Vatom-Pifidianana Hosoka Ataon'i Rosia Ao Krimea Nefa Tsy izy

 

The Kremlin's ballot scheme in Crimea that probably never happened. Images mixed by author.

Ny fanamboamboaram-baton'i Kremlin any Krimea izay mety ho tsy nisy mihitsy akory. Sary namboarin'ny mpanoratra.

Manatontosa referendum i Krimea amin'ity alahady 16 marsa 2014 ity, hamaritra raha hitoetra ao Ukraine ao ambanin'ny sata mizakatena mivelatra kokoa na mangataka ny ho ao anatin'ny Federasiona Rosiana ity repoblika mizakatena ity. Tao anatin'ny roa herinandro, mingonongonona manohitra ny fandrotsaham-bato ny fitondram-pitantanana vaovao ao Kiev, milaza fa tsy manan-jò hizotra ho amin'ny fisintahana tsy misy fandraisana anjaran'ny governemanta nasionaly ny Antenimiera Crimean.

Misy Rosiana mpiserasera internet sasantsasany mamoaka hevitra avy amin'ny sary mivezivezy an-tserasera fa misy manampahefana ambony Krimeana sasantsasany koa mikasa ny hanilika  ny mpifidy azy tsy ho ao anatin'ny fombafomban'ny fandrotsaham-bato.

Ny sary nahatonga ny raharaham-panafintohinana fanaovana hosoka fifidianana.

Tamin'ny 12 marsa ny bilaogera Rustem Adagamov avy amin'ny namoaka sary avy ao amin'ny Itar-Tass an'i Sergei Fadeichev momba ny fanombababa ny fitsapa-kevi-bahoaka manerana an'i Crimea. Tamin'ny sary iray (jereo eto ambony), zatovolahy iray mamindra taratasy tahatahaka ny vatom-pifidianana. Taorian'ny namoahan'i Adagamov ny sary, nahamarika avy hatrany ny mpamaky nandinika fa ny fonon'ireo atonta-taratasy dia efa voaprinty misy marika manohana ny fisintahana sahady.

Norombahin'ny haba-tranonkala freejournal.biz ny karajia tao amin'ny blaogin'i Adagamov, namelona tantara miaraka amin'ny lohateny hoe “Vatom-pifisianana any Crimea efa nasiana marika araka ny tokony ho izy sahady ny faritra fenoina.” Notononin'ilay tantara ihany koa ny lahatsoratra Facebook avy amin'ilay parlemantera Ukrainiana Oleksandr Briginets, izay nitaterany ny siosion-dresaka henony avy amin'ny hafa fa misy olom-pirenena Rosiana notaterina bus nankany Simferopol mba hameno ny vatom-pifidianana hirona mankany amin'ny fisintahana. “Nahita ireo bus ireo ny reniko sy ny olona maro monina any Feodosia!!!” hoy ny nosoratan'i Briginets tamin'ny 13 Marsa.

Araka ny mili-pikarohana blaogy Yandex, dia misy domberina (pingbacks) 780 misaraka tsara avy amin'ny lahatsoratra freejournal.biz, izay midika fa blaogera rosiana an-jatony—izay manoratra ao amin'ny Vkontakte sy ny Twitter ny ankamaroany—nizara io tantara io, amin'ny fanehoany ny fahatezerany momba ny tahatahaka ny fiomanana hangala-bato amin'io andro alahady io.

Fandinihana akaiky ny singa-taratasim-pitsapa-kevi-bahoaka mpanohana ny fisintahana Crimeana.

Rehefa tena jerena tsara, anefa, ireo vatom-pifidianana misy hosoka amin'ny sarin'ny blaogin'i Adagamov ireo dia singa-taratasy avy amin'ireo mpanetsiketsika mpanohana an'i Rosia no tena marina. Ny andro namoahan'i Adagamov ny sary, namoaka ny sariny ihany koa ny gazety mivoaka isan'andro RBC —fandinihana akaiky—ireo tahirin-kevitra ireo ihany (jereo eo ambony), izay fantatra fa singan-taratasy novokarin'ny sampana ao amin'ny Antokom-Paritra.

Marina, fa namboarina hitovitovy amin'ny tena vatom-pifidianana ireo singa-taratasy ireo. Fa roa ny fahasamihafana goavana ao anatiny, na izany aza. Tsy tahaka ny vatom-pifidianana ofisialy nambaran'ny filohan'ny fifidianana Krimeana Mikhail Malyshev tamin'ny finadohan'ny herinandro lasa io, fa natao printy tamin'ny taratasy fotsy ireo singa-taratasy ireo. (Tamin'ny taratasy miloko mavo no natao printy ny tena vatom-pifidianana.) Ny haben'ireo singan-taratasy ihany koa dia lehibebe kokoa noho ny nambaran'i Malyshev tamin'ny talata. Farany, mazava ho azy, misy ihany fametrahana marika mena lehibe dia lehibe natao tamin'ireo singan-taratasy ireo. Raha jerenareo tsara ny sary tao amin'ny RBC, dia ho hitanareo fa tsy mikatona tanteraka ny tsipika amin'ny mahitsizoron'ilay nasiana marika. Misy faritra kely navela tsy ho feno, mba hahatonga ny fieritreretana fa tsy natao taorian'ny nanaovana printy azy mihitsy ny fanamariham-bato.

Fa midika ve izany fa tsy hikasa ny hangala-bato i Rosia [t]amin'ny fitsapa-kevi-bahoakan'ny alahady [teo]? Tsy midika ho izany velively io. Fa io sary io sy ny fihetseham-po naterany an-tserasera no mametrak fa tsy ho gaga loatra ny Rosiana, raha efa namboarina ny [isam-]bato. Efa maro ny vonona hino ny zavatra ratsy indrindra mety hipoitra, ankehitriny, eny fa na dia amin'ny fanaporofoana mampihomehy aza.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.