Filazana Fifaninanana Rising Voices 2014 Hahazoana Vatsy Bitika

Manan-kevitra hanaovana tetikasa hanampiana ny vondrom-piarahamonina ao amin'ny faritra misy anao hampiasa ny median'olom-pirenena hilazalazany ny tantarany ve ianao? Mila vatsy sy fanohanana hahatontosa izany ho tanteraka ve ianao? Te-ho ao anatin'ny tambajotra mampifanohy ny hantsana momba ny fandraisana anjara ara-nomerika ve ianao ?

Raha “eny” ny valinteninao amin'ireo fanontaniana telo ireo, dia manasa anao izahay handray anjara amin'ny Fifaninanana Rising Voices 2014 Hahazoana Vatsy Bitika

RisingVoices-microgrants2014-600

VATSY BITIKA

Ny Rising Voices dia manohana mpitarika mizara fahalalana sy fahaizana momba ny fampitam-baovao nomerikan'olo-tsotra hilazana tantara sy handraisn'ny olom-pirenena anjara. Hatramin'ny 2007, efa nanohana tetikasam-pampitam-baovaon'olo-tsotra izahay tamin'ny alalan'ny fanomezam-batsy sy ny fitarihan-dalana ary nampandroso azy ireo ho ato amin'ny fiarahamonina Global Voices.

Ireny kinasa ireny no nanampy ny mpitarika ao an-toerana hampiditra feo vaovao sy tsy voasolotena loatra ho ao amin'ny tontolon-dresaka nomerika manerantany, mampivoitra ireo lohahevitra manandanja amin'ny fiarahamonina azy ireo manokana.

Nandritra ny telo taona nampanaovna fifaninanana hahazoana vatsy bitika, dia nahita ny fahaizana mikirakira fitaovana nomerika sy ny fifandraisana misidina avo dia avo tokoa izahay. Nahazo fisoratana anarana anarivony avy amin'ny firenena mihoatra ny 100 izahay. Izany no nitarika anay hampiakatra ny isan'ny vatsy hataonay loka amin'ity taona ity, na dia nihena kely noho ny taloha aza izany.

Amin'ity 2014 ity, dia mety hanome valisoa madinika anelanelan'ny $2000 ka hatramin'ny $2500 Amerikana hatramin'ny folo amin'ireo kinasa manana hevitra mazava sy matanjaka amin'ny fomba hanomezana fanazarana sy fanohanana mitohy amin'ny vondrom-piaramonina iray ao an-toerana izahay. Hiditra ao amin'ny tambajotran'ny Rising Voices ireo tetikasa nahazo vatsy ary hasongadia ato amin'ny Global Voices.

TOROLALANA

Ny Rising Voices dia mitady kinasa izay mitovy iraka aminay amin'ny fampiasana ny fitaovana fampitam-baovaon'olo-tsotra an-tserasera ho fitaovana ahafahana mizakatena, fifankahazoana eo amin'ny samy olona, ary ny fivoarana ara-tsosialy.

Jereo ny lisitry ny kinasa (tetikasa) misy amin'izao fotoana sy ireo efa nahazo vatsy teo aloha ho fakanareo  ohatra.

Tadiavinay ireo kinasa:

1. Mampandray anjara mpikambana ao amin'ny vondrom-piarahamonina ao an-toerana “tsy ampy solontena” an-tserasera, na izany eo amin'ny isan'ny mponina, ara-pitenenana, na ara-jeografika. Mitady manokana izahay ny hanampiana ireo mpitarika izay avy amin'ireny vondrom-piarahamonina ireny ary mahafantatra hoe ahoana sy nahoana no ahafahan'ny mpikambana ao aminy misitraka ny fampitam-baovaon-olo-tsotra (median'olo-tsotra). Raha tsy mpikambana ao amin'ilay vondrom-piarahamonina ny nisoratra anarana, dia tsy maintsy ao anatin'ny fananganana sy ny fanatontosana ilay kinasa ny mponina ao an-toerana na mpikambana ao amin'ilay vondrom-piarahamonina.

2. Manome fanazarana, fitarihan-dalana ary fahaiza-mitarika. Mitady tompon'andraikitra kinasa (tetikasa) te-hizara fahaizana sy fahalalana amin'ny hafa izahay. Amin'ny alalan'ny fanazarana mivantana amin'ny famokaram-botoaty avy amin'ny fitaovana fampitam-baovaon'olo-tsotra sy ny teknikam-pintantarana ny mpandray anjara fiofanana no hahatsiaro ary fitaovana  sy matoky tena amin'ny fampiasana ny fitaovana nanaovna fanazarana. Antoky ny fananganana fiarahamonim-pitantarana nomerika ny fanohanana tsy mitsahatra.

3. Mamokatra tantara nomerika amin'ny lohahevitra manandanja amin'ny fiarahamonina (fikambanana). Rehefa nandray anjara tamin'ny atrikasam-piofanana ny mpandray anjara dia vonona hizava ny feony amin'izao tontolo izao. Mitady tantara mampafantatra ny fiarahamonina izahay, ny fanamby na ny fahombiazany, voambara avy amin'ny zoro manokana.

4. Mampiasa fitaovana fifampitam-baovao ho an'olo-tsotra sy sehatra media sosialy misokatra ho an'ny rehetra. Mety ho tafiditra ao ny blaogy, blaogy bitika tahaka ny Twitter, rindrambaiko malalaka tahaka ny Audacity hamokaram-peo, SoundCloud, Audioboo, na Radioteca. habaka Video tahaka ny YouTube sy Vimeo, na fanaovan-tsarintany tahaka ny OpenStreetMaps. Mety mampiasa tambajotra sosialy tahaka ny Facebook ihany koa ianao hampielezanao ny votoaty avy aminao.

Mandrisika anareo izahay hahatsangana zava-baovao sy ho sahy, nefa mahalala ny zavamisy amin'ny kinasa ataonareo. Jereo ny Fanontaniana mitranga matetika hahalalanareo ny fampafantarana fanampiny.

Raha hanolotra volavola, tsidiho azafady ny pejy “Submit a Proposal” [mametraka kinasa], izay ahitanareo fanontaniana fohy maromaro manampy anareo mamaritra ny drafitry ny kinasanareo. Mandrisika anareo izahay hamaly amin'ny fomba fohy (fero ny isan'ny caracteres) hahafahanareo mandrafitra ny eriteritrareo hankany amin'ny tena zavadehibe.

PAIKA MANGARAHARA

Mandrisika anareo izahay hizara ny kinasanareo eo amin'ny sehatra an-tseraseranay. Ny fanantenanay dia mba afa-mifandray sy miasa miaraka ny fikambanana (fiarahamonina) mifanakaiky na mitovy lohahevitra trandrahina.

2014 Rising Voices Microgrant Platform

Sehatra Vatsy Bitika Rising Voices 2014

Mbola hita an-tserasera ireo kinasa tamin'ny herintaona ary ny ankamaroan'izy ireo dia ahitana lalana ahafahanao mifandray amin'ireo nirotsaka amin'ny alalan'ny Twitter na Facebook. Manasa anareo izahay hijery ny kinasa avy amin'ny toerana misy anareo na mitovitovy lohahevitra amin'izay kinasanareo ary trandraho raha misy fiaraha-miasa azonareo ifanaovana.

Omenay lanja manokana ireo kinasa miezaka ny hanangana fiaraha-miasa amin'ny mpametraka volavolan-kevitra hafa. Misy fanontaniana iray ao amin'ny famenoana ny fandrotsahana volavola manontany anareo hilazalaza ireo hafa miasa miaraka aminareo, miangavy mba apetraho ao ny fampafantarana momba izany.

Raha tsy afaka ny mizara ny firotsahanao malalaka ianao noho ny antony ara-piarovana, dia afa-mametraka tsy ankiteniteny (tsy ampahibemaso).

DINGAN'NY FANDROTSAHANA

Toy izao manaraka izao ny fizotry ny fifaninanana:

Fisokafan'ny fandrotsahana: Alarobia 12 Marsa 2014

Ny mpifaninana dia mametraka ny kinasa santatra ao amin'ny sehatray amin'ny teny anglisy (mariho fa nilaina izany satria io no teny iraisan'ny komity mpifantina avy ato aminay). Vantany mivoaka ny kinasa, dia asainay ny mpifaninana hizara azy amin'ny tambajotrany, mangataka ny hafa haneho hevitra sy ny tolo-kevitra avy amin'ny hafa.

Ny kinasa rehetra dia hotsarain'ny komity ahitana ireo mpikambana avy ato amin'ny fiarahamonina Global Voices, ary ao anatin'ireny ireo efa nahazo tamin'ny vatsy madinika natolotry ny Rising Voices taloha.

Fetra farany: Alarobia 9 Avrily 2014 amin'ny 23:59 GMT

Famoahana ny valiny: Alarobia 7 Mey 2014 (mety hisy fiovany araka ny isan'ny tolotra hotsaraina).

Aza misalasala manontany amin'ny alalan'ny fametrahana fanehoa-kevitra na fandefasana imailaka amin'ny alalan'ny  Takelaka Fifandraisana ato aminay.

Mirary soa!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.