Shina : Ny Fiantohana Amin'ny Setroka, Vahaolana Farany Amin'ny Fahalotoan'ny Rivotra iainana

Mba mampahazo aina kely ireo mponina, any Shina, izay miaina matetika amin'ny fitombon'ny fahalotoan'ny rivotra iainana ny fitaovana fanadiovan-drivotra sy ny fitondrana tampim-bava. Amin'izao fotoana izao, ho fanampiana ireo mponina hiady amin'ny fanapoizinan'ny rivotra, ny orinasam-piatohana Ping An an'ny fanjakana dia mampanantena fa handoa onitra ho an'ireo mandoa saram-piantohana raha toa ka mihoatra ny fetra napetraka ny tondron'ny fahalotoana.

smog insurance

Nandrakotra an'i Beijing ny zavona matevina tamin'ny Janoary .Sary avy amin'i Owen.

Mikendry ny mpivezivezy sy ny mponina  aminà tanàna fito ny fiantohana amin'ny setroka izay voalohany amin'ity karazany ity. Ao anatin'izany Beijing sy Shijiazhuang, izay niaina tao anatin'io fahalotoan'ny rivotra iainana io nandritra ny taona maro. 

Mety handray onitra hatramin'ny 1500 yuan ( manodidina ny 240 dolara Amerikana), arakaraky ny fifanarahana, ireo nandoa saram-piantohana any Beijing raha toa ka niditra hopitaly noho ny fahalotoan'ny rivotra iainana izy. Raha toa ka mihoatra ny 300 ny tondron'ny kalitaon'ny rivotra (AQI), any Beijing, mandritra ny dimy andro misesy – haavo heverina fa mety hitera-doza- dia mety handray 300 yuan ( eo ho eo amin'ny 48 dolara amerikana) ireo mpividy  antoka. Mandrefy ireo kasinga mpandoto toy ny singa madinika sy ny diôksidanà solifara ny AQI.

Misy fanaraha-maso maimaim-poana ny havokavoka sy fitiliana ORL rehefa mihoatra ny 300 mandritra ny fito andro ny AQI. Nanambara tamim-pireharehana tao amin'ny tranonkalany ilay orinasa fa raha toa ka miha-ratsy ny AQI , dia omena tapakila maimaim-poana ho any Hainan, nosy tropikaly mazàna antsoina hoe Hawaii-n'i Shina mba “hanadio ny havokavony” ireo mpandoa saram-piantohana.

Herinandro vitsivitsy taorian’ny nilazan'ny mpitondra Shinoa fa tanàna telo ihany any Shina no manana kalitaon-drivotra iainana manara-penitra io fanambarana momba ny fifanaraham-piantohana io.

Nasongadin’ny Piraiministra Li Keqiang tamin’ny lahateniny fanokanana ny Kongresy nasionalim-bahoaka, fiantso ny parlemanta Shinoa, tamin’ity taona ity ny halehiben’ny fandotoana ny rivotra iainana izay namakiany ny ady amin’ny fandotoana ny rivotra iainana.

Namaly io fiantohana io tamim-pahamalinana ny ankamaroan'ny Shinoa.

Nametra-panontaniana ao amin'ilay sehatra malaza fitorahana bilaogy madinika, Sina Weibo, i Bingren Kemiluon

冰人_可米陸 : 但愿不是什么噱头

Inoako fa tsy ho fampandriana adrisa fotsiny izany.

Izao no nosoratan'i  Shen Pinglunyuan:

如何诊断是雾霾引起的?这将肯定有争议,想得到保险理赔, 谈何容易。

Ahoana no ahafahantsika mamaritra raha avy amin'ny zavona matevina [ireo aretina sasany] ? Tsy maintsy ho be ny fifanoheran-kevitra ao, tsy ho mora ny hahazo fanonerana. 

 Tsy resy lahatra amin'io hevitra io mihitsy raha i “70s version Xu Wenqiang :

70版许文强:博眼球而已,完全可以找空气好的线路

Natao izao mba hisintonana ny sain'ny olona, afaka mahita làlana hafa misy rivotra madio ny [mpizaha tany]. 

Nanoratra i  “Nuli Caishi Wangdao 1997″

努力才是王道1997:如果真的有这个保险并且不是特别贵的话,是会考虑一下的,这毕竟可以为我们的健康买下一份保障 

Raha toa ka misy ny antoka tahaka izany ary tsy lafo, dia mety ho liana amin'izany aho. Sady izao koa e, afaka mividy antoka isika ho an'ny fahasalamantsika.

Toy izao kosa ny hevitr'i “Forever_RickyQ” :

这种东西只是保险公司营销的噱头罢了,难道真的买个雾霾险就可以高枕无忧了吗?这种东西治标不治本,关键还是在于雾霾的治理,就像雾霾天中小学生放假一样,这只是在当前形势下衍生出的一种形式主义。只有政府多把精力投入在雾霾的治理上才能让环境变得更好

Fampandriana adrisa ataon'ny tranom-piantohana fotsiny izany. Hahavita hisoroka ny fahasahiranana tokoa ve isika raha toa ka mividy ny fiantohana amin'ny setroka ? Manasitrana ny endrika ivelany fotsiny io fa tsy ny fototr'aretina. Ny fifehezana ny loton'ny rivotra iainana ihany no fanalahidy. Endrika ivelany fotsiny ihany ny nanajanonana ny fampianarana nandritra ny andro nahabe setroka ny rivotra iainana. Ny fandavan-tenan'ny  fitondrana hanome hery bebe kokoa amin'ny fifehezana ny loto no mety hahazoantsika tontolo iainana mendrika kokoa. 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.