Memes 15 Manampy Trotraka ny Krizy Krimeana

Raha tokony niezaka nitady ny karazana marimaritra iraisana, dia vao maika miezaka mitady fandresen-dahatra araka izay tratrany avy ny andaniny sy ny ankilany, izay mivadika haingana ho fandrahonana, fifanafihana ad hominem, ary fampitahana amin'i Hitler. Lasa fifanasam-bava ny tsy fifanarahana, samy resy lahatra ny andaniny sy ny ankilany fa adala sy/na fatsora ny mpifanandrina aminy. Efa mahazatra? Indrisy, izany no mitranga ao amin'ny RuNet rehefa miresaka ny fifandirana Crimeana. Na ny Memes (fampihomehezana amin'ny kisarisary amboarina) na ny sary “macro” dia mizotra mankany amin'izay mampisara-bazana, fa tsy amin'ny fandresen-dahatra somary mampitony. Fa mba misy ihany ny mahatsikaiky mahafinaritra ka !

1.

"Polite. Russian. Yours" Anonymous image found online.

“Manaja. Rosiana. Anareo.” Sarin'olo-tsy nitonona anarana hita an-tserasera.

Ity meme-mpitiavan-tanindrazana ity dia milalao teny momba ireo andia-tafika tsy fantatra mibodo an'i Crimea ho “ry zalahy mpanaja,” mampifandray ny fehezanteny amin'ny hiakan'ny Lalao Olaimpikan-dririnina, “Hot, Cool, Yours.” [Mafana (manaitra), mangatsiatsiaka (mahafinaritra), Anareo] Tsy araka izay tena izy, anefa, ny mampihena ny lanjan'ny vondro-tafika Rosiana any amin'ny fari-tsisitany Okraikiana amin'ny fanasongadinana ny fanajàny. Mety hoe manaja ry zareo, fa mbola misy fitaovam-piadiana any aminy.

2.

"Organized Russian tourists travel to Crimea en masse"

“Andiam-pizahantany Rosiana efa voalamina hitsangatsangana ho any Crimea, miaraka be dia be! Sarin'olona tsy nitonona anarana hita an-tserasera.”

Tahaka izany ihany koa, tsy mpizahatany ny andia-tafika Rosiana. Mety hisy ny handresy lahatra fa manadrohadro ny fihatsarambelatsihin'i Putin mandà ny fisian'ny [tafika] Rosiana any Crimea ity meme ity, saingy ny ijereko azy eo anatrehan'ny toe-draharaha dia ampiasaina  io hanekena tsy ankiteniteny ny fitaka (marika amin'izany ny [mari-piatoana] tsoraka)

3.

Russian destroyer "The Polite." Word bubble reads "The Gracious and The Courteous are right behind me"

Destroyer Rosiana “Ilay Manaja.” Hoy ny fivakin'ny tein'olona iray hoe “Manenjika ahy aoriana i Mahate-ho-tia sy i Manintona.” Sarin'olo-tsy fantatra hita an-tserasera.

Ohatra iray hafa lian'ady sy mamadika ny voambolana “manaja” ho mampatahotra. Eny manana andian-tsambo mpiady vonona kokoa noho ny tafika an-dranomasina Okrainiana i Rosia ao amin'ny Ranomasina Mainty (ny marina moa dia nobahanan-dry zareo tamin'ny alalan'ny fandrendrehana sambo tranainy iray eo amin'ny vavahadiny [ru] ny Tafika an-dranomasina Okrainiana roa andro lasa izay. Mampihomehy tokoa ity meme ity satria araka ny fifanarahana amin'ny fanomezana anarana ao amin'ny Tafika an-dranomasina Rosiana — dia tononina amin'ny mpanari-toetra avokoa ny sambo rehetra tahaka ny destroyers  (i.e. Mailaka, Sahy, Mavitrika, sns.)

4.

"We are just a people's militia"

“Milisim-bahoaka ihany izahay ka!” Sarin'olon-tsy fantatra hita an-tserasera.

Etsy ankilany indray dia tsy hahavitan-javatra ny sary tahaka izao. Marina fa mampihomehy noho ny fanalaviran-dalana amin'ny mangaraharan'i Rosia milaza ny andia-tafiny ho ao anatin'ny milisy Crimeana “nitsangana tampoka”. Mandritra izany fotoana izany, mitsipaka izay mety ho tena andrimasom-pokonolona Crimeana mitam-piadiana (izay tsy maintsy misy) izany, ary mampiakatra ny fitaovam-piadiana ho tonga hatrany amin'ny balafomanga.

5.

Leopard, Bunny, and Bear - Sochi Olympic Mascots.

Leoparda, Bitrodia, ary Orsa – Biby famantarana ny Olaimpikan'i Sochi. Sarin'olon-tsy fantatra hita an-tserasera.

Kisangisangin'i Sochi hafa. Sarotra kokoa ny mametaka azy hoe tokony ho aiza ho aiza, saingy samy afa-mampiasa azy tsara daholo ny roa tonta. Jereo, Lian-drà loatra ny Rosiana ka na ny saribakoly vorodamba aza indreo manamory fiara mifono vy. Jereo, katahotra loatra ny Okrainiana ka saribakoly vorodamba dia efa maharesy azy ireo. Eny, voaloton'ny politika politisiana sy ny fananiham-bohitra ny lalao Olaimpika, amin'ny manaraka ianao hiteny amiko fa tsy misy dadabe noely.

6.

"Banderovsty are attacking Crimea!"

“Tafihan'ny Banderovita i Crimea!” Sarin'olon-tsy fantatra hita an-tserasera.

Manely fatratra ny fisian'ireo antsoina hoe “Banderovita”, na mpanaraka ny Nasionalista Okrainiana sady lazaina ho mpamono olona an'ady Stepan Bandera, anisan'ny mpanao fihetsiketsehana izay nanongana ny fitondrana Yanukovich, ny fahitalavita Rosiana. Ny zavamisy dia mety ho kely ihany ny isanjaton'ireo mpanao fihetsiketsehana radikaly ireo, saingy nanam-peo mahery, misy tokoa ry zareo, ary mankahala Rosiana sy ny kolontsaina Rosiana. Saingy tsia, tsy manamory fiaramanidina tsy fantatra ny lohabe goavan'i Stepan Bandera.

7.

"Maidan Self-Defence Forces.  The American company." Anonymous image found online.

“Maidan Self-Defence Forces. The American company.” Anonymous image found online.

Ny fisian'ny fitaka milaza fa misy sambo mpitondra voromby Amerikana mpiady miditra ny ranomasina mainty no mampidi-doza indrindra amin'izy rehetra. Ny Memes 7 sy 8, izay mampiraikitra izany fitaka (hoax) izany, no nanome fampanantenana poakaty nanatena ny fanampiana ara-tafika ataon'i Etazonia amin'ny Okrainiana, sy tahotra tsy voamarina amin'ny fidirana an-tsehatra ara-miaramila ataon'i Etazonia amin'ny Rosiana. Tsy maninona fa araka ny fifanarahana iraisampirenena dia tsy misy sambo mpitondra voromby mpiady mahazo miditra ny ranomasina mainty. Ankoatra izay, maneso ny filazana, satria misy ny Rosiana sasantsasany efa niampanga sahady ny Amerikana ho nanomana ny fihetsiketsehana Maidan..

8.

"#aquamaidan" (a play on #euromaidan). Anonymous image found online.

“#aquamaidan” (lalaontenin'ny #euromaidan). sarin'olon-tsy fantatra hita an-tserasera.

9.

"[Eskimo] not conqueror, [Eskimo] guard" Anonymous image found online.

“[Eskimo] tsy mpanani-bohitra, mpiambina [Eskimo]” Sarin'olon-tsy fantatra hita an-tserasera.

Tsy hevitra tsara kosa angamba ny faniratsirana ny andia-tafika Rosiana ahitana karazam-poko maro, raha te-handresy lahatra ianao fa tsy nasionalista mpankahala vahiny.

10.

Putin is a Nazi. Clearly.

Nazi i Putin. Miharihary. Sarin'olon-tsy fantatra hita an-tserasera.

Tadidio hoe ny fotoana nampitahanao ny olona tsy mitovy hevitra aminao ho Hitler, ary dia resy lahatra tanteraka amin'ny fandresen-dahatra avy aminao ry zareo, dia miala tsiny? Izaho koa aloha tsy ho izany.

11.

"If Putin is Hitler, then shouldn't followers of Stepan Bandera listen to him?" Anonymous image found online.

“Koa raha Hitler ary i Putin, moa tsy tokony hihaino azy ny mpanara-dia an'i Stepan Bandera?” Sarin'olon-tsy fantatra hita an-tserasera.

 Ary dia mitohy ny “fifandroritana”.

12.

Obama hungry. Obama eat Ukraine. Anonymous image found online.

Obama noana. Obama mihinana Ukraine. Sarin'olon-tsy fantatr hita an-tserasera.

Andraso aloha, Tsy i Putin irery no Evil Overlord (TM) [Andrianan'ny Ratsy]!

13.

"Capitol Hill really needs a new exterior design" to make it look like the Kremlin. Anonymous image found online.

“Havoanan'i Capitol mila andrika ivelany vaovao” mba hahatonga azy hitovitovy endrika amin'i Kremlin. Sarin'olon-tsy fantatra hita an-tserasera.

Koa raha mifandranitra ady ihany, maninona raha tonga dia izorana mihitsy?

14.

On the right,

Havia, “Vondron'olona miaro tena eny ambony sezamalemilemy, #eurosofa” Havanana, “Herin'ny sezamalemilemy, Vondron'olona Ela Famaly.” Sarin'olon-tsy fantatra hita an-tserasera.

Ary vokatr'izany, mandravarava eo amin'ny “manampahaizana ara-jeopolitika” Rosiana sy Okrainiana ny ady.

15.

I think the term of art is "puking rainbows." Anonymous image found online.

Sarin'olon-tsy fantatra hita an-tserasera.

Saingy na inona na inona ataonao, aza atao varoboba ireo fifanamanana arakasa tsy voaisa!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.