Mpanao Gazety Iray Noroahana Fa Nitsikera Ny Fibodoana an'i Crimée Tao Amin'ny Facebook

An "unidentified" soldier is defending this Russian-speaking cat. "Thanks for the fact that I'm no longer a "kit"" (Ukrainian for "cat" (kit) is a homonym of Russian for whale (kit)). Anonymous image found online.

Miaramila iray ‘ tsy fantatra’ , miaro saka miteny Rosiana. “Misaotra noho ny fiheverana ahy tsy ho “kit” intsony” ( ny teny hoe “kit” any Okraina dia ilazana ny ‘saka’,  mitovy fanoratra amin'ny “kit” amin'ny teny Rosiana, midika hoe ‘trozona’). Sary tsy fanta-tompo ao amin'ny aterineto.

Raha variana miresaka ilay sivana ataon'ny governemanta Rosiana amin'ny haino aman-jery sy ny aterineto ny olona, dia malaza izao ny fanivanan-tena ataon'ireo masoivohom-baovao any ifotony. Vokatr'izany — Vao haingana no voaroaka ny mpanao gazety iray avy any Perm noho ny fizaràny lahatsoratra iray tsy dia manafin-tohina manakory avy any anaty bilaogy mifandraika amin'izany tao amin'ny Facebook-ny, na dia toy ny fanesoana ihany aza.

I Roman Romanenko avy any Vologodsk no nanoratra ilay lahatsoratra niandohana, tamin'ny 4 Martsa 2014. Tao amin'io lahatsoratra io no nanoratany fanesoana iray miantso an'i Putin  ‘hibodo’ ny Faritr'i Vologodsk, mba hiarovana ny zon'ireo vahoaka ‘miteny Rosiana’ monina any. Mazava loatra fa miresaka ny filazana fisian'ireo tafika Rosiana ao amin'ny saika nosy Crimée ( lavin'ireo mpiasam-panjakana Rosiana hatrany ny fisian'ny andian-tafika ao) no nanaovany io kisarisarin-teny io. Izao no nosoratany :  

Мы тут все сплошь русскоязычные и наши права очень ущемляются. Наши больные не могут получить нужных им лекарств и лечения, уровень нашего образования падает с каждым годом […] А еще мы узнали, что вы собираетесь потратить много денег, чтобы нормализовать жизнь в Крыму. Стесняемся спросить: можно ли потратить эти деньги на нормализацию жизни в Вологодской области. А то наша область в такой долговой яме, что ни на что денег не хватает. А нам очень нужны мосты, дороги, спортивные сооружения, промышленные объекты, новые рабочие места…

Miteny Rosiana daholo izahay monina ato, ary voahitsakitsaka ny zonay. Tsy mahazo fanafody sy fitsaboana ilainy ny mararinay, mikororosy isan-taona ny fanabeazana aty aminay[…] Nefa renay fa mihevitra ny handany vola be mba handaminana ny fiainana any Crimée ianao. Mampisalasala anay ny hanontany hoe : tsy azonay atao ve ny mandany io vola io hanatsarana ny fiainana aty amin'ny faritr'i Vologodsk. Satria tena bokan-trosa ny faritra misy anay, tsy manam-bola hanaovana na inona na inona izahay. Nefa mila tetezana, làlana, fanatanjahantena sy fivoarana indostrialy, toeram-piasana vaovao… 

Nozarain'i [ru] Alexander Erenko, mpanao gazety avy any Perm, tao amin'ny rindrin'ny Facebook-ny io hafatra io, fa nosoloany ny tanàna misy azy fotsiny ny teny hoe : faritr'i Vologodsk. Na dia in-44 fotsiny aza no nizarana io lahatsoratra io izay mifanohitra amin'ny lahatsoratra niandohana nosoratan'i Romanenko izay nahatratra 3.323, ary tonga tany amin'ny iray amin'ireo lehiben'i Erenko. Voaroaka tamin'izay ora izay ihany i Erenko, araka ny tatitra nataon'ny  Echo of Perm [ru] (biraon'ny ‘Akon'i Maosko’ ao an-toerana).

Tamin'izay fotoana izay ihany, tsy i Romanenko ihany no nahatsikaritra ny fihetsika hafahafa ataon'i Maosko amin'ny fomba fitondra ireo mponina any Crimée sy ny fikarakarana ataony amin'ny vahoakany ao an-toerana. Naverina nobitsihana efa ho in-arivo ity bitsika ity, avy amin'i Irina Petrova, mpitoraka bilaogy, isan'ireny ilay mpanohitra Alexey Navalny ( na dia any am-pigadrana sy tsy mahazo mifandray amin'ny olona ety ivelany aza izy amin'izao fotoana izao) :

Naka 40 tapitrisa ruble tao amin'ny tetibolam-paritra ny ben'ny tanànan'i Maosko mba hanamboarana toeram-pitsaboana any Crimée. Hadalàna!!!! Efa mba tany amin'ireo toeram-pitsaboana ao amin'ny faritr'i Maosko ve ilay zalahy io???

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.