Notapahin'i Venezoelà Ny Fifandraisana Amin'i Panamà

Fanapaha-kevitra nahavalalanina avy amin'ny Governemantan'i Venezoelà. Ny hany mba fanantenan'i Panama dia ny hahitan'ny firenena namana filaminana sy hahamafy orina ny demaokrasiany.

Izay no fomba nanehoan'ny filohan'i Panama ny fihetseham-pony manoloana ny nahitany ny fanapahan'ny governemanta venezoelana ny fifandraisana amin-dry zareo.

Nanambara ny filohan'i Venezoelà, Nicolas Maduro, fa tsy hamela na iza na iza hitsikombakomba hamelezana an'i Venezoelà ary niampangàny ny Filoha Martinelli ho “mpanompon'andriana sy menarana.” Ny fiampangàna dia mifototra amin'ny fangatahan'ny governemanta Panameanina hihaonan'ny Vaomiera maharitry ny governemanta OAS (Fikambanan'ny Firenena Amerikanina) hiresaka momba ny fifandirana anatin'i Venezoelà

Nahitana esoeso sy fahatezerana noho ny nataon'ny governemanta Amerikana Tatsimo ity ny fihetsehampo tao amin'ny tambajotra sosialy. Tsapan'ny ankamaroan'ny Panameana fa sahisahy ihany ny Filoha Maduro manapaka fifandraisana ara-diplaomatika sy ara-barotra amin'i Panama i Venezoelà nefa ananan'ny Faritra Ara-Barotra Malalaka ao Colón trosa anelanelan'ny $800 tapitrisa ka hatramin'ny $1 miliara dolara Amerikana. Miteny i Charlie Cuevas: 

Metimety aminareo ve izany ry Venezoelà ny manapaka fifandraisana ara-barotra amin'i Panama raha mila mandoa vola iray miliara dolara aminy ianareo

Ho an'ny mpiserasera hafa, ny governemanta Panameana no mendrika bedesina nitsabaka amin'ny raharaha anatin'ny firenena hafa.

Fa inona ny ataon'ny Governemantan'i Panama manome hevitra sy mitsabaka amin'ny raharaha anatin'i Venezoelà? 

Nanazava ny toe-draharaha i Erick Javier fa ny vahoaka hany afa-miantso ny Filoha Ricardo Martinelli ho “mpanompon'andriana” sy “menarana” dia ny Panameana: 

Ny vahoaka hany afa-miantso an'i Martinelli ho mpanompon'andriana sy menarana dia izahay Panameana

Tahaka izany ihany koa, nanameloka ny tranga sy ny fomba nitondrana azy ny filohan'i Panama teo aloha Ernesto Perez Balladares: 

Tsy mitovy hevitra amin'ny Filoha Martinelli aho saingy tsy manaiky ny ompa diso toerana atao aminy na Panameana hafa

Ho an'ny “Noticias sin censura” (“Vaovao tsy misy fanapenambava”), tsy mandeha ilalana ny fanapahan-kevitry ny governemanta Venezoelana raha afarana sy mandalo amin'ny Lakandranon'i Panama ny entana maro fanjifa any Venezoelà: 

Firenena manafatra ny 80 isanjaton'ny entana fanjifany, ary saika mandalo an'i Panama daholo izany rehetra izany no manapaka fifandraisana ara-toekarena amin'io firenena io. Fa ahoana lety e?   

Nilaza ny heviny ny Venezoelàna Rocio San Miguel fa vao maika hampanahirana amin'ny tsy fisian'entambarotra efa zakain'i Venezoelà ilay fanapahana fifandraisana: 

Hanasaro-javatra araka izay zokiny amin'ny olan'ny fitateran'entana avy eny an-dranomasina ny fanapahana fifandraisana amin'i Panamà

Fredy Marcial nisioka momba ny lazaina fa fananiham-bohitra nangatahin'i Martinelli: 

Ny Filohan'i Panama dia avy amin'ireo tarana-pianakaviana efa nitondra nanohana ny fananiham-bohitra nataon'i Etazonia ny fireneny tamin'ny alalan'ny lakandrano, ankehitriny ity mpanompon'andriana ity mangataka ny hanani-bohitra an'i Venezoelà

Ho famaranana, mihevitra ny Loholon'i Colombia Juan Lozano fa ny fihetsika avy amin'ny governemanta Venezoelàna dia marika fa efa misy fahakiviana sy fialan'aina ao: 

Ny fihetsik'i Maduro manohitra an'i Panama dia mampiseho fahadisoam-panantenana, fitaintainana ary ny fitokana-monin'ny fitondrana mirediredy andalam-pahapotehina

Saripika: Nicolás Maduro avy amin'i Chavezcandanga ao amin'ny Flickr ambany lisansa Creative Commons (CC BY-NC-SA 2.0); Ricardo Martinelli avy ao amin'ny World Economic Forum ao amin'ny Flickr ambany lisansa Creative Commons (CC BY-NC-SA 2.0)

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.