyip Erdogan ny fandraràna ny Twitter, izay niantraika tamin'ireo mpisera Tiorka manodidina ny 10 tapitrisa.
Nilaza ny vaovao fa nampanantena “hamafa ny Twitter” i Erdogan ary nampiany fa tsy miraharaha izay lazain'ny fiarahamonina iraisam-pirenena izy.
Nofaritan’ i Juan Cole ho “mikaviavia” ny fikasan'i Erdogan hanakatona ny tolotra bilaogy madinika:
Erdogan’s clumsy attempt at internet censorship crashed and burned immediately. Turkish youth are sophisticated about using Tor and VPN workarounds, and the Turkish twittersphere was reconstituted so fast it probably made Erdogan’s head spin.
Nirodana sy may avy hatrany ny fikasana mikaviavia an'i Erdogan amin'ny fanivanana ny aterineto. Mahay azy ireo tanora Tiorka amin'ny fampiasana ireo vahaolana hafa toy ny Tor sy ny VPN, ka tafaverina tamin'ny laoniny haingana ihany ny tontolon'ny twitter Tiorka ka mety nahafanina an'i Erdogan mihitsy.
Erik Meyersson nanampy hoe:
#Turkey tweeps discovered @torproject last year, no surprise ppl still tweeting despite #TwitterisblockedinTurkey pic.twitter.com/Exz3kVh91l
— Erik Meyersson (@emeyersson) March 23, 2014
Nahita ny vahaolana @torproject i #Turkey tamin'ny taon-dasa, tsy mahagaga raha mbola afaka misioka ny olona na dia eo aza ny #TwitterisblockedinTurkey (fanakatonana ny Twitter ao Tiorkia)
Mihomehy ilay mpikaroka Tiorka Zeynep fa afaka maneho ny heviny ireo mpisera Twitter Tiorka na dia eo aza ny fandraràna:
🙂 “despite”=”because of” RT @mashable Whoa: 1.2 million tweets sent in Turkey, despite ban http://t.co/P7MIhx6Vhr pic.twitter.com/OKzxHFcALT
— Zeynep Tufekci (@zeynep) March 21, 2014
🙂 “Na dia eo aza” = “satria noho ny ” RT @mashable izay: sioka 1,2 tapitrisa nalefa tao Tiorkia, na dia teo aza ny fandraràna
Na dia izany izany, hoy izy nanampy:
A DNS block, followed by a patchy IPS block, then who-knows-what. Turkey is on its way to high tech literacy. Next up, grandmas on Tor.
— Zeynep Tufekci (@zeynep) March 23, 2014
Fanakatonana ny DNS, narahan'ny fanakatonana tsy ampy ny IPS, koa iza no mahalala. Eo an-dalam-pampianarana ny teknolojia avo lenta i Torkia. Dingana manaraka, hiditra Tor ireo renibe.
Avy ao Torkia, namariparitra ny fomba nanapariahan'ireo mpisera Twitter ny heviny mikasika ny fomba nihodidinana ny fanakatonana i Engin Onder:
#twitter blocked in #turkey tonight. folks are painting #google dns numbers onto the posters of the governing party. pic.twitter.com/9vQ7NTgotO
— Engin Onder (@enginonder) March 21, 2014
Nakatona ny #twitter ao #turkey androany alina. lokoin-dry zalahy ireo nomeraon'ny #google dns ao amin'ireo afisin'ny antokon'ny mpitondra.