Arabia Saodita : Niaka-peo Tao Amin'ny Twitter ireo Printsesa Migadra

Childhood photo of King with princesses

Sarin'ny fahazazan'ireo Printsesa Sahar, Maha, Hala ary Jawaher sy ny Mpanjaka. Zaraina ao amin'ny Channel 4 News.

Angano ny hoe printsesa voahidy any amin'ny tilikambo, fa amin'izao fotoana izao any Arabia Saodita, printsesa efatra, i Sahar, i Maha ,i Hala ary i Jawaher dia milaza fa tsy araka ny sitrapony no nitazonana azy ireo tao amin'ny trano ben'ny mpanjaka tao Jeddah efa ho 13 taona.

Nivoaka tamin'ny fahanginany any amin'ny toerana hialokalofany any Londra ny renin-dry zareo, ny Printsesa Alanoud Al Fayez, izay vady nisaoran'ny mpanjakan'i Arabia Saodita, i Abdullah. Nifanoratra mailaka tamin'ny ekipa iray ao amin'ny Channel 4 News ireo printsesa nilazany fa nogadraina nohon'ny nitenenany ny momba ny zon'ny vehivavy izy ireo. 

Princess Sahar

Printsesa Sahar nandefa ity sariny ity tao amin'ny  Channel 4 News.

“Tsy misy mahalala ny hamafin'ny mahazo anay. Mbola toy Printsesa Saodiana “kenakenaina” no fijerin-dry zareo anay. Tsy mbola natao izany mihitsy anefa izahay. Miaritra ny mafy isan'andro isan'andro izahay.” hoy ny Printsesa Sahar tamin'ny mailaka ho an'ny ‘Channel 4.’

Nanomboka nampiasa ihany koa ny Twitter izay niampangany ‘ireo mpitàna an-keriny an-dry zareo sy nilazany ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona any Arabia Saodita sy ireo firenena manodidina azy amin'ny ankapobeny ny reniny (@AlanoudDAlfayez) sy ireo zanany vavy roa (@Jawaher1776 sy @Art_Moqawama).

Ho an'ireo mpanavakava-bolonkoditra vitsy an'isa andevozin'ny saina izay mihevitra ny handrahona anay mba hangina mikasika ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona, MIHEVERA IHANY

Bitsihan'ny Printsesa Sahar ity sarin'ny faharatsian'ny toerana izay itazonana azy ireo ity tamin'ny 9 Martsa 2014.

Indray mitopy maso amin'ilay antsoina hoe ‘ trano volamenanay’, teny eso, ilazana ny hatsaran'ny tontolo. Miaina eo anivom-paharavàna izahay. pic.twitter.com/0UCagKZThv

Misamboaravoaram-panontaniana sy fanehoan-kevitra avy amin'ireo olona tezitra tamin'ny fandrenesana ilay vaovao ny Twitter. Ireo Printsesa ihany no mamaly na mamerina ny bitsika avy amin'ireo mpomba azy ireo izay nahalala ny zavatra manjo azy ireo avy tamin'ny Channel 4.

@majeda76 Tsy ho voatantarako anareo ny harerahan-tsaina mahazo anay sy Jawaher… Tena mila anao zahay ry Neny… Tsy misy fampaherezana ao anaty ranomaso… Andriamanitra anie hitahy anao ry Majeda. Insh'Allah

Manandrana manafaka ireo zanany ireo amin'ny alàlan'ny fanampian'ny mpanelanelana manokan'ny firenena Mikambana momba ny Zon'Olombelona ilay reny voalaza. Lazainy fa tena mampanahy indrindra azy ny amin'ny fahasalaman'ny Printsesa Hala izay kikisan'nytsyfahazotoan-komana.

Tsy nanao fanambaràna momba io raharaha io ny fanjakana Saodiana.

Matetika no mitsidika ilay mpanjaka miliaridera (heverina fa ho 89 taona) ireo mpitondra sy olo-manankaja eto amin'izao tontolo izao . Notairin'ireo Printsesa, amin'ny fampiasana ny traikefa niainany, ireo mpitondra Tandrefana izay lazain-dry zareo fa zara raha manao zavatra mikasika ny zon'ny vehivavy sy ny ankizy any arabia Saodita.

Tamin'ny 10 Martsa 2014, nakarin'ny Channel 4 ao amin'ny tranonkala  ilay lahatsarin'ny tatitra nataony.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.